Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Naneho ny heviny momba ilay fikasan'ny solombavambahoaka hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta farany teo ny vondrona afrikana. Tokony hajaina ny lalàna velona raha misy ny fifampitsabahana andraikitra eo amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka hoy Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf... ♦ Nanomboka omaly, hitohy anio ny fikaonandoham-pirenena karakarain'ny Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara... ♦ Hanatitra taratasy eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny Firaisan-kinan'ny Sekoly tsy miankina amin'ny finoana, taorian'ny nandanian'ny Antenimiera ilay volavolan-dalàna momba ny fanavaozana ny rafi-panabeazana...
15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.
Tokana ihany ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao satria efa hatramin'ny andron'ny Aôstôly ary tsy miova tamin'ny lovam-pampianarany ny maha tokana ny drafitr'asan'Andriamanitra ao amin'ireo Testamenta roa ireo noho ny tandindona raketiny. Mifototra indrindra amin'ny fanomanana ny fahatongavan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao ny fitantanam-pamonjena ao amin'ny Testamenta Taloha. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco