Alakamisy 15 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30
Ny fitondrana vohoka dia maharitra 9 volana. Ilaina ny fanaraha-maso ny vohoka manomboka amin'ny fahaefa-bolan'ny vohoka. Mbola ambony ny taha-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ; 70% amin'ny reny dia tsy miteraka any amin'ny tobi-pahasalamana fa any an-tranony ihany, ary izay no isany antony hisian'ny fahasarotana. Ireo fahasarotana mety hitranga : fahaverezan-dra be loatra, fanafian'ny otrik'aretina (sovoka), fivainganan'ny ra amin'ny faritry ny tongotra ary ny farany dia tsy filaminan-tsaina. 45 hatramin'ny 50 andro, aorian'ny fiterahana dia ilaina hatrany ny manara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, hisorohana izay mety ho fahasarotana, fizaham-pahasalamana isaky ny herinandro...
♦ Miantso ireo andrim-panjakana hifanaraka tsara sy hahay hiara-miasa ny Vondrona Afrikana, nanoloana ilay raharaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Hiteraka tsy fisian'ny fitoniana pôlitika ny tsy fifanarahan-kevitra, hoy ny solontenany eto amintsika... ♦ Niakatra fitsarana androany teny amin'ny PAC 67Ha, ilay raharaha fanondranana volamena 73,5 kilao tatsy Afrika Atsimo, roa taona aty aorian'ny nitrangany. Nahatratra 80 tany ho any ireo vavolombelona nohenoina tamin'ity raharaha ity...
♦ Nisongadina tamin'ny fanontaniana napetrak'ireo Malagasy monina any Etazonia tamin'ny Filoha malagasy, ny olana amin'ny famatsiana herinaratra aty Madagasikara, ny olana mbola tsy ahazoan'ny any atsimo misitraka rano, ary ny zava-misy ara-pôlitika aty Madagasikara... ♦ Famafazana lainga sy fandrebirebena saim-bahoaka ny nambaran'ny Solombavam-bahoaka iray milaza, fa tsy ara-dalana ny dingana rehetra natao, nanomezana ny tolo-bidy ho an'ny orinasa ejipsiana manao ny lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, raha ny fanazavan'ny Minisitry ny Asa Vaventy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco