Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16
Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 15
Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.
Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:
“Andeha hanaraka Ahy.”
Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”
Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:
“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tokony hipetraka eto Madagasikara hoy Andriamatoa Gerard Ramamimampionina ny pôlitika mitsinjo fihavanana sy fifankatiavana mba hananan'ny olom-pirenena fitoniana sy filaminana eo am-piandrasana ny fety... ♦ Voafidy ho filoha hitantana ny sendikàn'ny mpiasa FISEMARE ao anatin'ny 4-taona ho avy Ramatoa Francine Randrianarisoa. Sendika manaja hatrany ny dinika sôsialy hampanjakàna ny asa mendrika... ♦ Tandindomin-doza amin'ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara ny tanora eto Madagasikara. Tsy misy anefa ny lalàna mifehy ny ady atao amin'izany fifohana sigara izany... ♦ Noraran'ny Fanjakàna Taliban any Afghanistan ny fandratoan'ny vehivavy fianarana amin'ny anjerimanontolo, ary namoahana didiy...
♦ Ao amin'ny "ankohonana" ihany, manomboka eo amin'ny faharoa taonan'ny zaza no ampidirana ao an-tsainy ny fanabeazana momba ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny olon-dehibe, eo koa ny fampiharana ny famaizana kely raha toa manao fadisoana izy. ♦ Ny sehatra rehetra indrindra ny sekoly isan'ambaratongany no tokony hampatsiahy ny tombontsoa azo avy amin'ny fanarahan-dalàna, ny fitsipi-pifehezana ary ampiharana ny famaizana efa nohazavaina taminy. ♦ Ny fiaraha-monina, ny firenena no tokony hampahafantatra sy hanabe amin'ny fomba isan-karazany ny fitsipika, ny lalàna, ny fepetra ary mampihatra ny famaizana voafaritra. Ampahafantarina ny rehetra ny vokatry ny fampiharana ny famaizana.
♦ Amperin'asa manohy ny asan'ny birao teo aloha ny birao voavaon'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora na ny VPKT. Tontosa teny amin'ny CNPC Antanimena ny fampitan-draharaha tamin'ny birao teo aloha... ♦ Hampihena ny fahasahiranan'ny mpiasam-panjakàna mikarakara ny antotantaratasy ilaina ny rindram-baiko vaovao AUGURE Compte Agent. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly tetsy amin'ny CCI Ivato ny fampiasana azy... ♦ Natolotra an'ireo mendrika tamin'ilay fifaninana ho an'ny taranja Matematika nokarakarain'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny loka ho azy ireo. Mpianatra avy any Fenoarivo-atsinanana no nahazo ny laharana voalohany. Tao anatin'ny folo voalohany ny Lycée Saint Louis any Betafo...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco