Boky Jenezy (Jen. 2, 18-24)
Hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy”.
Ary ny Tompo Andriamanitra,
izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha
sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka,
dia nampiavy azy hankeo amin’i Adama mba hahitany izay hanononany azy avy,
hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen’i Adama azy avy.
Dia nomen’i Adama anarana avokoa ny biby fiompy rehetra,
mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha,
nefa tsy hitany izay ho mpanampy an’i Adama mitovy aminy.
Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso i Adama, dia natory;
ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray, fa nofo no nakombony ho solony.
Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin’i Adama
dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin’i Adama.
Ary hoy i Adama:
“Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko.
Hantsoina hoe vehivavy izy (isha),
satria nalaina avy tamin’ny lehilahy (ish)”.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny;
ary ho nofo iray ihany izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 127, 1-2. 3. 4-5. 6
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
izay mizotra feizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao;
ny zanakao solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo
hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Sy hahitanao ny zanaky ny zanakao.
Ho eo amin’i Israely anie ny fiadanana!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 2, 9-11)
Ry kristianina havana,
Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa,
no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany;
fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana
mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Fa mendrika an’ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra,
izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra,
ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra,
na ny manamasina na ny hamasinina,
hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 2-16)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:
“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”
Ary izao no navaliny azy ireo:
“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”
Dia hoy izy:
“Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy”.
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,
ary ho nofo iray ihany izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona”.
Nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy:
“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa,
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga”.
Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:
“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza
tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely
dia tsy hiditra any”.
Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nisafidy ny hanolotra anarana hafa ho kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo renivohitra ny TIM tohanan'ny Firaisan-kina, taorian'ny tsy fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc hirotsa-kofidiana... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy i Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka omaly ny fanadihadiana MICS-7 momba izany... ♦ Mihamafy hatrany ny olana sedrain'ny mpanjifa amin'ny famatsiana rano sy jiro. Mbola hitohy ny fanapahana jiro mifandimby... ♦ Manao ranolava ny antso amin'ny tokony hisian'ny dinika haingana manoloana ny fifanafihana eo amin'ny Hezbollah ao Liban sy ny fanjakàna israeliana...
♦ Hampitomboina ny fotodrafitr'asa hanofanana ny tanora Malagasy. Hisy lalam-piofanana vaovao, mifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, ihany koa hosokafana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy isika eto Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka andraony teny amin'ny Carlton Anosy ny fanadiahadiana momba izany...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
♦ Fanadinana handraisana mpandraharahan'ny fonja : Efa ampanomanana ny fitsarana ireo antontan-taratasin'ny mpiadina niatrika ny fifaninana ny tompon'andraikitra, mpiadina 600 isa no horaisina tamin'ireo 9.000 isa nandray anjara... ♦ Tanterahina ny 26 hatramin'ny 29 septambra ho avy izao eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny andiany faha-efatra amin'ny hetsika tsenaben'ny hazandrano... ♦ Vonona hiatrika ny vanim-potoam-pahavaratra 2024-2025 ny birao nasiônaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC taorian'ny fiofanana notanterahina teto Antananarivo sy Toamasina... ♦ Nahatsiaro sy nankasitraka ny asan'ny raim-pianakaviana iray mpiaro ny tontolo iainana tany Honduras, maty nisy namono ny Papa François...
♦ Tsy nahazo rariny teo anivon'ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nolavina mantsy ny fitoriana napetrany mahakasika ny fandavan'ny CENI ny fahafahany mirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Olan'ny famatsiana rano avy amin'ny JIRAMA : Faritra maro ao an-drenivohitra no tsy nisitraka rano efa ho amam-bolana, tafakatra 3.000Ariary ny iray daba mavo amin'ny rano raha ny fitarainan'ny mpanjifa... ♦ Miaramila 3 mirahalahy avy amin'ny bataillon RECAMP voatendry namita hiraka tany amin'ny Silaka manokana mpandamina na ny DSS Behara, Distrika Antanimora-Atsimo no lavon'ny dahalo ny sabotsy 21 septambra teo...
Alahady faha-25 mandavantaona - B : Ny fialonana mandrava fitiavana, ny fanetren-tena ahavitana soa ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ny boky ny Fahendrena dia mitondra fampianarana mba hijoro hatrany amin'ny maha mpivavaka na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana maro. Misy fiavahana ny fisainana sy ny fomba fiainan'ny mpino sy ny tsy mpino : manelingelina ny tsy mpino ny fitondran-tena sy ny fiainan'ireo mpino, tian'iretsy voalohany ho tsapaina sy fongorina. Ny mpino dia mila maneho ny finoana ary mangina manoloana ny fandrabirabiana ary mila mijanona amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra.; mijoro hatrany ary tsy mandao ny marina...
♦ Kandidà hiantoka ny fitoniana sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara no tadiavin'ny antoko miara-dia amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina amin'ny 11 desambra izao. Fanehoan-kevitry ny Sekretera Nasiônalin'ny Antoko TGV, Rasoamaromaka Hery... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tao Antsirabe ny pôlisy nahavita fiofanana tao amin'ny ENIAP 1.200 isa mahery, nanome voninahitra izany ny Praiministra... ♦ Singa miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fanamby hotratrarin'ny fitondram-panjakàna ny fampiasan'ny tantsaha ny masomboly nohatsaraina sy ny fampitomboana ny tany volena hoy ny solombavambahoaka Razafindrabary Richard, filohan'ny vaomiera misahana ny fampandrosoana eny ambanivohitra...
♦ Nampitandrina an'ireo manana fikasana hanakorontana mandritra ny zotra-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ity taona ity ny fitondram-panjakàna. Tsy maintsy hadray fepetra mifanandrify amin'izany ny fanjakàna hoy ny mpitondra tenin'ny Governemanta Vola Miranty Dona... ♦ Manantena ny fitsaràna, hitsara am-pitoniana sy am-pahamarinana ny fitoriana napetr'izy ireo ny mpisolo vava an'Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nametraka fitoriana teny amin'ny fitsaràna misahana ny ady amin'ny fanjakàna momba ny fanapahan-kevitra noraisin'ny CENI izy ireo... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faharoa amin'ny foaran'Analamanga ny vokatra Vita Malagasy...
♦ Nitondra fanazavana momba ilay fanovana ny fanomanana ireto antontan-taratasy ilaina amin'ny firotsahan-kofidiana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny eo anivon'ny CENI... ♦ Nampitandrina ireo rehetra manana fikasana hamboly korontana mandritra ny zotram-pifidianana kaominaly, ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Tsy maintsy handray andraikitra amin'izany ny fitondram-panjakana, hoy izy... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faha-2 amin'ny Foaran'Analamanga, tanterahina eny amin'ny Kianjan'ny Barea nanomboka androany, ny vokatra vita malagasy...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Bokin’i Jôba (Jôb. 42, 1-3. 5-6. 12-17)
Namaly ny tenin’ny Tompo i Jôba ka nanao hoe:
“Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.
Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra tsy amim-pahalalana?
Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho,
ny amin’ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!
Mihainoa fa hiteny aho, hanadina Anao aho, ka valio.
Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao,
fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao.
Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin’ny vovoka sy ny lavenona.”
Nambinin’ny Tompo mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tayý aoriana,
ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo.
Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy:
ny voalohany nataony hoe Jemimà, ny faharoa Ketsia, ary ny fahatelo Keren-Happòka.
Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra;
nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izany;
ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.
Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 66 sy 71. 75 sy 91. 125 sy 130
Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny fitsipikao!
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Noho ny fitsaranao dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Mpanomponao aho ka mba omeo fahalalana,
hahafantarako ny fanambarànao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Tamin’izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco