Talata 28 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 8, 23-27

♦ Feno 26 taona katroka anio ny Radio Don Bosco. 26 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly, nanabeazana ny sokajin'olona rehetra, nampahalalana vaovao sy ny zava-niseho rehetra teto amin'ny firenena... ♦ Nanakoako ny fanamarihana ny Fetim-pirenena omaly. Entintsika eto amin'izao vaovao izao ny fety nankalazana izany teny Mahamasina... ♦ Olona enina no naratra, nipoahan'ny afomanga tany Mananara Avaratra, nandritra ny fanamarihana ny Fetim-pirenena ny sabotsy hariva teo. Tsy nipoaka teny am-panidinana ny sasany tamin'ireo afomanga...

Ny olomp-pirenena sy ny fanjakana dia hamporisihina mba handray anjara amin'ny fiainam-bahoaka : amim-pahavitrihana. Ny fandraisana anjara amin'ny fiainam-bahoaka dia miova araka ny tany sy kolo-tsain'ny mponina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 27 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...