Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 5, 1-10
Ry kristianina havana,
rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin’ny olona,
dia tendrena ho solon’ny olona
amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra,
mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,
sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy,
satria na ny tenany aza,
mba voan’ny fahalemena ihany koa,
ka noho izany fahalemeny izany,
tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany,
toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany,
afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra
tahaka an-dry Aarôna ihany.
Dia toy izany koa i Kristy,
fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorombe,
fa Ilay nanao taminy hoe:
“Zanako Ianao,
Izaho no niteraka Anao androany”
sy nilaza tamin’ny teny hafa koa hoe:
“Ianao no mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”
Tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana
nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany,
na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay
ho an’izay manaiky Azy,
fa antsoin’Andriamanitra hoe:
Mpisorombe araka ny fomban’i Melkisedeka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 109, 1. 2. 3. 4
Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”
Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
Avy ao Siôna manjakà hatr’anivom-pahavalo.
Fa anao ny Fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 18-22
Tamin’izany andro izany:
fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina,
ka nisy nanatona nanao taminy hoe:
“Nahoana ny mpianatr’i Joany
sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina,
nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra,
dia tsy mahazo mifady izy;
fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy,
ka amin’izany andro izany vao hifady izy.
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao;
fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta;
fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra,
ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra;
fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hanao fanadihadiana faran'izay maika eo anivon'ny CNLS ny ao amin'ny IGE araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Misy fandaniam-bola tsy mazava ary tsy tokony natao tao amin'io rafitra io ka takian'ny tahirim-bola maneran-tany ny hamerenana azy... ♦ Nanamafy ny RMDM fa tsy mihevitra haka seza sy hiara-hitantana izy ireo ary tsy miombon-kevitra amin'ny mety hanitarana ny fe-potoana itantanan'ny mpitondra ankehitriny ny firenena... ♦ Lasa ady iombonana ho an'ny firenena iray manontolo ny ady atao amin'ny valala. Manampy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana mitarika izany ny zandarimariam-pirenena sy ny ministeran'ny atitany...
♦ Tsy noraisin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny fangatahan'ny Filohan'ny Filankevitra Ambony misahana ny Demôkrasia sy ny Fanjakàna Tan-dalàna (HCDDED), hevitry ny HCC ny 15 desambra lasa teo... ♦ Tsy azo ekena hoy ny Filohan'ny antoko MMM ny fanaovana antsojay ireo olom-boafidy eny ifotony tsy mitovy loko pôlitika amin'ny fitondrana... ♦ Misy amin'ireo Kaominina ao amin'ny Distrikan'i Miarinarivo no tsy mahazo herinaratra afa-tsy roa andro isam-bolana hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana...
22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco