Ny lahabolana dia zava-kanto ventesina am-bava efa nisy teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ny soratra. Ny lahabolana dia misy isan-karazany na isam-paritra na isam-poko, ohatra : toakatoaka, jijy, saova, sokela. Ny lahateny dia teny maro harindra, natao na hovoizana loha-hevitra iray ary arindra anaraka rafitra. Ny lahabolana na efa misy noraiketina an-tsoratra aza dia mijanona ho lahabolana hatrany, ny ankoatra izay dia literatiora.

Ny kanto dia ireo izay miataka amin'ny andavanandro, manintona, mandresy lahatra, maningotra ny fo sy fanahy, mahafinaritra, mateza dinihana. Ny endriky ny kanto dia mety ho rafitra ary mety ho lalana. Ny kanto dia zavatra soa, tsara, mahasondriana. Ny olona mpikanto dia olona miangaly amin'ireto ho lazaina ireo : rafitrano, sary sokitra, hosododo sy mpanao sary, mozika, literatiora, fiangaliana seho an-tsehatra ary ny mpanao sarimihetska, 

Ny "samirery" sy ny "samy irery" dia samy fampiasa, fa ity farany dia entina hanambarana tranga mitovy amin'ny olona tokana itovizana amin'ny maro, izay misy fampitahana. Ny voambolana "Afaka" sy ny "Azo" hampiasaina araka izao manarika izao, araka ny fihafaran'ny filaza madidy ny teny manaraka azy : Raha miafara amin'ny "A" dia hampiasaina ny "AFAKA", ohatra : Tonga - Tongava - afaka tonga ; raha miafara amin'ny "O" na "Y" dia "AZO" no fampiasa, ohatra : Atao - Ataovy- Azo atao. Voambolana mitovy ihany ny  "TOA sy ny  TOY" fa hampiasaina ny "TOA" rehefa miatomboka amin'ny "A" ny teny manaraka azy.

Ny fandroana dia andro manan-daza tamin'ny malagasy ary saika ahitana izany ny faritra samihafa. Ny fandroana dia andro natao hidiovana, hialana amin'ny loza sy ny rofy, andro hifamelana. Ny fandroana dia mifototra amin'ny rano izay midika ho "aina". Misy ny fombafomba sy ny dingana hatao mandritra ny fandroanaka : voalohany, ny fiomanana, faharoa ny ivon'ny fandroana ary ny fahatelo dia ny fitodiana. Ny "temim-pandroana" dia didy ary ny "fo tsy haritra" no didy nanalefaka io...

Manamarika ny fandroana sy ny faran'ny taona malagasy ary ny taom-baovao ny famonoana omby volavita. Ny atao hoe " omby volavita" dia omby miloko mena ary ahitana loko fotsy boribory mihendrika vola : ny handriny, ny trafony, ny kibony andaniny roa, ny rambony ary ny tongony havia sy havanana. Ny fanasinana ny mpanjaka dia atao amin'ny taom-baovao amin'ny alalan'ny "vola tsy vaky" ka mandritra izany izy no mirary hasina sy soa ny tenany. Amin'ny maha andro lehibe ny fandroana sy ny taom-baovao malagasy dia misy ny fifampizarana sy fifanolorana zavatra maro samihafa toy ny "jaka" fanome ny anabavy, ny anadahy ary ny vehivavy. Manana anjara asa sy toerana lehibe ny vehivavy nandritra ireo fotoana ireo...

Mikasika : entina hilazana zavatra miantefa mivantana. Mahakasika : entina hilazana zavatra miantefa ankolaka. Momba : mifanakaiky hevitra amin'ny hoe mikasika fa mivelatra kokoa ny hevitry ny hoe momba. "Samihafa" no hampiasaina rehefa misy fitanisana karazana fa "samy hafa" kosa raha toa ka manao fampitahana. Ny voambolana " tahaka - noho - araka - momba " dia tsy miova naoviana rehefa soratrana. "Anio" fiteny rehefa hiresaka ny ho avy, "androany" miteny izay efa lasa.

Ny literatiora dia teny eninta maneho hevitra sy/na fihetsem-po atao amin'ny fomba kato, am-bava na an-tsoratra. Ny literatiora haren-tsaina azo kirakiraina sy tahirizina. Ny literatiora dia avy amin'ny teny latina hoe "Literae" manana hevitra hoe "soratra" avy amin'izany no nahazoan'ny frantsay ny hoe "littérature" ka nadikan'ny malagasy ho "literatiora". Samihafa ny Ohabolana ny oham-pitenena, ny slam sy ny riankalo ary ny tononkalo. Lahabolana safiotra ny Tôkalo...

Ny 21 febroary no andro nofaritan'ny UNESCO hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny. Nanomboka tamin'ny taona 2000 no nanombohana ny fanamarihana izay atao isan-taona. Ny lohahevitra dia ny hoe : Fampiasana teknolojia amin'ny fampianarana mifototra amin'ny fiamaroan'ny teny : fanamby sy soa fanararaotra. Ny fitsipi-pitenenana dia adika amin'ny teny frantsay hoe "grammaire", ary ny fitipi-panoratana dia "orthographe". Ny teny dia fitaovana ampiasaina hifandraisana ao amin'ny firenena iray, fa ny fiteny dia ny fomba hanehoana ilay teny izay misy isam-paritra...

Ny riba dia ilazàna ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin'ny firenena iray. Ny riba dia notovozina avy amin'ny tenim-paritra izay midika hoe "rindrina" na "fefy". Ny fomba dia singa iray ao anatin'ny riba. Misy ny fomba amam-pihetsika sy fanao no efa ao anaty voajanahary "tsiripahalalana latsaka anaty" fa misy koa ireo tefena sy tovozona eny amin'ny tontolo manodidina izay voafaritra ho riba.

Filira : fandaharana isan-kerinandro, hivohizana ny maha malagasy. Fandaharana iresahana : fitsipika, literatiora, riba. Ny tanjona dia ho fanabeazana sy fitaizana. Misy fandraisana "SMS" sy "Antso" mivantana. Fitsipika : hiresahana ireo fomba fanoratra, fiforonan'ny teny, ireo fiteny marina. Literationa : fanazavana ny atao hoe Kanto, literatiora isam-paritra, kabary... Riba sy ny fomba toy ny fanorenana trano, famorana... Fandaharana iarahana amin'ny Akademy Malagasy sy ny mpanentana Tsilavina-Jules.

Tsy an-tery fa teraky ny fo sy ny saina, fitia te hanandratra ny kolontsaina maha Malagasy. Izay no antony nanosika anay eto amin'ny rdb ,hamerina indray ny fandaharana natokana ho an'ireo Mpanakanto. Mahazoa fahafinaretana ary eo am-pihainoana!

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...