♦ Miantso ny olom-pirenena rehetra indrindra fa ny mpanao politika hifanome tanana hikatsaka ny tombontsoa iombonan'ny vahoaka ny Vovonana Iombonan'ny Tanora Malagasy (COJM) Mifanatona sy miresaka amin'ny mpitondra isan-tsokajiny moa izy ireo manoloana izany... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe handefa ara-potoana ny vola fanampiana ny Kaominina ny Ben'ny tanànan'i Bemasoandro-Itaosy, Distrika Antananarivo-Atsimondrano ; tsy ampy isahanana ny fampandehanana ny fampandrosoana ny hetra miditra hoy izy... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny olona manana fahasembanana. Faritra isan'ny nankalaza izany Amoron'i Mania...
Ny fanovàna ny toe-tsaina dia fototry ny fahombiazana amin'ny lafiny maro. Izay hitan'ny maso no mandrafitra ny fo sy ny saina ary miainga amin'ireo ny hetsika manosika ny olona iray hanao zavatra. Ny fahitana fako miparika eny amin'ny arabe dia mikitika ny fisainan'ny olona mba handray andraikitra. Ny safidy sy ny talenta izay nomen'Andriamanitra ny tsirairay no mamaritra ny fivoarana na tsy ho an'ny olona iray... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy manaiky ny fanaratsiana atao amin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena amin'izao fotoana izao ireo solombavambahoaka voafidy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana. Misy ambadika politika mantsy izany hoy ny solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Ifanadiana... ♦ Hampiasaina amin'ny fiara fitanteram-bahoaka indray ny karatra mena, rehefa tsy niasa intsony ny karatra maitso. Tetik'asa hisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona fivezivezena malalaka... ♦ Kapila mangirana osoka miisa 5.000isa no nodorana tao amin'ny Fokontany Morondava kaominina Antehiroka. maro no efa voasambotry ny BAP...
Maniry fatratra ny Eglizy Reny mba ho voatarika amin'izany fandraisana anjara feno, amim-pahatsiarovan-tena sy amim-pahavitrihana amin'ny fankalazana Litorjika izany ny mpino rehetra, izay angatahin'ny fomba ny litorjia. Kanefa tsy mitovy raharaha ny ratsambatana rehetra satria misy ireo natsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana manokana amin'ny alalan'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco