♦ Mety ho maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny depiote avy amin'ny lisitra tsy miankina, raha ny fironam-bokatra nivoaka. Tsy afaka hanolotra izay ho Praiminisitra anefa izy ireo, raha izany no misy... ♦ Manomboka mandray fitoriana momba ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny HCC. Efa naharay fitoriana anankiray izy ireo androany... ♦ Nanaovana antso tolo-bidy ny Hôtel 5 Etoiles ety Ivato, ahafahana manokatra ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity. Efa maro ireo namaly izany, hoy ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana...

♦ Manomboka tonga any amin'ny sampana mpanisa vato any amin'ny distrika na ny SRMV ny voka-pifidianana vonjy maika. Kandidàn'ny IRMAR telo no resin'ny kandidà tsy miankina any amin'ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy Fitovinany raha ny ampaham-bokatra voaray... ♦ Maro ny orinasa afak'haba mbola mampiasa olona toa ny andavan'andro tamin'ny omaly androm-pifidianana. Tranga tsy fanarahan-dalàna momba ny asa izany hoy ny Sendika FISEMARE... ♦ Mbola ambany ny taham-pamokarana ovy eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy 6 taonina isaky ny hektara izany raha toa ka tokony hatratra 20 hatramin'ny 30 taonina. Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ny ovy...

♦ Nilamina amin'ny ankompobeny ny fifidianana solombavambahoaka natao nanerana ny nosy afa-tsy ireo tranga vitsivitsy tamin'ny fari-pifidianana sy birao fandatsaham-bato vitsivitsy. Mbola anjakan'ny TIM sy ny IRMAR ny ao an-drenivohitra sy ny manodidina raha ny fironana taorian'ny fanisam-bato.... ♦ akon'ny fizotry ny fifidianana solombavambahoaka : ambany ny tahan'ny fandraisan'anjara tamin'io fifidianana io araka ny tatitra voarain'ny mpanara-maso SAFIDY omaly io... ♦ Nahafahana nanome tantsoroka hampivoharana azy sy nahitana lalam-barotra voavao ho an'ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany ny tetik'asa F.C.C.I.D tetik'asa nifarana tanteraka rehefa naharitra dimy taona...

Ny tanora dia azo oharina amin'ny zava-maniry dia misy ilay antsoina hoe masaka na matoy, alohan'ny fotoanany. Olona moa no resahana dia misy ilay "miteraka mialoha ny mahazatra. Tsara ny manamarika fa tsy ny tanora rehetra no afaka miteraka fa izay efa manana toe-batana vonona sy matotra tsara. "Mariazy" ilay teny hifanoloran'izay hivady eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Maro ny tranga tsy fanarahan-dalàna sy osoka nandritra ny latsa-bato tamin'ny fifidianana solombavambahoaka androany... ♦ Nilaza ny CENI fa nilamina tamin'ny ankapobeny ny zotram-pifidianana. Voahaja ny naha fifidianana nandraisan'ny rehetra anjara, hoy ny mpandrindra maharitry ny firenena mikambana eto Madagasikara... ♦ Tapaka ny jiro tao an-drenivohitra sy ny manodidina, nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanisam-bato izay fahatapahana izay...

♦ Sampana fanaraha-maso SAFIDY : 77,50%  ny birao fandatsaham-bato nanaon'izy ireo fanaraha-maso no nisokatra ara-potoana... ♦ Nahitana fiakarany raha nitaha tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana novambra ireo olom-pirenena tonga nifidy ny tapak'andro maraina teo raha ny fanadihadiana natao... ♦ Maro ireo fandikan-dalàna hitan'ny delegean'ny vovonana firaisan-kina tamin'ny faritra sasatsasany teto amin'ny nosy, nandrisika hatrany ny olom-pirenena handeha hifidy anefa izy ireo...

♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara anio 29 mey, ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ireo Malagasy ampy taona, mpifidy hatrany amin'ny 11.631.156 no andrasana handray anjara amin'izany... ♦ Manandanja ny safidin'ny tsirairay satria izay no hamaritra ny ho avin'ny firenena, ho tandroana ny tsiambaratelon'ny fifidianana mba tsy hisy teritery sy sakatsakana hoy ny filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Handray ny andraikitra manandrify azy mba hizoran'ny fifidianana solombavambahoaka anatin'ny filaminana manomboka amin'ny andron'ny latsa-bato hatramin'ny fivoahan'ny vokatra ôfisialy eny amin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny EMMO-NAT...

Ny fifanoloran-tena amin'ny alalan'ny fitiavana no fototry ny mariazy fa tsy firaisam-batana hikatsahana fahafinaretana fotsiny. Na dia ao amin'ny mariazy aza dia tsy ny fahafinaretan'ny nofo no tena zava-dehibe satria ny olona dia tsy miray fotsiny toy ny biby sanatria. Ny fitiavana no tena mitarika, fitiavana hanolotra ny tenany amin'ilay olon-tiany mba hisian' ny firaisana marina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

8 jona 2024 — Ny Fo Madion'i Maria Virjiny — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin’Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 41-51)

Vakiteny voalohany

Bokin’Izaia Mpaminany (Iz 61, 9-11)

Feno hafaliana ao amin’ny Tompo aho.

Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena;
ary ny tamingany any amin’ny firenen-tsamihafa.
Izay hahita azy hahalala azy avokoa,
fa taranaka nosoavin’ny Tompo izy ireo.

Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho,
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy
no ampanirian’ny Tompo Tompo ny fahamarinana,
sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

1 Sam. 2, 1. 4-5. 6-7. 8

Ravo amin’ny Tompo ny foko!

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.

Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.

Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,

Mampanana sy mandevona ny Tompo,
ampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,

Akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin’Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 41-51)

Fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

Ary isan-taona ny ray aman-dreniny
dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;
ka nony efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo,
ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy,
dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely,
nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany.
Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy,
ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy
tamin’ny havany sy ny olom-pantany;
ary nony tsy nahita azy,
dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny tempoly izy
nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,
ary talanjona izay rehetra nandre azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.
Ary nony nahita azy izy ireo dia gaga,
ary hoy reniny taminy:

“Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay?
Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao.”

Fa hoy izy taminy:

“Nahoana no nitady ahy hianareo?
Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho?”

Saingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy.
Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta izy, ary dia nanaiky azy;
fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

7 jona 2024 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Fankalazana manetriketrika — Ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry Tena ao am-po Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 19, 31-37)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Osea Mpaminany (Osea 11, 1b. 3-4. 8d-9)

Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy;
ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana ny zanako.
Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny,
nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.
Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo,
dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana;
mova Aho tsy ilay nanainga jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony,
ary niodrika taminy sy nampihinana azy.
(Nefa tsy nety niverina tamiko izy: ka hofaiziko va?)
Tsia! Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Tsy hanarana ny firehetran’ny hatezerako Aho,
tsy horavako fanindroany i Efraima.
Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona:
eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Iz 12, 2-3. 4. 5-6

Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko.
Matoky aho, mijoro fa tsy matahotra.
Ny Tompo no hery sy reharehako.
Fa Izy no vonjy sy fialofako.
Avia àry hanovo amin-kafaliana.
Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.

Amin’izany andro izany, samia manezaka.
Derao Andriamanitra, antsoy ny Anarany.
Torio ny vahoaka ny zava-bitany.
Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.

Ambony ny Tompo ka dia nasehony.
Lazao an’izany ny vazan-tany.
Ianao, ry Siôna hitotorebika.
Fa Tompo lehibe Izy sady masina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez 3, 8-12. 14-19)

Hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra ianareo.

Ry kristianina havana,
izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra
no nomena fahasoavana izany ny Jentiny ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
sy ny hazavana amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay
tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.
Dia izany no naseho ankehitriny tamin’ny alalan’ny Eglizy,
ka tonga fantatr’ireo fitondrana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,
araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika,
Izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana noho ny finoana Azy.
Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray,
izay angalan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ny anarana,
mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny,
ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy,
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana,
dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olo-masina rehetra
izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny,
sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra,
ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry Tena ao am-po Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 19, 31-37)

Nolefonin’ny miaramila anankiray ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka.

Zoma, andro fiomanana tamin’izay,
ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’ireo nofantsihana,
dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny Hazofijaliana amin’ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany
sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin’i Jesoa izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany,
sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:

“Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”.

Ary hoy indray ny koa ny Soratra Masina:

“Hijery izay nolefoniny izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...