Alakamisy 19 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14
♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo mpisehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara, manohana an'Andriamatoa Randrianasolo Brice, ho minisitra. Maro ireo sokajin'olona ho very tombon-tsoa, hoy izy ireo, manoloana ny fanendrena ka manao izay fara heriny manaratsy azy... ♦ Hanarina amin'ny fomba haingana, ireo lemaka fambolem-bary, sompitry ny vary eto Madagasikara, no isan'ny vaindohan-draharahan'ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, vaovao, Ramilison Harifidy...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata, ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: "Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra." Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: "Mangina ary mialà amin’io lehilahy io." Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: "Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny." Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy, ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana." Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany." Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo: "Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?" Ary hoy kosa i Jesoa taminy: "Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: "Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa." Dia notohiziny hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany."
Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco