Alahady 06 jolay 2025, Alahady faha-14, tsotra, mandavan-taona "D" : Matokia mitory ny Evanjely ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra! Isika Kristianina ankehitriny dia nofidian'i Jesoa sy nirahiny hanohy ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Noho ny finoana izay noraisintsika sy ezahantsika ivelomana no mpialoha lalana azy Jesoa sy ho mpanomana ny hatongavany amin'ireo mbola tsy mahalala azy, atomboka eo amin'ny manodidina antsika. Ny fitoriana amin'ny fo manontolo no tian'ny Tompo...

Lazaina fa manao "palpitation" ny olona iray raha toa ka mihoatra ny 100 isa-minitra ny fidoboky ny fo, mandritra ny fotoana ialan'ny olona iray sasatra. Ny retsika mibaiko ny fidoboky ny fo dia misy "systeme cardionecteur" ary ny "nerf sympatique - nerf parasympatique". Ny palpitation dia mety ho vokatry ny zava-misy na olan'ny fo mihitsy, noho izany dia ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy mampiahiahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Mbola misy ny fampihorohoroana atao amin'ny vahoaka any Antanambao-Mahatsara, Distrika Vatomandry ankehitriny, mikasika ny tsy fanekena vokam-pifidianana ben'ny tanàna ny volana desambra 2024... ♦ Mampiseho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fananan'ny fitondram-panjakàna vola, ny olana ara-tsosialy sy toe-karena eto Madagasikara ankehitriny hoy ireo solombavambahoaka mpanohitra... ♦ Mitaraina ireo Federasiôn'ny Mpanao Asa-tanana fa ahondrana any ivelany ireo akora fototra fanaovana asa-tanana tsara kalitao... ♦ Noraisin'i Papa  Léon-XIV, tao amin'ny Lapa Apôstôlika tao Vatican omaly, ny Praiministra avy any Montenegro, Miloiko Spajich...

♦ Volavolan-dalàna miisa 13, sy tolo-dalàna miisa 6 no lany teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza, nandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany, izay nifarana omaly... ♦ Mitaky ny fialàn'ireo ministra tsy nahavita ny andraikiny ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS). Isan'izany ny ministry ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Tafajoro ny vovonana MIRADIA, mba ho fiomanana mialoha sy hanalefahana ny voka-dratsy hateraky ny fiovan'ny toetr'andro eto Madagasikara... ♦ Mamely ny Firenena maromaro any Europe ankehitriny ny hafanambe migaina izay niteraka firehetana, isan'izany ny tany Grece...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...