Tokony hohajaina sy hovelomina ny fombam-pivavahana lova-panahy (vavaka Rosaire, Lamesa, Hasivin'andro, fiatahana masina...), raha tsy manelingelina ny Litorjia. Ny Litorjia dia mitohy amin'ny asan'i Kristy, indrindra amin'ny Paka. Kristy dia miasa ao amin'ny Fiangonana ; ny Fiangonana no vatany, manohy ny asan'ny Famonjena... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Na loharanon'ny fiainam-panahy aza ny Litorjia dia tsy voafetra amin'izany ihany ny fiainam-panahy kristiana. Misy ny vavaka manokana, ny fandinihana masina, ny asa fiantrana, izay mitarika sy mivelatra avy amin'ny Litorjia. Ny mpino dia antsoina ho olon'ny Litorjia amin'ny fiainany manontolo. Ny fiainam-panahy dia tsy amin'ny fotoana fivavahana fotsiny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba hahafahana migoka ny fahasoavana amin'ny Litorjia dia ilaina ny fahavononana sy fo mahitsy ; izy mihitsy no lasa mizara fahasoavana. Ny Litorjia dia miteraka vokatra marina raha mandray anjara amim-pinoana sy amim-panahy ny mpandray anjara. Ny fahasoavana dia mitaky fanomanana (finoana, fitiavana, fibebahana)... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

9 novambra, alahady faha-32 tsotra mandavantaona - Fankalazana ny nitokanana ny Bazilika ao Latran - Fankalazana ny tenin’Andriamanitra : Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina. Ny Bazilika ao Latran dia Katedralin'ny Papa amin'ny maha Evekan'i Rôme azy, azo ambara ho tena trano lohan'ny Fiangonana eran-tany. Ankehitriny dia Latran ny Pape no manao ny Lamesan'ny Alakamisy-Masina hariva, ary manavao ny nataon'i Kristy nanasa ny tongotry ny Apôstôly ; tamin'ny 9 novambra 324 no nanokanana io Bazilika io. Latran : fiombonana, misterin'ny Eglizy tempoly, kristy ivon'ny fiainana...

Manana hasina ny ain'olombelona, natao ho hajaina sy harovana amin'ny fomba rehetra ; manana hasina ihany koa ny fahefana rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pinoana, ara-panjakàna, natao ho toavina. Very hasina ny fanjakàna izay sahy mandatsaka ain'olona, fa very hasina ihany koa ny vahoaka izay sahy manivativa sy manalabaraka ireo olona manana andraikitra, ray aman-dreny eo aminy sy ny fiaraha-moniny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Na zava-dehibe aza ny Litorjia dia tsy ampy raha tsy misy fitoriana sy fanabeazana finoana. Olona mino sy mibebaka no mankalaza ny Litorjia. Ny olona tsy mbola mino dia mila ampidirina amin'ny finoana amin'ny alalan'ny fitoriana ny evanjely sy katesizy, ary izay vao afaka mandray anjara amin'ny Litorjia, izay vokatry ny finoana... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny Eokaristia no fanenkem-pihavanana ataon'i Kristy amin'ny olombelona. Ny asa rehetra ataon'ny Eglizy dia mitodika amin'ny Litorjia ; ary avy amin'ny Litorjia no mivoaka ny herin'ny asa rehetra. Ny Litorjia no fo mitempon'ny Eglizy, loharano sy faratampony amin'ny fiainana Kristiana manontolo, fitiavana nasehon'i Jesoa Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny Litorjia eto an-tany dia fandraisana anjara amin'ny fiderana any an-danitra, miaraka amin'ny Anjely sy ny Olomasina. Na mbola miaina amin'izao tontolo izao aza isika olombelona, dia efa mandray anjara amin'ny Litorjia any an-danitra amin'ny alalan'ny fankalazàna ety an-tany. Ny Litorjia dia vavahady manokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ao amin'ny Litorjia, indrindra amin'ny Eokaristia dia i Jesoa Kristy no tena miasa : amin'ny endriky ny pretra manao ny fombafomba, amin'ny Sakramenta manome fahasoavana, amin'ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny vahoaka, amin'ny vahoaka mivory amin'ny anarany. Jesoa Kristy dia ilay tena Mpisorona sy Otely hanaovana sorona... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Amin'ny asa pastoraly indrindra ao amin'ny Litorjia ny asan'i Kristy dia mitohy ao amin'ny Eglizy. Amin'ny Litorjia i Kristy dia mampiray amin'ny tenany ny mpino ary ny Eglizy dia mandray anjara amin'ny asan'ny famonjena. Izany no mahatonga ny Eglizy antsoina hoe "Sakramentan'ny famonjena" amin'ny tantara. Ny Litorjia dia asa iombonan'ny Eglizy sy i Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny fanafahana ny olombelona sy ny fanomezana voninahitra an'Andriamanitra no tanjon'ny asa nataon'i Kristy. Izy no nampihatra izany tamin'ny fahafatesany sy ny fitsangany tamin'ny maty ; ny Litorjia dia mitohy amin'ny asa fanavotana nataon'i Kristy, asa fanavotana miasa amin'ny fotoana ankehitriny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny litorjia manavao amin'ny fombafomba masina dia tsy manimba ny fomba litorjika manan-danja izay efa ao amin'ny Eglizy tatsinanana sy tandrefana fa manaja sy manampy amin'ny fanavaozana azy. Ny tanjon'ny Sacrosanctum Concilium dia ny hanavao ny litorjia mba ho fanehoana mazava ny misterin'i Kristy sy fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...