22 febroary — Raha ny tetiandron'ny Fiangonana Katôlika Romana no jerentsika dia intelo ny Fiangonana no manoka andro hatsiarovana an'i Masindahy Pierre ao anatin'ny taona. Ao ny 29 jona hankalazana ny fetin'i Masindahy Pierre sy Paul miaraka. Eo ihany koa ny 18 novambra fankalazana ny fitokanana ny Bazilikan'i Masindahy Pierre. Ary ity ankalazaina androany ity dia ny Fiketrahan'i Masindahy Pierre.

Ny kristianina manam-pinoana ihany, hoy ny Papa François, no tena manam-paharetana, izay faharetana miavaka. Eo amin'ny vavaka no tena ilàna faharetana, eo koa ny fihaonana amin'Andriamanitra, ary eo koa ny fitozoana amin'ny resaka ataontsika amin'Andriamanitra. Nitady ny fomba mba hivavahana lalandava i Moizy sy ny namany ka nahomby izy ireo, sady nandresy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

22 febroary 2025 — Ny Fiketrahan'i Masindahy Piera Apôstôly — Fankalazana — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

• Nampiditra 327 miliara Ariary ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, tamin'ny taona 2022... • Nanolotra vola mitentina 8 tapitrisa Dolara, hanamboarana ny ampahany amin'ny Lalam-pirenena faha-13, ny orinasa QMM... • Lanonana roa sosona no notanterahana teny amin'ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona androany, namaranana ny faha-50 taona nijoroan'ny sekoly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...