Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Alakamisy 10 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12
♦ Misy amin'ireo sekoly tsy miankina no mitaraina amin'ny fahataran'ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina hiatrika fanadinam-panjakana... ♦ Tsy tokony ampitoviana ny firaisan-kinan'ireo firenena mitsipaka ny fanafihan'i Russie an'i Ukraine, sy ny tsy fisian'ny firenena manohana an'i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo Nosy Malagasy, hoy ny Vondrona Eorôpeana... ♦ Trano fitopolo tafo no noravana androany maraina, tany Ambalamanasy Toamasina...
♦ Vola 100 000 dôlara avy amin'ny vahoaka Amerikana, no natolotry ny USAID hanampiana malagasy traboina, hatrany amin'ny 9 000 isa... ♦ Tsy mbola nahazo onitra ny amin'ny trano horavaina sy ny tanimbariny ho ampiasaina amin'ny fanamboaran-dalana any Ankililaoky ireo mponina any anefa afak'omaly ny fotoana nomena azy ireo handrodanana izany. Miantso vonjy amin'ny fitondram-panjakana ireo olona lasibatra... ♦ Mafampana amin'ny resaka fakana ankeriny sy ny asan-dahalo indray ny tapany avaratry ny kaominina Ankazobe izay mifanila sisin-tany amin'ny distrika Anjozorobe...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco