Ny vavaka dia fofon'ain'ny finoana. Ny olona mino sy matahotra an'Andriamanitra no miantsoantso mamoaka feo avy ao am-pony toa miantso vonjy. Amin'izao taonan'ny vavaka izao dia mifototra amin'ny mistery ny vavaka na ny zava-miafina fonosin'ny vavaka no resahin'ny Papa François amin'ny katesizy. Ny vavaka no mamelona ny finoantsika, koa aoka samy hiezana hanatsara ny fomba fivavahana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Anatin'ny iray volan'ny teny Malagasy isika amin'ny volana jona ity. Fahiny dia tamin'ny teny Grika ny nankalazana ny Lamesa, ary rehefa nihitatra ny fiangonana dia tamin'ny teny Latina ; tamin'ny Konsily Vatikana-II no nanapahana hevitra fa hatao amin'ny tenin-drazana ny Sorona Masina, ary io no nahafahana nampihatra ny teny Malagasy ihany ho amin'ny fankalazana eto Madagasikara. Ny Eokaristia dia entina hilazana ny Sorona Masina, ny kôminio, ny Vatsy Masina homena ireo marary... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny vavaka nataon'i Jesoa dia mariky ny fifandraisana sy ny fifankahazoana lalina tao aminy sy Andriamanitra Ray ; noho izany , izay tia vavaka tsy tapaka dia miombona tanteraka amin'i Jesoa sy amin'Andriamanitra Rainy. Miafina ao natin'ny misterin'ny fahariana ho antsika olombelona manokana, ny vidin'ny fahoriana amam-pijaliana ; ny fangalana ny taolan-tehezan'i Adama hanamboarana an'i Eva dia nisy ratra miafina. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦Nahomby ny tetik'asa CASEF nandritra ny 7 taona niasany tamin'ny Faritra 16 teto Madagasikara... ♦ Efa miomana amin'ny fiatrehana ny fivoriana an-tampony momba ny "diniky ny ho avy" atao any Etazonia ny ministeran'ny raharaham-bahiny... ♦ Tsy ataon'ny fitondram-panjakàna Malagasy laharam-pahamehana ny fiarovana ny zon'ny ankizy, hoy ny Vovonan'ny Firaisamonim-pirenena misahana izany... ♦ Nandefa miaramila fanampiny any amin'ny faritra Tchassiv mba iarovana ity tanàna stratejika, any amin'ny sisin-tany Atsinanana manakaiky ny tanànan'i Dombass ity ny tafika Okraniana... ♦ Niharan'ny tifitra ny biraon'ny vokovoko mena iraisam-pirenena tany Gaza, omaly tolak'andro ; 22 isa no maty ary 45 naratra...
Mety hanimba ny hoditra ny fampiasana fanafody tsy voalanjalanja. Ny mahatonga ny hodipotsy dia "champignon" na "levure" izay efa mipetraka sy miaina amin'ny faritry ny hoditra, ka rehefa feno ny fepetra dia mivadika ho "patogène" izy, ka io ilay hodipotsy. Ireo fepetra ireo dia ny hamandoana sy ny hafanana no mampirongatra azy, eo koa ny fidinan'ny hery fiarovana, havizanana, fitondrana vohoko, tsy fahampian'ny vitamina E-A-D. Ny hodipotsy dia tsy mangidihidy... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra! Ho an'ny olomarina dia tsy hakasika azy ireny akory ny fahafatesana, ho an'ny tsara dia tsy hakasika azy ny ratsy. Ny fisokafana amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahasoavany no mampandresy ny olona sy mampiadana antsika. Azo oharina amin'ilay sambo kely ny fiainantsika ka ny tafio-drivotra no endrika hisehoan'ireo olana maro samihafa, ka Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina ihany no afaka mampitony izany... Mila matoky azy Andriamanitra isika, ary mitoky amim-pinoana...
♦ Namoaka ny andiany faharoa nisalotra ny anarana "Voromahery" ny Institut Supérieur Saint Thomas d'Aquin tantanan'ny Saleziana Don Bosco any Fianarantsoa... ♦ Hatsaraina ny fitantanana ny loza sy ny tandin-dondoza, ka hisy ny fandraisana fepetra amehana mandritra ny fotoan'ny hisehoan'ny loza... ♦ Hanao hetsika filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara ireo tanora Malagasy am-pielezana miisa 10, tafiditra anatin'ny tetik'asa Loharano... ♦ Miha mafy ny disadisa misy eo amin'ny Corée Atsimo sy Corée Avaratra, nisy miaramila Kôreana Tavaratra saika hiditra an-keriny tao amin'ny sisin-tany mampisaraka ny firenena roa tonta omaly... ♦ Olona miisa 30 indray no namoy ny ainy omaly tany amin'ny faritr'it Gaza...
Manambara ny misterin'ny fahariana vaovao ny vavak'i Jesoa satria ao Izy no miezaka manavao ny zavatra rehetra sy hamerina amin'ny laoniny ny fahariana taloha izay niantsoana ny olombelona ho amin'ny fifampizarana sy fahasambarana. Tsarovy fa na ho aiza isika na ho aiza dia tsy misy famonjena raha tsy misy fijaliana. Mila mifampitondra am-bavaka isika satria Jesoa aza Andriamanitra nivavaka mba hatontosa ny famonjena, maika fa isika? Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Mahatratra 8 miliara Dolara ny trosan'i Madagasikara akehitriny, raha ny fantatra nandritra ny latabatra boribory androany teny amin'ny UCM Ambatoroka... ♦ Miisa 70.000 ireo horonan-tsary mamoafady nataon'ny ankizy Malagasy, miparitaka any amin'ny tambazotran-tserasera any ivelany, raha ny nambaran'ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fiarovana ny zon'ny ankizy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa, ny Randrana Sendikaly...
♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...
29 jona 2024 — Masindahy Piera sy Paoly, Apôstôly — Fankalazana manetriketrika — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)
28 jona 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco