Vakiteny voalohany

Boky Faharoan’i Makabeo (Makabeo 6, 18-31)

Ohatra ambony no havelako raha hiatrika ny fahafatesana amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina aho.

Tamin’izany andro izany,
i Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony,
izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik’andriana indrindra,
dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.
Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka;
naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy;
toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina,
noho ny fitiavana ny aina.
Nifankahazo tamin’i Eleazara hatra ny ela kosa
ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany,
ka nalainy mangingina izy,
novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany
ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;
satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy,
ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo
noho ny fisakaizany taminy efa ela be.
Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena,
araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany,
ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra
narahiny hatramin’ny fahazazana,
ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy;
ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

Hoy izy:

“Tsy mety tokoa,
raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra;
fandrao dia heverin’ny zatovo maro
fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivifolo taona.
Amin’izany izy ireo,
noho ny fanafenako hevitra,
sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana;
ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.
Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho;
tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra,
na velona aho na maty.
Noho izany,
raha amin-kerim-po no handaozako itý fiainana itý ankehitriny,
dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,
ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora
amin’ny fahafatesana antsitrapo sy amin-kerim-po
noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.”

Vao avy niteny izany izy,
dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.
Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalàna ny teny vao notononiny,
ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.

Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe:

“Ny Tompo manana ny fahalalana masina
no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho,
dia miaritra fampijalijaliana mafy amin’ny nofoko asiana ny langilangy,
fa amin’ny fanahiko kosa,
mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy.”

Toy izany no namoizany ny aina
ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po
sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy,
tsy ho an’ny tanora ihany,
fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7

Manohana ahy ny Tompo.

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa tsy vonjen’Andriamanitra, hono, aho!

Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy.
Voninahitro, Mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!

Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)

Hitady sy hamonjy ny very no nahatogavan’ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona,
satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy,
fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy,
ary nanao taminy hoe:

“Ry Zake, midina haingana,
fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”

Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona,
dia nimonomonona nanao hoe:

“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”

Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:

“Tompoko,
indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦Nihazo an'i Rôma omaly alahady 19 nôvambra ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hihaona amin'ny Papa Ray Masina... ♦ Tsy hanaiky ny vokam-pifidianana hivoaka eo ny antoko HVM ary nilaza fa mbola hanohy ny tolona hatrany... ♦ Hisokatra ôfisialy rahampitso talata ny fotoam-piotazana Litchis ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo... ♦ Nahafatesana olona 21 farafahakeliny ny ora-nikija tao anatin'ny 2 andro tany amin'ny Repoblika Dominicaine...

♦ Nihazo an'i Rôma omaly alahady 19 nôvambra ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hihaona amin'ny Papa Ray Masina... ♦ Nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fanatanterahana ny fifidianana tamin'ny 16 nôvambra teo, hoy ny mpanara-maso iraisam-pirenena, avy amin'ny UJ CEMAC... ♦ Nodimandry omaly teo amin'ny faha-56 taonany i Ninie Donie, mpanakanto malaza teo amin'ny gadona Salegy... ♦ Mitohy ny fanelanelanana ataon'ny Qatar mba hamotsorana ireo Israeliana ataon'ny Hamas Palestiniana takalon'aina nanomboka tamin'ny 7 ôktôbra lasa teo...

Ambaran'ny Eglizy fa "ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly, sady tsy noteren-tsy novozonana ka tena mendrika ny olombelona tokoa ; noho izany ny olombelona manontolo mihintsy no soavin'io fitiavana io. Marihina amin'izany fa ny hoe "fitia mifamaly" tsy midika akory hoe tsy fisian'ny fifandonan-kevitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...