Ny “temps de la création 2024" (Manantena sy mandray andraikitra miaraka amin’ny voahary rehetra) dia ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Laudato Si’. Isan’ny manamarika izany isika eto Madagasikara ary efa eo am-pametrahana ny Mouvement Laudato Si’. Amin’izao dia efa manana mpanentana Laudato Si’ eo amin’ny 60isa i Madagasikara izay miparitaka amin’ny diosezy maromaro. Hampivondrona ireo rehetra misehatra eo amin’ny fiarovana ny Tranobe iombonana, indrindra ny eo anivon’ny Fiangonana Katolika no tanjona voalohany mba hahazoana vokatra mivainga sy miantraika amin’ny rehetra.... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka. Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fianakaviana no sekoly voalohany ho antsika olombelona hatramin'ny fahaefa-taoantsika. Eo anivon'ny fianakaviana no manomboka ny fianarana ny fiainana : fitiavana, mandray ary mizara, fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, fianarana fitsipika sy lalàna. Na efa mandeha mianatra any an-tsekoly aza ny ankizy sy ny tanora dia mbola mitoetra ny andraikitry ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny alerzia dia tsy fahatantesan'ny vatana amin`ny akora, amin`ny ankapobeny tsy mampidi-doza ary misy eo amin`ny tontolo iainana. Ireo singa ireo, antsoina hoe "allergène", dia hita eny amin'ny rivotra, sakafo na fanafody indrindra indrindra. Misy karazany efatra amin'ny ankapobeny ny alerzia: ny alerzia amin'ny taovam-pisefoana, ny alerzia avy amin'ny sakafo, ny alerzia amin'ny hoditra ary ny alerzia noho ny kaikitry ny bibikely... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Mitàna anjara toerana lehibe amin'ny rohy voahary natoraly (écosystème naturel) ka miantoka ny ho avin'ny harena voajanahary ny kijàna, saingy tandindomin-doza ankehitriny. Asa raha fantatrao fa kijàna, ahitàna ireo karazana bozaka aman'ahitra isan-karazany, ny 65% amin'ny velaran-tanin'i Madagasikara...
Anisan’ny singa iray mandrafitra sy mampiavaka ny fanambadiana ny fahasamihafana, ary ny fiainan-tokatrano dia tsy afa-miala amin’izany. Koa mba ahafahana mikolokolo ny fiainam- panambadiana sy hisian’ny fiainam-pitiavana mirindra dia maro ireo singa tsara ho fantatra ao anatin’io fahasamihafàna io. Samy manana andraikitra manandrify azy ao anatin’izany na ny lahy na ny vavy, eny fa na dia ny fianakaviana aza... Fandaharana "miaina sy mitia" mba ahafahana mikoloko ny fifandraisana eo anivon’ny tokatrano, eto amin'ny radio Don Bosco.
Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fiovan'ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Manakorontana ny asan'ny sela io ka mamorona fivontosana maloto. Ny sela voakasiky ny homamiadana dia manimba ny sela manodidina azy ary manimba tsikelikely ny taova voakasiny. Ny sokajin'olona rehetra dia mety hararin'ny homamiadana, ary mety hakasika ny taova rehetra ankoatry ny volo sy ny hoho... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Tompon'andraikitra ny tsirairay mba tsy hanao kolikoly amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Samy tompon'andraikitra amin'ny izay mety ho kolikoly ny mpanome sy ny mpandray. Ny kolikoly dia fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindry azo lena ny fiaraha-monina ; fanomezana tombontsoa olona manokana... Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tambazotra FARMADA: Hatao manara-penitra ny fihofanana andrasaisan’ny daholobe anjara na ny “formation de masse” Miroso amin’ny dingana fanaraham-penitra ny fiofanana ny tambazotran’ireo mpampiofana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Namory an’ireo avy amin’ny ministera voakasika, ny avy amin’ny antenimieram-pirenena, ireo mpanapa-kevitra momba ny politika fampandrosoana ny eny ambanivohitra ary ny avy amin’ny ny vodrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia ny ben’ny tanàna, izy ireo ny 07 Septambra 2024....
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco