Boky Ohabolana (Ohab. 30, 5-9)
Voazaha toetra amin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra;
ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.
Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny;
sao anariny ianao, ka ho hita fa mpandainga.
Zavatra roa no angatahiko aminao,
ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:
Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga;
aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena.
Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe:
Iza moa ny Tompo?
ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra,
ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 29 sy 72. 89 sy 101. 104 sy 163
Halaviro ahy ny lalan’ny lainga;
ny lalànao no aoka hanenika ahy!
Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny Vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Mandrakizay ny teninao, ry Tompo;
eny, mateza toy ny lanitra!
Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro,
mba hitandremako ny Teninao!
Ny lahatrao no nahazoako fahalalana:
hany ka halako ny lalam-pitaka rehetra!
Halako sy mahadikidiky ahy ny lainga;
fa ny lalànao no tiako!
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:
“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo.”
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Maro ireo kandidà no mitaraina amin'ny fahasarotan'ny fikarakaràna ireo antotan-taratasy ilaina amin'ny firotsahan-ko fidiana amin'ny fifidianana. Hisokatra afaka andro vitsy ny fandraisana izany eny anivon'ny Ovec... ♦ Miahiahy ny antoko Humaniste Ecologiste fa mety ho maro indray ireo kaominina tsy hisy afa-tsy kandidà tokana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra. Midangana hoy izy ireo ny anto-bola takiana amin'ireo mpirotsaka ho fidiana... ♦ Hifampitaona eny Antsahamanitra ny sabotsy ireo mpiasa mivondrona anatin'ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy na ny KIM. Hetsika, hanehoana ampahibe-maso fa marary ny mpiasa amin'izao fotoana izao...
Boky Ohabolana (Ohab. 21, 1-6. 10-13)
Rano mandeha eo an-tanan’ny Tompo ny fon’ny mpanjaka,
ka atongilany amin’izay rehetra tiany.
Mahitsy eo imason’ny olona ny lalany rehetra,
nefa ny Tompo ihany no mandanja ny fo.
Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny,
no tsara eo imason’ny Tompo mihoatra noho ny sorona.
Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona:
fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
Ny fikasan’ny olona mazoto, ahazoan-karena be;
fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
Ny rakitra azon’ny lela mandainga,
dia rehareha mihelina ho an’olona mila faty.
Maniry ny ratsy ny fanahin’ny ratsy fanahy,
ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.
Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina,
ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.
Dinihin’ny marina ny tranon’ny ratsy fanahy;
Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin’ny loza.
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra,
dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 1 sy 27. 30 sy 34. 35 sy 44
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalan’ny Tompo.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho,
mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Ny lalan’ny fahamarinana no nofidìko;
ny satanao tsy hadinoiko.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho:
fa io no hafinaretako.
Izaho mitandrina ny Lalànao lalandava,
ka ho mandrakizay an-taranoana.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)
Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:
“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”
Dia novaliany hoe:
“Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Ohabolana (Ohab. 3, 27-34)
Anaka, aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany,
raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Aza manao amin’ny namanao hoe:
“Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome”,
raha azonao atao ny manome eo no ho eo.
Aza misaina hanisy ratsy ny namanao,
rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.
Aza mifanditra foana aman’olona,
raha tsy nahavita ratsy taminao izy.
Aza mialona izay olona mpanao an-keriny,
na mifidy izay lalana ombany kely akory;
satria halan’ny Tompo ny olon-dratsy fanahy,
fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.
Ny ozon’ny Tompo dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;
fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.
Mananihany izay mpananihany Izy;
ary manome fahasoavana izay manetry tena.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5
Dia izay mizotra tsy aman-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-po,
tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana,
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 2, 12. 17-20)
Izao no holazain’ny tsy mpino:
Ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika, manìny antsika amin’ny fandikana ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika.
Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialàna amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 53, 3-4. 5. 6 sy 8
Vonjeo amin’ny Anaranao aho, Andriamanitra!
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko,
mampandria sofina amin’ny teniko.
Mpiavonavona no mitsangan-kamely,
olon-dozabe no mitady ny aina:
izay mba hihevitra an’Andriamanitra
tsy ao an-tsainy velively.
Indro Andriamanitra nanampy ahy
ny Tompo niahy ny fanahiko.
Koa tonga aho hanolotra sorona amin’ny hazavam-ponao.
Eny, ry Tompo, tonga aho hidera ny hasoan’ny Anaranao.
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 3, 16 — 4, 3)
Ry kristianina havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana,
dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha,
ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana voka-tsoa,
tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filandratsinareo;
ka tsy mahazo ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:
“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona,
dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy
raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”.
Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:
“Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”.
Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:
“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Niaina sy nandinika ny zava-boahary manodidina azy ny Ntaolo Malagasy. Ireny hita sy re, tamin'ny fiainana andavanandro ireny no nanakaran'izy ireo ny marika andro. Misy marika andro 34 isa teo amin'ny Ntaolo araka ny firaiketana hita nataon'ireo vahiny roa natao fampitahana dia izay volazan'i rév. Cousins William Edward sy mompera F. Callet. Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : maneno akoho tokana (3 ora maraina) mitatao vovonana (12ora atoandro)...
♦ Mahatratra 25% ny taham-pialàna an-tsekoly ho an'ny toeram-pianarana sasany amin'izao fidiran'ny mpianatra izao. Maro ireo sekoly no efa nisantatra ny taom-pianarana vaovao manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Miverina ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Nambaran'ny orinasa Jirama fa mihena indray ny rano manodina ny milina mpamokatra herinaratra any Andekaleka... ♦ Nisy sambo tra-doza tany amin'ny fari-dranomasin'i Taolagnaro omaly vao maraim-be. Mpandeha iray tsy hita popoka, olona 29 hafa avotra soa amn-tsara... ♦ Goavam-be ny fidinana an-dalambse tany Israely omaly, manoloana ny ady amin'ny faritr'i Gaza, nitakiana ny hamotsorana ireo teratany israeliana ataon'ny Hamas takalon'aina...
Ny toetra nampiavaka ny fiangonana tany am-piandohana ny vavaka. Araka ny voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly 2,42 : Ary nazoto izy ireo tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin'ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra. Nahitana karazan'olona tao amin'ny fiangonana : ireo mpanjono, ireo mpanana, ireo sahirana ara-pivelomana, pretra... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Nanomboka niditra androany ireo mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina sasany tao an-drenivohitra. Nambaran'ny tompon'andraikitry ny sekoly fa mipaka any amin'ny fampidirana ny mpianatra ny fahasahiranan'ny vahoaka... ♦ Nitombo ny fanjonoana antsatsa teto Madagasikara tao anatin'ny 20 taona. Raha 1.300 taonina izany ny taona 1995, lasa 35.000 taonina ny taona 2013. Natolotra androany ny drafitra nasiônaly ho fiarovana sy fitantanana maharitra ny antsatsa sy ny makoba...
♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina notontosaina teo amin'ny Kalverin'Ankaboka, tao amin'ny Distrika Misiôneran'i Manaratsandry, Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hotanterahana ny 6 ôktôbra 2024 ny ivon'ny fankalazana ny faha-130 taona niorenanan'ny fikambanan-dry Masera Carmelites de Sainte Thérèse de Turin, ka samy hanana ny endrika hankalazana izany avokoa ny ankohonam-piainana rehetra manerana an'i Madagasikara... ♦ Fanambin'ny Diôsezin'Ambositra ao anatin'ny 25 taona manaraka, ny fanamasinana ny fianakaviana sy ny tokantrano, araka ny nambaran'i Mgr Fidelis Rakotonarivo, Evekan'Ambositra...
♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany nanoloana ny fihaonana roa samy hafa nataon'ny Paramed farany teo ny sekretera jeneralin'ny SSM... ♦ Laharam-pahamehana amin'ny birao vaovaon'ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny fanatsarana ny fiarovana ireo vadintany, eo am-panatanterahana ny asany... ♦ Hanampy ny orinasa sy ny ministera ary ireo tanora mitady fizarana asa ny sendikan'ny Indostria eto Madagasikara... ♦ Nivoaka ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fianjeran'ny angidimby nitondra ny filoha iraniana Ibrahim Raissi, ka nitarika ny fahafatesany...
♦ Raikitra ny fisamborana sy ny haza-lambo, ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika an'Anjozorobe, efa nisy tamin'ireo tompon'antoka tamin'ny fakana takalon'aina no voasambotra... ♦ Hirotsaka ho kandidà Ben'ny Tanàna ho an'i Toamasina ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Tsy maintsy harenina ny korotana ao amin'ny renivohitr'i Betsimisaraka hoy izy... ♦ Hametraka fomba fijery vaovao ho entina mampandroso ny firenena sy ny tontolo ambanivohitra ny Sendikà Injeniera misahana ny fambolena sy ny fiompiana...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco