Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin'ny Distrikan'i Faratsiho Faritr'i Vakinankaratra i Nantenaina Casimir. Niofana manokana momba ny fitsaboana izy saingy nisafidy ny ivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana. Tanora nanovo fahalalana tao amin'i Papa Bio na Ranaivoarison Basil i Nantenaina Casimir. Kankana 2 tanana teo ho eo tao amin'i Papa Bio no niatombohany, roa taona lasa izay.

Ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina dia anisan'ny fanoitra iray entina hampivoarana ny fiainana andavan'andro. Ny fahasamihafana dia isan'ny mikolokolo ny fifankatiavan'ny mpivady : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" ary ny firaisan-kina no hery. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.

Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no tena antoky ny fivelaran'ny zanaka. Ny tokony ho fijerin'ny ray aman-dreny ny fampandraisana andraikitra ny zanany any an-tsekoly dia mifototra amin'ny fahafantarana ny lanjan'ny fampandraisan'andraikitra ary vonona hiara-hiasa amin'ny sekoly amin'ny fanohizana ny fanabeazana any an-tokantrano. Fampianarana ny ankizy ny andraikitra omena azy any an-tsekoly...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny tsy fahampian-drà dia ny tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra. Ny sela anatin'ny ra dia misy karazany telo : sela mena, sela fotsy, ary ny atao hoe "plaquette". Rehefa tsy ampy ny sela mena anatin'ny ra dia mitarika ny fidinan'ny tahan'ny "oxygène" ao anatin'ny ra sy ny taova manontolo, ary tsy araka ny tokony ho izy ihany koa ny famoahana ny "gaz carbonique". Fambara : hatsatra, reraka, fanina matetika, mangatsiaka ny ratsam-batana, marary andoha matetika... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Mbola malalaka ny lalam-barotra any ivelany ho an'ny vokatra tantely. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Lalam-pihariana atao laharam-pahamehana ao amin'ilay tetik'asa andiany farany iarahan'ny FFF FAO na ny Farm and Forest Facility sy ny Tranoben'ny Tantsaha ny fiompiana tantely.

Nankalazaina ny 11 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny marary ; nitondra hafatra ny Papa Ray Masina tamin'izany. Ny foto-kevi-dehibe ny hoe fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anatin'ny fiaraha-monina. Koa tsy tsara raha avela irery ny olona, ny mikarakara ny marary dia mikolokolo ny fifandraisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana.

Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny faha-11 febroary dia andro manokana hijerena sy hitsinjovana ireo marary rehetra, fa ny 12 febroary dia natokana ho an'ireo mararin'ny androbe. Ny hepatita dia areti-mifindra, izay aretina mpahazo ny aty. Ny asan'ny aty dia manadio ny ra, amin'ireo singa izay manampoizina ny vatan'ny olombelona, izay miditra amin'ny alalan'ny rivotra fohana sy ny maso-koditra, sakafo, firaisana ara-nofo. Ny hepatita dia fahasimban'ny aty vokatry ny zavatra misy poizina na otrik'aretina...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Misy fetra ny fampiasana ny saina, ny mihoatra dia mampikorotana ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia azo adika hoe : ny fananana saina afaka maneho sy manatanteraka ny fahaiza-manao, afaka miatrika ny fahasarotana mahazatra eo amin'ny fiainana, afaka mamokatra amin'ny asa atao sy afaka miaina sy milamina ao anatin'ny fiaraha-monina... Ny fahasalamana ara-tsaina dia mifampiankina amin'ny tontolo manodidina : asa, fiaraha-monina, ny fomba fiainana, fahasalamana ankapobeny. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.

Avy ao anatin'ny fianakaviana no hipoiran'ny olona mandray andraikitra. Ny fianakaviana dia sehatra iray hanabeazana sy hamolavolana olom-banona, mandray andraikitra. Ny fianakaviana no afaka mampahafantatra ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fampisehoana sy fampihainoana ny fampianaran'ny fiangonana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...