• Nanomboka androany hatramin'ny zoma 11 jolay 2025 ny fanadinana Bakalorea Katolika manerana ny nosy. Mpiadina maherin'ny 64.000 avy amin'ny sekoly katolika maherin'ny 300 isa no miatrika izany... • Miroso ny fanatratrana mpizahatany vahiny iray tapitrisa ho avy eto Madagasikara amin'ny taona 2028, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, Viviane Dewa... • Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin'ny lavanila eto Madagasikara. 3.000 hatramin'ny 5.000 Ariary ny kilaon'ny lavanila maitso ankehitriny...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
♦ Miisa 11 ireo volavolan-dalàna natolotry ny Ministeran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola teny anivon'ny Andrimpanjakàna mpanao Lalàna, nandritra ny fivorian'ny Parlemantera farany teo... ♦ Nisantaran'ireo mpiadina ny fanadinana bakalôrea Katôlika androany maraina ny taranja Filôzôfia... ♦ Efa nisokatra ôfisialy tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny kianjan'ny MalaCam Antanimena ny fitsaràna miaramila ho an'ity taona 2025 ity... ♦ Mivahiny any Washington ankehitriny ny Praiministra Israeliana Beniamine Netanyahu, hihaona amin'ny filoha amerikana Donald Trump izy anio...
Nisoko mangina tsy re tsaika firy, fa zary lasa olana mitoetra efa ho herinandro mahery teo izay, ny rano mampiodina ny seha-pitaterana, raha ny niainana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Toa noheverin'ny maro fa.... handalo fotsiny toy ny fikoropahana mahazatra rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fety, ny zava-nisy nialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 Jona teo. Tsy rototra firy rahateo ny olona satria niditra an-tsehatra nanazava tamin’ny mpanao gazety, nandamin-dresaka amin'ny fahampian'ny tahirin-tsolika ny minisitra tomponandraikitra sy ny OMH.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco