• Tara 5 taona Madagasikara amin'ny firosoan'ny mpitondra hanome vahana ny famokarana eny ambanivohitra. Tsy nanana finiavana hanao izany ezaka izany ny mpitondra tamin'ny fe-potoan-kiasan'ny voalohany ny filoha mitantana ny firenena amin'izao fotoana izao hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Hanomboka hizara amin'ny fomba ôfisialy ny masomboly safiotra na ny riz-hybride ny filoham-pirenena. Efa eto Madagasikara ny masomboly 200 taonina nafarana avy any Chine...
  • Tsy ho tratra ny fanambin'ny mpitondra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara raha tsy misy fandraisana andraikitra manoloana ny fanabeazana sy ny fampianarana hoy ny kônfederasiônan'ny SEMPAMA...
  • Voatendry ho filoha mpisolo toerana vonjimaika any Syrie Andriamatoa Ahmad Al-Chareh, izay nandray ny fitantanana an'io firenena io taorian'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 8 desambra 2024...

Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Mbola hitohy anio ny hamafin'ny rivotra any amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy. Tany atsimo andrefan'i Itampolo ao amin'ny Distrika Ampanihy omaly tolakandro no nisy ny foiben'i Elvis...
  • Nihaona nivantana tamin'ny tale jeneralin'ny JIRAMA sy ireo tale mpiara-miasa aminy ny Federasiônan'ny Mpiaro ny Zon'ny Mpanjifa. Tsy ho zakan'ny vahoaka ny delestazy sy ny tsy fahampian-drano hoy ireto farany...
  • Nisy fivoarana azo tsapain-tanana ny fampiharana ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra tamin'ireo sekoly niasan'ny tetik'asa SCORE II nandritra ny fizohiana sy ny fanaraha-maso nataony teo anivon'ny sekoly niasany...
  • Hanohitra ny fanafiham-bohitra ataon'ny miaramila mpioko tohanan'i Rwanda ao Goma ny tafi-panjakàna any RDC. Nikabary nanoloana ny vahoakany ny filoha Tshisekedi manoaloana ny zava-misy any Goma...

Mba ho mpivavaka marina sy feno zotom-po, dia ilaina ny fahaizana mandrindra fotoana eo amin'ny fiainana andavanandro. Tsy mety raha omena vahana ny hakamoana sy ny hakiviana, indrindra amin'izay fahasoavana angatahintsika manokana. Matetika dia ny tsirambina vokatry ny tsy fanomanana tsara ny fandinihana na fibanjinana no miteraka ny tsy fahombiazana na hamainana anaty... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Tany amin'ny manodidina ny 145 km andrefana somary atsimo andrefan'Itampolo, Disitrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'i Elvis, tamin'ny 3 ora tolakandro teo...
  • Tokony havondrona ho iray ireo ray aman-dreny rehetra mahatsiaro ho manana adidy amin'ny firenena, hoy ny antoko VHT...
  • Efa misy ireo asa mivaingana notanterahana eto Madagasikara, mikasika ny fanomezan-danja ny angovo azo avy amin'ny fanodinana ny fako...

  • Tafakatra 11 isa ireo olona varira namoy ny ainy tamin'ny tranga fakana an-keriny niseho ny taona 2024 iny ary ankizy iray hafa mbola tsy hita popoka raha ny fanadihadiana natao tamin'ny Fikambanan'ny Varira eto Madagasikara...
  • Mila hajoro eny anivon'ny Fokontany ny atao hoe "auto-défense Villagéoise" hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana hoy ny tolo-kevitry ny solombavambahoaka Rajerison Antoine...
  • Ho fantatra amin'ny zoma izao fara-fahatarany ny anaran'izay ho mpanazatra vaovaon'ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny taranja baolina kitra na ny BAREA A. Anaranar roa no miverimberina amin'izany...
  • Mihamafy hatrany ny fifandonana eo amin'ny tafi-panjakàna any amin'ny RDC sy ny mpihoko mitam-piadiana M23 izay tohanan'ny fitondrana Rwandais...

Ny reny dia isan'ireo manana andraikitra lehibe ao an-tokantrano, noho izany mba mila manana fotoana hialana voly izy. Ny fialam-boly dia fiatohana afahana mamerina ny hery ho entina miasa na mihetsika indray. Ny fialam-bola ihany dia fialana amin'ny asa fanao andavanandro, ialana amin'ny harerahana, hanovozana hery vao. Ny fiatohana dia fotoana afahana mankafy izay natao. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Olona miisa 8 no tra-tehaky ny avy amin'ny zandary sampana misahana ny heloka bevava eny Fiadanana noho ny resaka halatra sy fanapohana solika tany amin'ny lalam-pirenena RN2...
  • Kaominina miisa 9 amina Faritany miisa 3 eto amin'ny nosy no hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna, tokony hanaja ny tany tan-dalàna ny Fanjakàna ka hanomana ny famerenana ny fifidianana hoy ny sampana hanaraha-maso SAFIDY...
  • Isika eto Madagasikara no mampiantrano ny atrik'asa andiany faha-30 momba ny vinavinan'ny taom-pahavaratra 2025 ho an'i Afrika na ny SARCOF-30 amin'ity taona ity...
  • Nametra-pialana omaly talata ny praiministra lehiben'ny governemanta Serbe, Milos Vucevic, taorian'ny hetsi-bahoaka naharitra 3 volana nitaky ny fametraham-pialany...

Misy ezaka toa tsy misy vokany, toa mangina Andriamanitra, ary izany dia mahatonga fahamainana. Noho izany dia kivy isika fa hoe tsy mivaly ny vavaka. Andriamanitra dia eo amin'ny fiainantsika mandrakariva, mankahery antsika ary mihaino ny vavaka ataontsika. Aza kivy na reraka fa aoreno ny finoana an'Andriamanitra, aoka hanana faharetana isika rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Tany amin'ny manodidina ny 170 km atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika, tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Mety hitombo hery miandalana izy ao anatin'ny 24 ora ka hivadika ho rivodoza...
  • Tokony hanaja ny tany tan-dalana ny mpitondra ka hanomana ireo fifidianana teny anivon'ny kaominina didian'ny Fitsarana misahana ny ady atao amin'ny fanjakana averiny, hoy ny Sampana Anaraha-maso SAFIDY...
  • Miteraka disadisa eny anivon'ny fiaraha-monina ny fifindra-monina mahakasika ny faritra atsimo sy Menabe. Ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny rano ary ny toerana handraisana mpifindra monina no antony...

8 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona— Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

7 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...