♦ Hiparitaka eny anivon'ny CSB2 manomboka anio ny fanaovam-bakisiny fatra faharoa, ho an'ireo efa nitsindrona ny vakisiny Covishield farany teo. Roa volana sy tapany ny fe-potoana omen'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hanaovana izany... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenana ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo nosy malagasy. Milaza ny hanitatra ny hetsi-pitakiana manerana ny nosy izy ireo, manomboka izao...

Raha mamaky ny andininy amin'ny soratra masina ao amin'ny Boky Eksaody 3, 7-10, dia mipetraka ny fanontaniana hoe : iza tokoa no tena nanafaka ny zanak'Israely? Môizy sa Andriamanitra? Ny valiny dia tsotra Andriamanitra dia naniry ny hanafaka ny olony tany amin'ny tany Ejipta tamin'ny fanandevozana, ka i Môizy no natony fitaovana hahatanteraka izany. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy isidore.

Alarobia 18 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16

♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenena ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo "Iles éparses". Nilaza ny hanitatra ny hetsika izy ireo, raha nanao fanmbarana teny Andravoahangy Ambony, androany... ♦ Filaharam-be vao maraina androany, no hita tamin'ny fanombohan'ny fanaovam-bakisiny andiany faharoa teny amin'ny HJRA Ampefiloha. Naneho ny tsy fahafaliany, noho ny fahadisoam-potoana, ireo olona hatao vakisiny tonga vao maraina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...