Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mbola voasokajy isan'ireo firenena PMA, isan'ny mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny PNUD omaly... ♦ Hanangana vondrona Parlemantera tsy miankina ireo solombavambohoaka lany tamin'ny fikambanana LAUY FAR... ♦ Mitaky ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny ARFM, tsy vahaolana hoy izy ireo ny fanantanterahana ny fifidianana nifandimby... ♦ Tafakatra 900 ireo olona mpanao fivahinianana Masina any LA MECQUE no namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao avy amin'ny AFP Agence France Presse alina... ♦ Mpikambana ao amin'ny C.C.A.T miisa 11, mpitaky ny fizakan-tena nikotrika korontana tany NOUVELLE CALEDONIE no voasambotra omaly...
Loharano hipoiran'ny fanantenana ny vavaka satria mampitodika tsy tapaka amin'ilay nanao ny zavatra rehetra. Ny tena olombelona dia izay mahay manokatra fomba fijery vaovao amin'ny misterin'ny asa fahariana nataon'Andriamanitra. Ny fahazotoana mivavaka no manambara mazava hoe manan-kianteherana isika dia Andriamanitra Mpahary. Izay tena mivavaka dia mahatsapa fa ny antso ho amin'ny fitsanganan-ko velona no tena antso farany ho azy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Nidina ny IDH na ny tondro momba ny fampandrosoana ny maha olona teto Madagasikara, ny taona 2020 sy 2021, noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 maneran-tany... ♦ Nifarana androany ilay atrikasa teknika ho famolavolana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara... ♦ Mampitandrina ireo mpifaninana taminy, ny kandida Randrianasolo Nicolas sady Solombavam-bahoaka amperin'asa any Betroka, mba hampitsahatra ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka...
♦ Noafahana omaly ny Solombavam-bahoakan'i Tsihombe, Masy Goulamaly, rehefa notazonina nandritra ny 18 andro. Mbola araha-maso ara-pitsarana hatrany anefa ity olom-boafidy ity... ♦ Mety mbola ho maro an'isa eny Tsimbazaza ireo depiote mpanohana ny fitondrana. Tsy mbola hisy ny azon'ny mpanohitra hatao, raha tsy ovaina ny lalàna mifehy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny antoko Teza... ♦ Nahazo famatsiam-bola 18 tapitrisa Euros, avy amin'ny Governemanta Alemà, ny fanjakana Malagasy. Famatsiam-bola hanohanana ny tetik'asa fampisitrahana herinaratra ireo faritra tsy mbola misy izany...
♦ Hanomboka avy hatrany anio ny fitsarana ny fanadinana CEPE omaly. Tombanana hivoaka mialoha ny fetim-pirenena ny voka-panadinana... ♦ Tsy ampy ny isan'ny laza adina jeôgrafia nandritra ny fanadinana CEPE teny amin'ny CEG Betsimitatatra. Tamin'ny 4 ora vao nanomboka ny fiatrehan'ny mpiadina io taranja io. Nitaintaina ny ray aman-dreny... ♦ Mikasa ny hanao hetsika manodidina ny kianjan'i Mahamasina indray ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy, amin'ny 26 jona 2024. Tsy ankasitrahan'izy ireo io daty io, ho tsingerin-taona niverenan'ny fahalevovantenan'i Madagasikara...
Ny fanadinana dia sedra ara- "psychopédagogique" ho an'ny mpianatra. Ny voambolana " Psychopédagogie" dia fitambaran'ny teny roa : Psychologie + pédagogie ; izany hoe fampianarana mifototra amin'ny toetra sy ny fomba fampitana fahalalana amin'ny olona iray. Ny fanadinana dia sedra ahafahan'ny mpianatra manomana ny sainy hiatrehany ny fiainany ho avy. Ny fanadinana dia fanabeazana ny mpianatra hahay hifehy fotoana sy hifehy tena... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mampisaotra, maha te hidera, mahatalanjona sy mampitolagaga ny fahaizan'Andriamanitra nanamboatra ny zavatra rehetra ka mampi-te hisokatra aminy isanandro. Tsinotsinona isika mitaha amin'ny fahalalan'Andriamanitra ary mirohanahana ihany izay mba fihevetsika, ka ny tsara indrindra dia ny mihaiky ny fahalehibiazan'Andriamanitra. Ny tsara indrindra ho an'ny olombelona dia ny miantehitra amin'Andriamanitra Mpahary. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Hafainganina ny famoahana ny valim-panadinana CEPE. Hanomboka rahampitso ny fitsarana ireo taratsim-panadinana... ♦ Nisokatra androany teny amin'ny kianjan'i Betongolo ilay hetsika Kermesin'ny Fiarovana sy ny Filaminana. Hetsika tafiditra amin'ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-64 niveranan'ny fahaleovanten'i Madagasikara sy ny tsingerin-taona niorenan'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Mikasa hanao hetsika manodidina ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy na ARFM, amin'ny 26 jona 2024...
♦ Taranja efatra no vitan'ireo mpiadina amin'ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, nandritra ity tapany maraina ity... ♦ Moto hatrany amin'ny 200 isa mivezivezy no efa nampidirina valan-tsazy, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Telo andro anio izao ny Pôlisim-pirenena no manao ilay “Opération Dona” an-dalambe ao an-drenivohitra... ♦ Olona mianaka no matin'ny lozam-pifamoivoizana tany Toamasina omaly maraina. Nofaohon'ny Taxi-brousse mpanao zotram-paritra ny Tuc-tuc nisy azy. Mpanampy mpamily no nitondra io fiara io...
♦ Hiatrika ny fanadianm-panjakana CEPE anio, ireo ankizy amin'ny kilasy Taona faha-5 manerana ny nosy... ♦ Miantso ny HCC hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidm-bahoaka ny vondron'ny firaisamonim-pirenena Rohy... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny solontenan'ny mpiasa Malagasy tany amin'ny Fivoriamben'ny OIT tany Genève, ireo mpitarika sendilà hatramin'izao. Notsikerain'ny FISEMARE ny fomba nitondrana ireo solontenan'ny sendikà tany an-toerana...
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco