Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 4, 32-34. 39-40)

Ny Tompo irery no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ny tany ambany, ary tsy misy hafa.

Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ ny vahoaka Israely:

“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renao,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitra ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra,
any amin’ny lanitra ambony sy ety an-tany ambany, ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 32, 4-5. 6 sy 9. 18-19. 20 sy 22

Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Ny lanitra no vita dia ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny no misy: ny fofon’ain’ny vavany.
Izay lazainy dia efa;
izay teneniny, tomombana.

Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.

Izahay manantena ny Tompo,
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho aminay matoky Anao!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 14-17)

Raiso ny Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà, Ray.

Ry kristianina havana,
izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona
miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy isika,
mba hiarakomem-boninahitra aminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)

Manaova Batemy azy ireo amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha,
dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:

“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nampiakatra ny raharaha eny amin'ny Fitsarana ka mangataka ny hanafoanana sy hampiatoana ny didy nanakatona ny Radio Fivoarana, ny tompon'ity onjam-peo ity... ♦ Nitohy tany avaratry ny nosy ny fitsidihana ataon'ny Filoha Andry Rajoelina, izay nanolorana ireo foto-drafitrasa ho an'ny mponina... ♦ Mety hiafana hatrany amin'ny fanalana an-daharana ny kandidà ny fandikan-dalàna amin'izao fampielezan-kevitra izao, hoy ny mpisolovava avy amin'ny Vononana Firaisankina...

Nisitraka fiofanana momba ny fitantanana ny rano ireo tanora anatin'ny fikambanana FISOI sy SOAMITSINJO mivondrona ao amin'ny Réseau SOA. Fiaraha-miasa eo amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR no ahafahana mamolavola ireto tanora ireto...

♦ Mbola tsy manary toky amin'ny fitarainana samihafa hitany, amin'izao fiatrehana fifidianana Solombavam-bahoaka izao, ny Vovonana Firaisankina, ka nampahafantatra sy nametraka fitarainana teny amin'ny CENI... ♦ Tsy misy fiovana fa mijanona ho roa volana in-dimy ny faharetan'ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny tetiandro izay nampahafantarin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo vehivavy voan'ny homamiadana eo amin'ny nono sy ny vozon'ny tranonjaza maneran-tany. Mahatratra 43.000 isan-taona izany ho an'i Madagasikara, raha ny tatitra farany avy amin'ny OMS...

Anisan’ny mbola hamaivanin’ny olona ny fahasalamana ara-tsaina raha ny eto Madagasikara. Tranga mety hiseho amin’ny olona rehetra anefa ny aretina ara-tsaina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia misy fiantraikany mivantana amin'ny fiasan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, manamarina ny maha-zava-dehibe ny hetsika alohan'ny olana mba hampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahasalaman'ny ara-tsaina dia fahafahan'ny olona iray manatanteraka ny vinany sy miatrika ny trangam-piainana, ahafahana miasa. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny fampirafesana no fototry ny fisarahana satria te hamaly faty hatrany ny iray ary tsy miraharaha ny fikarakarana ny tokantrano intsony. Fantaro mialoha sy ataovy antsaina fa olombelona ilay " tinao sy milaza ho tia anao " fa tsy anjely noho izany mora miova hevitra, manana fetra, osa sy malemy, be kilema. Rehefa mahita ny lafy ratsiny amin'ny toetra ny mpifankatia dia teraka ho azy ny fisarahana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Tsy ilaina intsony ny fahatongavan'ireo iraky ny SADC eto Madagasikara, hoy ny eo anivon'ny ARFM. Misokatra amin'ny fifampiresahana amin'ireo ankolafin-kery eto amin'ny firenana ireo iraka ireo, nanomboka androany... ♦ Manaporofo ny tsy fahaleovan-tenan'ny CENI sy ny HCC ny fahanginan'ireo andrim-panjakana ireo, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, hoy ny VHT... ♦ Tsy miova fa mizara ho roa volana in-dimy ihany ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Namoaka ireo tetiandro mirakitra izany, mbamin'ny datin'ny fanadinam-panjakana iandraiketany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...

♦ Miantso ny mpifidy hahay hanapa-kevitra amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny kandidàn'ny Firaisan-kina laharana fahatelo ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo. Misy ny tsindry atao amin'ny sefo fokontany sy ny mpiasam-panjakàna hoy izy ireo... ♦  Tombanana hiasa mialohan'ny faran'ny taona ny fitanterana an-tariby na ny "télépherique" zotra volomboasary miainga eo Anosy hatrany Ambatobe... ♦ Nifarana teo amin'ny dingana savaranonando ny fandraisan'anjaran'i Laura Rasoanaivo amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny Judo atao any Abu Dhabi any Emirat Arabo Mitambatra... ♦ Hifidy izay ho filoham-pirenena amin'ny 28 jona izao ny vahoaka iraniana...

Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy tokony hisy fiatraikany amin'ny safidim-bahoaka ny fidinana ifotony sy ny fitokanana zava-bita ataon'ny Filoham-pirenena hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa mpamakafaka pôlitika. Aleo hoy izy hifidy ankalalahana ny vahoaka malagasy amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nikorisa voalohany tao an-drenivohitra nanomboka omaly ny fitaterana amin'ny alalan'ny tariby miantona na ny "télépherique". Azo antoka ny fitandroana ny ain'ny mpandeha hoy ny sekreteram-panjakàna Gérard Andriamanohisoa... ♦ Manohy ny fanofanana an'ireo olom-pirenena hifehy ny fananan-tany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany (SIF). Anjaran'ny tanora sy ny vehivavy avy amin'ny fikambanana samihafa no misitraka izany...

Tahaka ny fananan-javatra maromaro ihany ny fananam-bady maromaro ; noho izany ny karazam-piraisana ateraky ny fampirafesana dia mampitovy ny olona iray amin'ny fananana na fitaovana fa tsy mba firaisana feno sy lalina ary manontolo. Ny vehivavy tsirairay dia samy maniry hanana ilay lehilahy ho azy irery manontolo fa tsy iombonany amin'ny hafa, izay tsy ho lavorary raha tsy marina ny itiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Nahomby ny andrana ara-teknika natao androany maraina tamin'ireo cabines telo amin'ilay fitaterana an-tariby, tamin'ny zotra mampitohy ny Gara Anosy sy Soarano... ♦ Antony iray mahatonga ny fiovan'ny toetrandro ny entona mangeja hafanana, ateraky ny fitaterana an-tanan-dehibe sy ny fitaterana manerana ny nosy... ♦ Tanora sy vehivavy miisa 40 avy amin'ny fikambanana tsy miankina samihafa no miatrika fiofanana mahakasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...