Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 1-10)
Ry kristianina havana,
fahiny dia matin’ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo,
ka izany no nizoranareo nanaraka ny satan’izao tontolo izao,
sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra,
dia izay fanahy miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy finoana.
Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa ny toetranay rehetra
fony izahay nanaraka ny filan’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray,
ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo.
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria noarìny.
Sy tena vahoakany ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo; ny anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?”
Ary hoy Izy tamin’ny olona:
“Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo,
fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.”
Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe:
“Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray,
ka velona eritreritra toy izao:
‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?
Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy:
horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho,
dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe:
Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao
ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.’
Fa hoy kosa Andriamanitra taminy:
‘Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao,
ka ho an’iza àry izay novorinao?’
Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany,
fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hivoaka anio ny lisitr'ireo kandidà ben'ny tanàna sy mpanolontsaina afaka hifaninana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao. Ho hita amin'ny tranokalam-pifindraisan'ny CENI foibe izany... ♦ Nifarana ny fotoam-piasàn'ny PDS-n'Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, noho izy nirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna. Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny iray volana izy, omaly... ♦ Fianakaviana 7 no nisantatra ny famindran-toerana ireo tokan-trano marefo ara-pivelomana any Fieferamanga Arivonimamo. Famindran-toerana, tafiditra anatin'ny tetik'asa Ankohonana Miarina... ♦ Olona 70 farafahakeliny no maty tany afovoan'i Haïti, vokatry ny fanafihana nataon'andian'olona mirongo fiadiana...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 53, 10-11)
Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana,
dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka,
ary ny tenany hivesatra ny helok’ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 32. 4-5. 18-19. 20 sy 22
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo ahìny,
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny taona mosarena.
Izahay manantena ny Tompo
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho eo aminay matoky anao!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16)
Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilantsika izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”.
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy hoe:
“Zakanay”.
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”.
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 42-45)
Tamin'izany andro izany,
i Jesoa niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nilaza hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mis tsindry atao amin'ireo solontenam-panjakàna amin'izao fifidianana izao. Manahy izy ireo fa hafindra toerana, raha tsy lany ny kandidàn'ny fitondràna, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Niravona ny disadisa anatiny teo anivon'ny Vovonana Firaisan-kina. Niezaka nifandamina izy ireo, nandritra ny fivorian'ireo mpitarika teny Faravohitra, omaly... ♦ Manao antso amin'ny fitondràna mba tsy hanaraka ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, hampiakarana ny vidin-jiro sy ny vidin-tsolika ny SSM. Nanao fanambaràna momba izany izy ireo... ♦ Mbola mitohy foana ny fifanandrinana eo amin'ny Israelina sy ny Hezbollah libanais...
Mialohan'ny nananganan'i Jesoa ho velona an'i Lazara dia nitodika tany amin'Andriamanitra Ray Izy nisaotra noho ny Ray nihaino Azy zanaka ; araka izay voasoratra hoe : dia noesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe "misaotra Anao Aho, Raiko, satria nihaino Ahy Ianao". Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka isika dia mazava ny zava-drehetra ary misinda ny ahiahy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
♦ Manahy ny amin'ny mety hamindrana toerana azy ireo, noho ny tsy fahalanian'ny kandidàn'ny mpanoha fitondrana, ny ankamaroan'ny solotenam-panjakana, hoy ny KMF CNOE androany... ♦ Niezaka nadamin-dresaka teny Faravohitra androany, ny Vovonana Firaisankina, tao aorian'ny tsy fitovian-kevitra nivoaka imasom-bahoaka, manoloana ny fanohanana ny kandidà Rakotovao Rivo... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana mba tsy hanaraka ireo fepetra apetraky ny mpamatsy vola vahiny ny SSM, satria hitarika olana goavana eto amin'ny firenena izany...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
♦ Nahitsy fanintelony ny hetran-trano ao Antananarivo-renivohitra tao anatin'ny 5 taona. Fanitsiana izay tombànana ho misy pi-maso ara-politika amin'ny mpifidy, amin'izao fifidianana ben'ny tanàna izao... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza indray ireo Solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io. Mety ho voaresaka anatin'ny fivorian'izy ireo ny fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny fepetra napetraky ny FMI... ♦ Midina ny vidin'ny lafarina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tokony ho efa 3.000Ariary eo ny kilaon'ny lafarinina vokarina eto an-toerana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH... ♦ Olona maherin'ny 370 no namoy ny ainy tao anatin'ny herintaona nisian'ny fifanafihana eo amin'i Israel sy ny Hamas...
♦ Manana kandidà ben'ny tanàna 139 amin'ny Distrika 25 ny antoko Fivoy amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ireo kandidà ireo... ♦ Efa tsy misy ahiana intsony ireo mpianatra 15 isa, izay narary tampoka tany an-tsekoly teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy ny herinandro teo... ♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Marary ny mpanabe, izay mamolavola ny olona rehetra hisian'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny fikambanana AJEEM... ♦ Feno herintaona anio 7 ôktobra ny fiverenan'ny ady mahery vaika ataon'i Israel any Proche Orient...
Isika samy olombelona dia mahay mifampisaotra, fa vao mainka moa isika rehefa mifandray amin'Andriamanitra. Mendrika hisaorana Izy Andriamanitra loharanon'ny soa rehetra, manome izay ilaintsika. "Misaotra" teny fohy fa manan-danja, tsotra nefa sarotra indraindray no miaina azy. Misaotra an'Andriamanitra isika satria manana vinavinam-pitiavana manokana ho antsika Izy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Aoka isika ho tabernakla kely, mitondra an'i Jesoa ao anatintsika ao, na aiza na aiza, na oviana na oviana dia mba hazavainy ny lalanao sy ny any hafa. Amin'ny toe-javatra rehetra dia nanana fijery lalina i Masina Maria, mahay mamaky ny zava-nisy niainan'i Jesoa izy, hatrany ao am-po miafina. Azo atao ny mitsaoka, misaotra, mangataka amin'i Jesoa any amin'ny toerana izay misy anao rehetra any... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Isan'ny hanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia porofo ny maha Kristiana marina satria mikatsaka ny fiombonana tanteraka, toy ny fiaraha-monin'ny Trinite Masina. Na inona na inona no asanao dia mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana izany, eo koa ny fanekena fanendrena, fahaizana mampitohy amin'ny taranaka ny lova tsara sy mendrika. Mbola maro ireo fahalovana misy eto Madagasikara koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpifidy dia samy tompon'andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco