Ry kristianina havana, sabotsy ny andro, dia mahatsiaro manokana an’i Masina Maria isika mianakavy, ilay Reny nanatri-maso ny fijalian-janany, ary niara-namakivaky taminy ny lalana mankany Kalvery. Reny, niaina ny fanenjahana, fiafiana, ranomaso sy fanalàm-baraka, nanomboka tamin'ny nanaovany hoe « ENY » teo anatrehan’ny Anjely, nitazona ny teny nomeny ka nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho famonjena antsika olombelona.

Sabotsy 5 marsa 2022 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32

♦ Mahaliana ireo mpandraharaha sy orinasa frantsay ny hampiasa vola eto Madagasikara. Mampisalasala azy ireo kosa anefa ny resaka angovo, ireo haba sy hetra isan-karazany... ♦ Kasain'ny mpitantana ny Tananan'Antananarivo ho tapahana ny fampanofana trano ireo mpiasan'ny Kaominina, tamin'ny alalan'ny bail emphytéotique...

♦ Mitondra antsika amin'ny fanantenan'ny fitsanganan-ko velona, ny fanombohantsika ny Karemy amin'ny lavenona, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Famantarana sy fahafahana ny fahalavan'ny andro iainana, hoy ny Papa François... ♦ Niombom-peo sy nanamafy ny antson'ny Papa François, ireo Kardinaly mandrafitra ny Curie Romaine, mba hivavahana ho an'ny fandriampahalemana

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...