♦ Mbola arahi-maso akaiky ny fivoaran'ilay rivodoza Gombé, satria mbola tsy lavitra loatra an'i Madagasikara ny ivony amin'izao maraina izao... ♦ Ampitomboina ny fanampiana ny vehivavy manerana ny nosy, ary hiara-hisalahy manokana amin'ny fanantanterahana izany amin'ny ministeran'ny mponina ny filoham-pirenena... ♦ Tsy azon'i Madagasikara atao ny manakana an'ireo mpandeha mandray ny sidina iraisam-pirenena tsy hitondra valizy misy kodiarana sy solosaina hoy ny Ministry ny fizahan-tany...
Ny zava-misy dia tsy hioty afa-tsy ampahany kely amin'ny vokatr'izay hafafintsika isika, araka ny ohabolana ao amin'ny Evanjely hoe : "hafa ny mamafy, hafa no mijinja" (Jo 4, 37). Fa eo am-pamafazana ny soa ho an'ny hafa no handraisantsika anjara amin'ny halemem-panahin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb
Alarobia 9 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco