♦ Nankalaza ny faha 80 taona nijoroany ny sabotsy teo ny Skoto zazavavy katôlika na ny Fanilon'i Madagasikara. Nankalazaina omaly ny faha-50 taonan'ny Fivondronan'ny Fikambanam-behivavy Katolika eto Madagasikara, tamin'ny alalan'ny Sorona Masina... ♦ Sambany no tsy nahitàna marary lavon'ny Covid19 ny herinandron'ny 16 Avrily hatramin'ny 22 Avrily lasa teo. Mbola misy 31 ireo tranga vaovao ka teto amin'ny faritra Analamanga avokoa ny 30 tamin'ireo ary tany Atsinanana ny iray... ♦ Mbola mihaodihaody ao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika ilay rivo-doza Jasmine...
Ny fiangonana dia manabe ny olona mba hikajy ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanentanana hamboly hazo sy hanena ny fanapariahana loto amin'ny rivotra. Ny fiangonana dia miahy ny vahoaka nankinina taminy, amin'ny alalan'ireo tolo-draharaha toy ny fitsaboana, ny fitaizana ireo zaza kamboty sy ny sembana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alatsinainy 25 aprily 2022 — Masindahy Marka, Evanjelista — Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20
Ny fiangonana dia manana tanjona ho fampivoarana amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fanofanana. Ny Sekoly katôlika dia misandrahaka amin'ny faritra maro eto amin'ny firenena. Ny fiofanana atolotry ny fiangonana dia mahasahana seham-pihariana maro toy ny asa-tanana, ny fambolena ary ny fiompiana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco