Ny Eveka dia miantoka ny fitoriana ny Evanjely mandrapahatapitr'izao tontolo izao. Ny pretra dia mpanampy mahatoky sy mahefa indrindra an'ny Evekany, ka raisin'ny eveka ho toy ny zanaka sy sakaiza. Ny mihaino azy ireo dia mihaino an'i Kristy ary izay manamavo azy ireo dia manamavo an'i Kristy sy tsy manaraka azy. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Zoma 23 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66
♦ Tsy hanaiky sy tsy handefitra amin'ny asa fanakorontanana eto amin'ny firenena, ary handray andraikitra manandrify amin'izany ny Foloalindahy Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Nankatoavin'ny Governemanta malagasy ny fangatahan'ny CENI amin'ny hanalavana ny fe-potoana hanavaozna tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niroso tamin'ny fametrahana ireo saina mena mamaritra ny maha faritra tandindonin-doza ny eny amin'ny vohitr'i Manjakamiadana androany, ny BNGRC. Miisa 1540 ireo trano tafiditra amin'izany...
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 6, 10-20
Ry kristianina havana,
tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria!
ka hanadino ny asanareo,
sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,
tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy
hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
mba tsy hiketraka ianareo,
fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina
noho ny finoany sy ny faharetany.
Tamin’ny fampanantenana
nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama,
noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny tenany,
dia nianiana tamin’ny tenany Izy.
Ka nanao hoe:
“Hosoaviko tokoa ianao sy hohamaroiko koa”;
ary nahazo ny nampanantena azy io Patriarka io,
satria niandry tamim-paharetana izy.
Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany
no ianianan’ny olona,
ary ny fianianana no ataony antoka
ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.
Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa
ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana
dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana
sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika
no hahazoantsika fanalana alahelo mahery;
fa efa mihazakazaka isika
hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina
sady mafy no tsy mihetsika,
ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa
ho Mpialoha antsika,
rahefa natao Mpisorombe mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 4-5. 9 sy 10d
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivoarian’ny olo-marina sy am-piangonam-be.
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany;
maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa
fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 23-28
Indray sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
ka hoy ny Farisianina taminy:
“Jereo ange e,
nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?”
Fa hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona,
ka nihinana ny mofo alahatra
izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany,
sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.”
Dia hoy koa Izy taminy:
“Ny sabata no natao ho an’ny olona,
fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.
Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco