Ny fombam-pitenenana dia andian-teny na fehezan-teny na kamban-teny, miainga avy amin'ny fiheveran'ny olombelona iray, izay tsy maintsy misy loharano nipoirany ; tsy voatery hisy hafatra na hanatra na fitsipika. Mba ahafantarana ny teny marina sy ny diso momba ny fombam-pitenenana iray dia ilaina fantarina : inona no antony nahatonga io, oviana no nitranga. Raha hiroso amin'ny famoronana fombam-pitenenana ny olona iray dia tokony hifanaraka amin'ny sehatra, ny fotoana, ary mahatety vanim-potoana. Ohatra : Valala fiandry fasana. Biby tsy manan-doha tsy mandeha. Miteraha fito lahy, fito vavy... Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny Foibe momba ny Teny, ny Akademy Malagasy.

Ny fanabeazana feno dia mahakasika ireto telo ireto : vatana, saina ary fanahy. Ireo voambolana telo ireo dia manan-danja amin'ny sehatry ny fanabeazana. Ny fanahy dia fototry ny filôzia malagasy. Ny fanahy ambara amin'izany dia : fototry ny fahafenoana, toetra, ilay tandindona miala sy misaraka amin'ny vatana aorian'ny fahafatesana, ilay fepetra sy sata maha-olona. Ny fanahy dia azo adika ho sary sy tohin'ny saina. Ny teny - fihavanana dia ilaina amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiaraha-monina mba ahafahana mandrindra fifandraisana dia eo ny teny verin-droa sy ny fampiasana tambin-teny... Ny hasina dia hery mahefa, mila hajaina, misy fady, fanomezam-boninahitra, hiorenan'ny maha-firenena toy ny teny...

Araka ny finoan'ny Malagasy dia mandeha ary mifindra any Ambondrombe ny fanahin'ny olombelona iray aorian'ny fahafatesana. Ho an'ireo foko any amin'ny faritra atsimo toa ny ao Amboasary-Atsimo, Bekily, Ejeda, Ambatomika dia misy ny atao hoe "mifoha maty" io ilay fantatra amin'ny hoe "maty im-pito" ; amin'ity tranga-piainana ity dia tsy misaraka amin'ny vatana ny fanahy. Ny teny malagasy dia vata fitehirizana ny soatoavina,ny fahendrena, ny kolontsaina ary ny riba. Ny "Ho" tia mariky ny filazam-potoana ho avy ; hatambatra amin'ny teny manaraka azy raha toa ka matoanteny fototeny no hialohavany. Fandaharana "Filira" sokajy "Fitsipika" iarahana amin'ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy...

Ny vodiondry dia fanajana ny ray aman-drenin'ny vehivavy sy fanomezam-boninahitra. Fomba malagasy hanamarihana ny fifamatorana ara-panambadiana. Ireo dingana hatao hatanteraka ny vodiondry tamin'ny fomba malagasy dia : voalohany indrindra ny fanapahan-kevitry ny lahy sy ny vavy hifanambady, faharoa dia ny Fitadiavana andro tsara hanatanterahana ny fomba, fahatelo dia ny fiantranoana na fihaonana amin'ny fianakaviana izay misy kabary, ary fahaefatra farany dia ny fanatanterahana ny vodiondry. Ny fotoana fanatanterahana ity fomba ity dia matetika amin'ny volana mifanandrify amin'ny tonom-bitana : Alahamady, Asorotany, Alahasaty ary ny Asombola ; ho an'ireo maty vady te hanorona tokantrano kosa dia ny Alakaosy...

Ny fiaraha-monina malagasy dia isan'ny niaina tao anatin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny angano, ka araky ny angano Merina sy Bara ary Betsileo ; ny vehivavy dia avy any an-danitra fa ny lehilahy no avy ety an-tany. Manana anjara ho mpanelanelana ny olombelona amin'Andriamanitra noho izany ny vehivavy. Eo amin'ny fomba malagasy dia manana ny hasiny ny vehivavy, misongadina kokoa izany amin'ny fahaterahana, ny famoràna, ny sambatra ary ny fandroana. Ny fanjakana nisy teto Madagasikara dia nampihatra ilay atao hoe fanjakana harindra izay mifototra amin'ny vehivavy. Ny fitondrana nifandraharahana tamin'ny vehivavy dia nahitana filaminana. Andrianampoinimerina no isany nandrara ny famonoana vady na vehivavy...

Ny hoe "tôkatôka" dia fitanisanisana na fanonontononana na filazalazan-javatra, izay hiraina na tononina fotsiny. Iray amin'ireo karazan-dahabolana malagasy, zavakanto vita amin'ny teny. Ny Betsimisaraka no tompony ary mpiangaly ny tôkatôka. Tsy mivoana amin'ny zavatra hita sy iainana eo amin'ny andavan'andron'ny fiaraha-monina ny venti-kevitra tanisanisaina sy tonontononin'y mpitôkatôka : mitsikera endrika aman-toetra (olona, biby, zavatra). Fanaon'ny Betsimisaraka amin'ny fotoam-pilanonana ny tôkatôka ary mifanidran-dalana aminy eo mandrakariva ny ôsiky, izay hira nentin-drazana Betsimisaraka ; miaro dihy, tehaka, fivelezana faray.

Marihina isaky ny faha-21 febroary, isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an'ny teny ibeazana. Ny UNESCO no isan'ireo nankatoa io andro io, vokatry ny tolona nataon'ireo olona tany Bangladesh, hampiasa ny teny ibeazana eo anivon'ny fiaraha-monina nisy azy tamin'ny taona 1952. Mifamatotra ny teny ibeazana sy ny kolontsaina. Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ity taona ity : "Fanabeazana maroteny, antoka hampivoarana ny fanabeazana" ho fanamarihana io andro iraisam-pirenena io dia namaritra loha-hevitra ihany koa i Madagasikara dia ny hoe : "Ny anjara toeran'ny fitenim-paritra eo amin'ny fanabeazana". Hisy fanamarihana manokana izany eny amin'ny foiben'ny Akademy Malagasy eny Tsimbazaza ny talata 21 febroary 2023...

Ny velon-dray aman-dreny dia  manana ny anjara andraikiny teo amin'ny fomba malagasy. Ny zavatra volena dia misy tandindona orim-bitana ; ohatra ny fambolena akondro dia mifamatotra vintana amin'ireo teraka  volana Oktobra-Novambra na ireo alakarabo. Ara-tantara ireo olona atao hoe "Vazimba" dia ireo terak'olona avy ao Anteroka. Ny voambolana ampiasaina amin'ny famangiana mana-manjo dia miova araka ny fotoana sy ny fifandraisana amin'ny ireo vangiana : ho an'ny mpiara-monina akaiky dia solon-dranom-bary tsy masaka ; ireo olona avy lavitra dia singan-dandy ; raha aorian'ny fandevenana vao mamangy dia fao-dranomaso na zara levenana no filaza ireo tolotra fanome...

Ny hoe "velon-dray aman-dreny" dia ireo manana ray sy reny, samy mbola velona na misara-toerana aza. Ara-tantara dia hatramin'ny nanjakan'Andriamanelo, nandalo tamin'ny fitondran'Andriamasinavalona ary hatramin'ny nanjakan'Andrianampoinimerina, no nisy sy nanana ny lanjany ary ny voninahiny ombana hasina ny "velon-dray aman-dreny"...

Tsy mitovy ny atao hoe "valy tanana" sy ny "atero ka alao" : iry voalohany dia hita matetika amin'ny lafiny arak'asa hamitàna asa iombonana hifamaliana ; itsy faharoa kosa dia fanehoana fifankatiavana sy fifanankalozana amin'ny alalan'ny fifamaliana fitia amin'ny alalan'ny tolotra izay mety ho zavatra, vola na fitia sy fifanampiana. Ny hoe "atero ka alao" dia mihevitra filaza mandidy, mandrisika ny olona hifanampy. Ny "atero ka alao" dia hifanaovana na an-kasoavana na an-karatsiana. Amin'izao fotoana dia mifono fifampitokisana izany satria mihitatra amin'ny fifanomezana vola na zavatra...

Ny fanabeazana dia miompana amin'ny lafiny telo : vatana, saina, fanahy. Ny lafika iorenan'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho vanona dia ny "soatoavina". Teny no maha firenena ny firenena iray, etsy ankilany anefa mbola ahitàna fampifangaroana teny ny eny amin'ny tontolo hita maso sy ny re, izay no mahasarotra ny fampiasana tanteraka ny "teny malagasy" ; eo koa ny halavan'ny voamboalana malagasy tandrify ireo teny vahiny. Appel = Antso anarana. Registre = Bokin'anarana. Protége = hefina. Porte-documents = hefin-takelaka. Blouse = Hefin'akanjo. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.

Ny voambolana "Hefina" sy ny "Aro" dia misy heviny maha samy hafa azy. Ny hefina dia fiarovana mba tsy ho voakasika isany fifampikasoana malefaka, ohatra hefin'akanjo (blouse); ny aro kosa dia hampiasaina indrindra amin'ny izay tsy havoa ny loza na dona na ako zavatra iray, ohatra arokòna na arodona (pare-chocs).  Ny tovona "hay" dia entina hanamarihana fahaizana mifehy zavatra iray, ohatra Haitao vaovao. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...