Alatsinainy 7 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46
Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. Koa dieny izao mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra (Gal6, 9-10a). Ny karemy izay fotoana fihavaozana ho an'ny tsirairay dia mitantana antsika ho any amin'ny Pakan'i Jesoa Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Alahady 6 marsa 2022 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 1-13
Misy fizarana sivy ny faritry ny kibo, ka samy hafa, araka izay faritra ahatsapana fanaintainana ny aretina mety mahazo ny olona iray. Ny fizarana sivy : mizara telo amin'ny tsanganana, avy eo ambany nono hatreo amin'ny valahana, ary mizara telo ihany koa ny avy amin'ny lafiny avia miankavanana ; somary lehibe kokoa ny faritra afovoany rehetra manandrify ny foitra. Ny fanaintainana amin'ny faritry ny kibo dia tsy aretina fa soritr'aretina. Ny karazan'ny fanaintainana : manindrona, mavesatra, manotika, miolana...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco