Ny fisotroana toaka tsy voalanjalanja dia mahatonga tsy fahatsiarovan-tena maharitra, io tranga io anefa mety ho antony hafaty olona iray raha tsy voasoroka. Tsy ny toaka ihany anefa fa izay zava-pisotro rehetra misy "alcool". Tsy miankina amin'ny fatran'ny taoka nosotroina ny mahatonga ny tsy fahatsiarovan-tena fa araka ny toe-batana. 30 hatramin'ny 45 minitra aorian'ny nisotroana dia tonga ao amin'ny aty ny toaka, ka mampiasa mafy ny aty sy ny sarak'aty, eo no voakitika ny famokarana "insuline" ilay manodina ny siramamy ao amin'ny vatana, isan'ny famokarana saropady indrindra ka mahatonga ilay tsy fahatsiarovan-tena...
Mifarana ny taona, tanterahina araka izany ihany koa ny tomban'ezaka ho an'ny zava-bitaa tao anatin'ny fandaharana EVA nandritra ny taona 2023. Notsiahivina ireo loha-hevitra noresahina ary noentina teo ihany koa ireo teboka tsara tohizana entina hanatsarana hatrany ny fandaharana. Niarahana tamin'ny vaomieran'ny Eveka momba ny Fianakaviana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Nifarana androany ny fandaharana Hirika tamin'ity taona 2023 ity. Fandaharana nanaovana jery todika ny vaovao nisongadina momba ny tontolo ambanivohitra. Ny zava-nitranga momba ny tontolo ambanivohitra ny volana janoary hatramin'ny volana jona 2023 lasa teo no hanaovana tamberina...
Mahaiza mametraka safidy sy manaja ny safidin'ny hafa mba hahatsara ny fiaraha-monina. Ny safidy izay nomen'Andriamanitra ny olombelona eo amin'ny fifandraisan'ny olon-droa na maro dia tokony azahoana vokatra tsara sy mahafa-po eo amin'ny andaniny sy ny ankilany na eo amin'ny mpifankatia na mpivady na mpianaka na mpihavana na mpiara-miombon'antoka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny toe-tsaina fototra entina miatrika fiainana no loha-hevi-dehibe noresahina nandritra iny taona iny : Fahaizana mandanjalanja, fahaizana manaiky sy miatrika fiainana, finiavana hanao ezaka ho fampandrosoana ny firenena, fametrahana toe-tsaina tia mifaninana, fanomezana hasina ny tena sy fanajana ny hafa, fitazomana ny teny nomena, fahaizana miaro sy mitantanana ny tontolo iainana mba ho lovain-jafy. Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham.
Isaky ny fety dia maro ireo olona na vondron'olona mety ho tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo. Ny fanapoizinana ara-tsakafo dia misy karazany roa : Misy kasinga nivadika poizina mihitsy ao amin'ilay sakafo, misy otrik'aretina na bibin'aretina ilay sakafo. Fambara : marary kibo, mandoa, mivalana... Ny fadiovan'ny mpahandro sakafo sy ireo mpanolotra sakafo na ny mpiara-misakafo dia isan'ny fototra mahatonga io fanapoizinana io ankoatra ny fahadiovan'ireo sakafo karakaraina. Ilàna fitandremana ireo sakafo mifono, amarino tsara ny daty sao efa tsy azo hoanina intsony, ireo sakafo am-bifotsy...
Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Manana ny toerana manokana ary manan-danja ny safidy eo amin'ny fanatsarana ny fiainana. Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny safidy ary mizàra maneho safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin-Ramatoa Margo. Ny fanomezana omena ny mpampianatra dia tsy tokony hiteraka fitanilana amin'ny fitantanana sy fanabeazana ny mpianatra. Ny fifohazan'ny fitiavana dia tsy misy lasitra na taona voafetra fa samy manana ny toe-pony ny olona rehetra. Amin'ny fitaizana ny zanaka dia mila manao ezaka ny ray aman-dreny na ireo tompon'andraikitra mba tsy handainga amin'ny mety ho famitàna zavatra iray. Tokony ho filamanatra foana ny raiamandreny sy ny mpampianatra...
Manan-karena amin'ny hazan-dranomasina sy hazan-dranomamy ny Faritra atsimo atsinanana saingy olana ho an'ny mpanjono madinika ny fahitàna lalam-barotra andefasana ny vokatra. Hita ao amin'ny Faritra atsimo atsinanana avokoa ny hazan-dranomasina fanondrana ary isan'ny manana ny kalitao tsara izy ireo. Ao no ahitana ny orantsimba na ny "langouste" tena tsara kalitao indrindra ka isan'ny ahondrana atsy La Réunion ny vokatra. Manan-karena patsabe sy patsamena ihany koa ity faritra ity...
Mba hampirindra ny fiainana ao an-tokontrano ao dia isan'ny fototra lehibe ny fametrahana sy fanaharana fitsipika izay mahakasika ny tsirairay mandrafitra ny atao hoe fianakaviana. Taloha dia toa-teny ny ray aman-dreny fa ankehitriny dia ny zanaka indray no mibaiko, ary teraka ho azy ny adiady. Ilaina ny mametraka fitsipika izay midika ho lamina harahina, io ihany koa no mari-pamatarana na mikendry soa iombonana ny mpikambana iray na tsia amin'ny hataony. Ny fitsipika dia : manampy ny rehetra, mampihena ny fifandirana, mampitombo ny fifanajana sy ny fifankatiavana, mampitodika amin'ny soa iombonana, manamafy ny fifampitokisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco