♦ Hifarana anio sabotsy ny hairanty Voatra andiany faha-12 sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha Marôkanina, izay tanterahina eny amin'ny Novotel Alarobia... ♦ Iharan'ny tsindry samihafa ny "Inspecteur" eo anivon'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy, ary ara-pôlitika... ♦ Mpiofana 50 mianadahy indray, no nahavita fiofanana arak'asa teo anivon'ny Ivon-toeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tantanan'ny Masera Fille de Marie Auxiliatrice... ♦ Nankasitraka ny fanambaran'ny ministry ny raharaham-bahiny Iraniana omaly zoma, hanokatra ny détroit d'Ormuz, i Danald Trump...

Ilay Teny Tonga Nofo no mampiray ny ololmbelona, tamin'ny ohatra nomeny. Tsy niolonolona fa niray petsapetsa tamin'ny olona rehetra afa-tsy tamin'ny fahotàna. Nanamasina ny fiainam-pianakaviana sy fikambanana izy, tamin'ny fampianarany hifampitondra toy ny mpirahalahy, tamin'ny fivavahana nataony (Mba ho iray anie izy rehetra), Didy nomeny ny ha-fianakavian'Andriamanitra ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

• Hotrandrahana manokana amin'ny Voatra andiany faha-12, sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha marokanina, ny tsena any amin'ity firenena ity... • Iharan'ny tsindry samihafa ny Inspecteur an'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy sy ara-politika... • Mpiofana 50 mianadahy, no nahavita fiofanana araka asa teo anivon'ny Ivotoeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tanatanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice...

• Enim-bolana aty aoriana, efa manomboka very sahady ny tombony kely tamin'ny fahafahana maneho hevitra, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar... • Alefan'ireo tantsaha amin'ny vidiny mora ny vary akotry any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. 60.000 Ariary ny iray gony amin'izany, izay ahiana hiteraka olana ho an'ireo tantsaha... • Ilaina ny fanavaozana ny rafitra fandalinana ny toekarena mba hifanaraka amin'ny zava-misy ankehitirny, araka ny resaka nifanaovan'ny mpitantan-draharahan'i FMI, tamin'ny Minisitry ny Toekarena Malagasy, manoloana ny fiantraikan'ny krizin-tsolika...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...