♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka avokoa ireo volavolan-dalana dimy naroso nodinihin'izy ireo. Nifarana ny hariva teo ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa tamin'ity taona ity, ho an'ireo Antenimiera roa tonta... ♦ Natao ankamehana ny fandinihana sy ny fandanian'ny Antenimiera mpanao lalana ny volavolan-dalana momba ny tahiry malagasy ho an'ny fampiasam-bola mahaleo tena, hoy ny fiaraha-monim-pirenena, ka tsy mankasitraka ny fanafainganana ny fandaniana izany izy ireo...
♦ Hosokafana any Roma ny 09 ôktôbra 2021 izao ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Nomarihana tamin'ny 6 aogositra 2021 ny faha-20 taona naha eveka an'i Mgr Gaetani Di Pierro, evekan'i Farafangana... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny 6 aogositra teo i Sr Rafaraonisoa Blandine, Malagasy voalohany voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Masera Filles de Marie Axiliatrice, eto Madagasikara...
Manjaka ny fahapotehan'ny ala ao amin'ny tandavan'alan'Angavo, noho ny fanaovana tavy sy doro ala ka hanairan'ny mpiaro ny tontolo iainana ireo tompon'andraikitra handray fepetra. Tandindomin-doza ny famokarana manoloana izany hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, filohan'ny fikambanana FIKITAMA, FIkambanana KIadin'ny TAntsaha Mangoro. Miharitra mantsy ny renirano manondraka ny famokarana.
♦ Hifarana anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana. Nahemotra ho amin'ny 4 ora folakandro ny famaranana ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Mbola hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea anio tolakandro, ireo mpiadina nisafidy ny sokajy S sy L ary ny OSE... ♦ Efa misy ireo olona maty, vokatry ny hanoanana, any amin'iny Faritra Atsimo-Atsinanana iny...
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco