♦ Miatrika "Chapitre provincial" ety Ivato, hatramin'ny alahady izao, ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice... ♦ Hisy indray ny hetsika "Université Morte" hataon'ny Sendikan'ny Mpampianatra mpikaroka manomboka ny alatsinainy izao... ♦ Efa eny anivon'ny Bianco ilay fitorian'ny Randrana Sendikaly, ny Tale jeneralin'ny CNaPS sy ireo mpikamban'ny Filankevi-pitantanana, momba ilay fivoahan'ny volabe tao...
♦ Ny telo tamin'ireo Minisitra vaovao fito ao anatin'ny Governemanta ankehitriny no efa nanatitra ny fanambaram-pananany teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Tranga herisetra ara-nofo sy fanolanana enina no voarain'ny firaisamonim-pirenena Nifinakanga, tamin'ny taon-dasa tany amin'ny Faritra Atsinanana. Very an-javona avokoa anefa ny fitoriana mikasika ireo raharaha ireo rehefa tonga teny anivon'ny Fampanoavana...
Raha vao mitsidika ny telovolana fahatelo dia efa ny fanadinana famaranana taom-pianarana sy ireo fanadinam-panjakana isan'anmbaratongany no mby ao an-tsaina. Mandritra ny taom-pianarana manontolo no hanomanana ny fanadinana famaranana, fa fanamafisana sy fanantitranterana no atao amin'ny famerenana ankapobeny.
♦ Tetikasa roa mitentina 534,9 tapitrisa dolara no natao sonia tany Washington, DC, afakomaly. Ny iray iarahan'i Madagasikara amin'ny Banky Iraisam-pirenena, ny iray kosa entina miatrika ny valan'aretina Covid-19... ♦ Ampy ny famatsiana solika eto Madagasikara. Efa nigadona tany Toamasina omaly ny sambo nitondra ireo solika nafarana, mahatratra 74 tapitrisa litatra... ♦ Tsy azo ihodivirana intsony ny fampiharana ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara, manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco