♦Olan'ny famatsiana rano sy herinatra : Miha mitombo hatrany ireo toerana sy faritra hanaovan'ny mponina hetsika fanoherana ao Antananarivo-Renivohitra... ♦ Tsy nisy afa-tsy 17% ny vohoakan'Antananarivo renivohitra no nahavita nandoa ny hetrany tamin'ny taona 2021, nahatratra 3.000 mahery ireo fitarainana sy fangatahana fanitsiana hetra voarain'ny Kaominina... ♦ Antony faharoa hanatonan'ny olona ny toeram-pahasalamana ary aretina fahatelo mahatonga fahafatesana eto Madagasikara ny tazo moka... ♦ Any Gaza : 2 taona nisesy izao no niaina taona fotsy ireo mpianatra Palestiniana, mandranto fianarana amin'ny fampiasana teknolojia ampitain-davitra voakatr'izany ireo ankizy...
Alahady faha-26 mandavantaona - B : Iza avy no tena an'i Kristy ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny vahoaka rehetra no tokony ho mpaminany, mitondra ny tenin'Andriamanitra. Raha tsy isika fa olon-kafa no mahita hevitra hampandrosoana ny fiangonana, mialona ve isika sa sambatra? Aoka tsy ny tombontsoa no hibahana amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny fampandrosoana ny finoana. Tsy ny vola aman-karena no miantoka ny fahasambarana marina ; ilaina ny vola fa atao hanampy izy ireny fa tsy tanjona izay mety hatakona ny hafa sy Andriamanitra. Azo atao ny mampiasa ny harena hanompoana ny hafa, ary mitondra amin'ny fahasambarana marina...
♦ Fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina : Naharaisana taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ny kaominina 1.695, ny alatsinainy 30 septambra no hamoaka ny lisitra vonjimaikan'ireo kandidà ny OVEC manerana ny nosy... ♦ Olan'ny vokam-panadinana bakalôrea tany Toamasina : Nandray fepetra hiantso ireo mpiadina afaka tamin'ny alalan'ny "délibération" nefa tsy voasoratra tao anatin'ny peta-drindrin'ny "université" ny sampandraharaha misahana ny fanadinana bakalôrea any an-toerana... ♦ Nahazo tohana tamin'ilay fandaharan'asa Business Linkage Program vatsian'ny Banky Afrikana ho an'ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salatsalany miisa 300 avy amin'ny Faritra 18 teto Madagasikara...
♦ Tsy afaka mirotsaka ho Ben'ny Tanàna any Fianarantsoa, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa... ♦ Fampiroboroboana ny dinika sôsialy eny anivon'ny orinasa, no niadian-kevitra sy nasongadina, nandritra ny fanamarihana ny andro natokana ho an'ny Ivom-pirenena momba ny asa... ♦ Niadian-kevitra an-databatra boribory, niarahan'ny CREA sy ny Ivontoerana fikarohana ho an'ny fampandrosoana eo anivon'ny Université Catholique de Madagascar, ny fanomezan-danja ny maha olona...
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
♦ Antontan-taratasy firotsahan-ko fidian'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa, Andriambolanarivo Parisoa ihany, no voarain'ny OVEC ho an'ny Kaominina Imerintsiatosika... ♦ Zara raha manondrana ny ampahafolon'ny vokatra trondro azo avy amin'ny jono i Madagasikara, isan-taona... ♦ Mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano madio fisotro sy toeram-pivoahana sy fidiovana ny any ambanivohitra...
♦ Miisa fito ireo nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Enin-dahy sy vavy tokana... ♦ Tsy isan'ireo hifaninana ary tsy hanohana kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra Ramatoa Rakotomnaga Rinah... ♦ Mbola tsy anio no hifarana ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mitombo hatrany koa ireo faritra manao hetsika maneho tsy fahafaliana amin'ny tsy fisian-jiro sy rano...
♦ Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 89,32%-n'ny kaominina no manana kandidà, hoy ny tatitry ny CENI. Ny kandidà nirotsaka amin'ny tsy miankina no maro an'isa: miisa 1.542 izy ireo... ♦ Tra-tehaka ihany rehefa notadiavina tao anatin'ny telo taona, ny tompony sy kaomandan'ny sambo M/S Francia III, izay nahafaty mpandeha 88...
♦ Nanatitra ny antontan-taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana teny amin'ny OVEC Isotry androany Andriamatoa Tahina Razafinjoelina, mitarika ny lisitra Tia Tanindrazana amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hisitraka tohana amin'ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana ary tohana amin'ny fitsinjovana ny voina ateraky ny loza voajanahary ireo EPP anatin'ny boriborin-tany miisa telo ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany ny Vovonam-pikambanana Fampivoarana ny Tantsaha na ny FIFATA. Maherin'ny 3.000 isa ireo tantsaha mivondrona ao aminy mihaona sy mifanakalo traik'efa ao Antsirabe...
Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hifarana anio amin'ny 5 ora hariva ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana any amin'ny OVEC manerana ny nosy. Manodidina ny 30.000 ireo olona mirotsaka ho fidiana anatin'ny lisitra 2.900 isa... ♦ Mitera-doza ho an'ny fiaraha-monina ny vaovao tsy marina tonga any aminy. Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao anatin'ny zotram-pifidianana izao hoy ny vovonana VaovaoCheck... ♦ Nidina ifotony teny Andralanitra nijery ny zava-misy ny PDS ao Antananarivo-renivohitra Ramanantsoa Harilala. Manomana tetik'asa handrindrana ny fako ao Andralanitra ny mpitondra fanjakàna sy ny kaominina...
♦ Miisa 29.978 irao olona mpilatsaka ho fidiana voarain'ny OVEC miisa 120, hatramin'ny androany... ♦ Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao antain'ny zotram-pifidianana izao, manolona ny vaovao tsy marina miparitaka eny amin'ny fiaraha-monina sy ny tambajotra sôsialy... ♦ Tsy eken'ny RMDM, izay mety ho fikasana hanemotra indray ny datim-pifidianana, sy ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny fahafahana mampiasa “ordonnance”...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco