Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 11, 17-26. 33)

Raha misy fisarahana eo aminareo, dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo.

Ky kristianina havana, misy zavatra tsy iderako anareo,
dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy.
Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo,
dia misy fisarahana eo aminareo;
ary mba misy inoako ihany izany,
satria tsy maintsy misy andaniny maro eo aminareo,
mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Ka raha miangona ianareo,
dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo,
fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo,
ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo?
Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra,
ka sahy manome henatra ny tsy manana?
Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho?
Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa:
tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa, dia nandray mofo,
ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe:

“Raiso ary hano, fa Vatako itý ho anareo;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.”

Toy izany koa, nony efa nihinana, noraisiny ny kalisy, dia hoy Izy:

“Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo.”

Koa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo,
dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
Aoka àry hifampiandry ianareo, ry kristianina havana,
raha miangona ho amin’ny fanasana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Manambàra ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
“Lehibe ny Tompo!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)

Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka,
dia niditra tao Kafarnaôma.
Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty.
Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny,
dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy
ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo,
dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:

“Mendrika hanaovanao izany izy,
fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa.
Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy
dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe:

“Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re,
fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho;
ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory,
fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko.
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa,
ka ny anankiray ilazako hoe: ‘Mandehana’, dia mandeha;
ny anankiray ataoko hoe: ‘Avia’, dia avy;
ary ny mpanompoko koa hoe: ‘Ataovy izany’, dia manao izy.”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho,
na dia tamin’i Israely aza.”

Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka,
dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hamory ireo mpiantsehatra voakasiky ny fifidianana eny Alarobia rahampitso ny CENI. Fotoana ifanakalozan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Tanimbary 7.000Ha no maina noho ny tsy fisian'ny rano any amin'ny lemak'i Bas-Mangoky.Simba ny foto-drafitr'asa any amin'ny "Prise Bevoay", ka itarainan'ny tantsaha... ♦ Olona 4 no maty vokatry ny faharendrehin'ny lakana nentin'izy ireo tao Imahasoabe, Distrika Vohipeno. Mbola tsy hita popoka izy 4 mirahavavy mianaka ireo hatramin'izao... ♦ Tsy mbola voatendry omaly indray ny Praiministra vaovao any Frantsa. Nolavin'ingahy Macron ny fanoloran'ny NFP an-dramatoa Lucie Castets ho lehiben'ny Governemanta...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 5-9a)

Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko.

Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Akaiky Ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy?
Aoka izy hankaty amiko!
Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy:
Ka iza no hanameloka ahy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 114. 1-2, 3-4, 5-6, 8-9

Mizotra ny lalako ampian’Andriamanitra ho any an-danitra any, fonenan’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
fa mandre ny feoko Izy:
ny sofiny atongilany
rehefa miantso aho.

Efa voarohin’ny fahafatesana aho, efa tao anaty haratony:
feno fahoriana sy alahelo
no niantso ny Anaran’ny Tompo.
“O ry Tompo ô, hoy aho, mba vonjeo re ny aiko!”

Ny Tompo antra sy marina,
ny Andriamanitray
mahay mangoraka: osa aho ka novonjeny!
Ny aiko nafahany tamin’ny fahafatesana.

Ny masoko nalany tamin’ny tomany,
ny tongotro tamin’izay nanfingana:
koa hizotra eo anoloan’ny Tompo aho
hatrany amin’ny tanin’ny velona!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 14-18)

Ny finoana raha tsy omban’asa, dia tena maty mihitsy.

Ry kristianina havana,
raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa,
inona no soa ho azony?
Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,
ka ilazan’ny iray aminareo hoe:

“Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”,

nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany,
inona no soa azony amin’izany?
Mba toy izany ihany koa ny finoana,
raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy.
Hamaly koa ny olona hanao hoe:

“Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa.
Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa;
ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-35)

Ianao no Kristy... Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”

Ary ireo namaly Azy nanao hoe:

“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Ianao no i Kristy”.

Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara ny filaza izany.
Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona”.

Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Voatendry ho PDS vaovao hitantana vonjimaika ny tanànan'Antananarivo Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Izy indray no hisolo an'Andriamatoa Richard Ramanambitana... ♦ Manomboka midina an-kianja ireo Ministra anatin'ny Governemanta vaovao, taorian'ny nanendrena azy ireo. Miandrandra asa mipaka amin'ny fiainany ny Malagasy maro... ♦ Manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'ny Vary Gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo amin'izao. Hanazava izay eto ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Naato indray omaly ny famatsiana ny fanampiana ny maha-olona mankany amin'ny faritr'i Gaza izay tanterahin'ny Firenena Mikambana. Nanaitra ny sivily hiala ao Deir-al-abalah ny tafika israeliana...

Mandaitra ary tonga any amin'ny RAY ny vavaka ataontsika miaraka amin'i Jesoa Kristy. Ny zavatra niseho teo amin'ny fotoana lehibe nanaovana batemy an'i Jesoa teo Jordany dia vokatry ny fifantohana nataony nivavaka dia nipaka hatrany amin'ny RAY ary nanokatra ny lanitra ny vavaka nataony. Ny fankalazana ny Sakramenta ny Batemy dia ilana fifantohana satria tena vavaka io, hajaina ireo torolalana ara-litorijika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Manomboka midina an-kianja ireo Minisitra anatin'ny Governemanta vaovao. Miteraka fifanitsahana andraikitra ny fisiana Minisitra sy Sekreteram-panjakana amina sehatra mitovy, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray... ♦ Miakatra tsikelikely ny vidin'ny vary gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo. Ariary zato isan-kilao eo io fiakaram-bidy io, hoy ny filohan'ny PMH... ♦ Manambana ny hitokona indray ireo mpianatry ny Oniversiten'i Maninday any Toliara, raha nanao fanambarana. Mpianatra miisa 361 no voalaza fa mbola tsy mandray vatsim-pianarana taom-pianarana 2023-2024 hatramin'izao...

♦ Tontosa omaly ny Eokaristia fanirahana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly sy famaranana ny Fihaonambe Nasiônaly notanterahan'ny AFAFI-FET teto Madagasikara, tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Manentana antsika mianakavy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hanao hatrany ny vavaka isan-tokantrano hangatahana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo... ♦ Nanentana ny mpino hanaraka an'i Jesoa, na dia sarotra aza izany, ny Papa François nandritra ny vakaka Angelus omaly...

♦ Tsy afaka miasa ankalalahana ny mpikamban'ny  governemanta fa misy mibaiko azy ireo hoy ny filohan'ny antoko MTS Rolant Ratsiraka... ♦ Miandry ny famahana ny olana sôsialin'ny mponina ny solombavambahoaka miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Efa miroborobo ny sehatry ny fambolena any Ambatofinandrahana, olana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Naneho ny firaisan-kinany sy nangata-bavaka ho an'ireo olona sy firenena ahitana ilay valan'aretina MPOX i Papa François nanditra ny famaranana ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nahery vaika ny tifitra nataon'i Hesbolah tany Israely omaly, Rôkety miisa 320 no nalefan'izy ireo tany Tel Aviv...

Miara-mivavaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mpanota i Jesoa Kristy. Tsy irery akory isika rehefa mivavaka hoy ny Papa François fa miaraka mivavaka amintsika mandrakariva i Jesoa Kristy, ary izay no maha-olon'ny vavaka azy. Manamafy izany ny famantaran'ny hazofijaliana ataontsika isaky ny hanomboka vavaka miantso an'Andriamanitra Trinite Masina mba hiaraka hivavaka amintsika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Alahady faha-21 mandavantaona - B : I Kristy fidina, i Kristy tompoina ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ny bokin'i Jôsoe dia mitanisa ny zava-nisy nanamarika ny fidiran'ny vahoaka Israely tao amin'ny tany nampanantenaina. I Jôsoe dia mpitsara izay nampivory ny vahoaka teo amin'ny toerana atao hoe Sikema ; nampanao safidy an'ireo vahoaka i Jôsoe ny amin'izay andriamanitra tiany hotompoina. Tsy nanery ireo vahoaka i Jôsoe fa nanome ohatra izy ary nanambara hoe : Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo. Fakam-panahy ho antsika ny mahita ny maro mandao ny andraikiny, koa aza matahotra ny handeha irery sy hijoro amin'ny finoana...

Rehefa nanatona an'i Joany Batista i Jesoa mba hatao Batemy hiombonany fiainana amin'ireo vahoaka jody namany ; te hampianatra antsika i Jesoa fa Izy aza Andriamanitra manatona mba hibebaka, maika fa isika izay zanaky ny ota ary nandova fahotana indray ve no tsy hatao Batemy? Tsy natao Batemy amin'ny rano mba hahamasina Azy i Jesoa fa Izy no nanamasina ny ranon'i Jordany... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Tsy voahaja ny resaka fifandanjana isam-paritra anatin'io firafitry ny governemanta vaovao ny Praiministra Ntsa Christian io, hoy ny solombavambahoaka teo aloha Keron Idealson... ♦ Nanome toky ny hijery ny mahakasika ny fidangan'ny vidin'entana sy hanohy ny fametrahana ny taniketsa indostrialy ny ministry ny indostria sy ny varotra... ♦ Hijery manokana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana sy hanampy ireo tantsaha ny solombavambahoaka voafidy teo Tsironomandidy, tontosa omaly ny lanonana fametrahana samboady azy ireo... ♦ Niala an-daharana tsy ho isan'ireo mpifaninana hiazakazaka hiady ny toerana ao amin'ny maison blanche ny kandidà tsy miankina Robert Kennedy, hanohana an'i Donald Trump ny tenany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...