♦ Natokan'ny Fivondronamben'ny Eveka Katôlika eto Madagasikara hivavahana manokana ho an'ireo Malagasy havana matin'ny loza samihafa nitranga teto amin'ny firenena, ny andron'ny talata 28 desambra... ♦ Nisokatra nanomboka androany, mandray an-tanana ireo mararin'ny Covid-19 "forme modérée" ny CTC eny Soamandrakizay... ♦ Mitaky ny tsy hampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fananan-tany, nolanian'ny parlemantera tamin'ity taona ity sy nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly...

Raha niresaka tamin'ny pretra sy ny relijiozy ny Papa tamin'ny fitsidihana teto Madagasikara dia nanamarika fa maro ny olana eo amin'ny fiainan'ireo pretra sy relijiozy ireo. Ny fotoana rehetra, ny toerana rehetra dia tsy maintsy hitoriana ny vaovao Mahafaly, toa tsy ampy hatrany ny pretra ary misy ny fiangonana any ambanivohitra aza tsy mahazo lamesa mihitsy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

♦ Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kitsim-po ny olona rehetra, izany hoe atao an-kahalalahana, am-pahamarinana, sy am-pitiavana... ♦ Tsy ho tanteraka ny "fiarahan-dia" ataontsika raha tsy mifototra amin'ny fiaraha-mihaino ny Tenin'Andriamanitra sy ny fankalazana ny Eokaristia...

Alatsinainy 27 desambra 2021 — Masindahy Joany, Apôstôly, evanjelista — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...