18 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)

17 marsa 2024 — Alahady Fahadimy amin'ny Karemy — Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)

“Hanao fanekena vaovao Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany”

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy,
nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rehefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo: —
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:

“Mahalalà ny Tompo”.

Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, — teny marin’ny Tompo. —
Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 50, 3-4. 12-13. 14-15

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho
diovy tokoa amin’ny hadisoako.

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.

Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Dia hatoroko ny meloka ny lalanao
ka hiverina aminao ny mpanota.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 5, 7-9)

Nianatra ny fanekena i Kristy ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay.

I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana,
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)

Raha maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mahavokatra be.

Tamin’izany andro izany,
nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,
nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea,
ka nihanta taminy nanao hoe:

“Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay”.

Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre,
ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.
Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona.
Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy;
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy,
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko,
ka inona re no holazaiko?
Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity.
Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao.
Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”.

Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Efa nomeko voninahitra Izy,
ary mbola homeko voninahitra indray”.

Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe:

“Kotro-baratra izany”;

fa hoy kosa ny sasany hoe:

“Anjely niteny taminy izay”.

Dia hoy i Jesoa hoe:

“Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.
Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao;
ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina.
Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany
dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”.

Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan'ny Kristiana ny fanendren'ny Papa François an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho Eveka vaovao hitantana ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Nanolotra fanampiana samihafa ho an'ireo tovolahy mpiofana ao amin'ny seminera Prôpedetika Amboara Ambohidratrimo ny "VKM" Vehivavy Misiônera Katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niavaka sy nakotroka ny fankalazana ny famaranana ny taona sy ny taom-baovao Malagasy tamin'ity taona ity. Loha-hevitra nampisalorana izany ny hoe "fifamelana fiombonana, firindrana"... ♦ Tafakatra 31.045 ireo teratany Gazaoui namoy ny ainy vokatry ny ady eo amin'ny Hamas sy ny Tafika Israeliana, raha ny tatitry ny Hamas...

Miantefa amin'ny ray aman-dreny, mpampianatra, ary mpanabe ny antso ; aza avela hiaina irery ao anatin'ny tsy fahalalana sy ny fisalasalana ny tanorantsika fa ampio ary henoy. Ny fanalan-jaza dia famonoana olona an-kitsirano izao ; aza mirona amin'io fihetsika mamoafady io. Mety hamingotra ny aina ny fanalan-jaza satria ohatra vehivavy iray amin'ny 25 no maty, teo am-panalan-jaza tao amin'ny Maternité Befelatanana tamin'ny 1997. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

Ny sakramantan'ny fampihavanana dia ny penitasy izay sakramenta manafaka ny fahotana taorian'ny Batemy. Tamin'i Jesoa nilaza tamin'ny Apôstôly hoe "raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavelo ary izay ho tananareo dia ho voatana" no nanaovan'i Jesoa Kristy ny "penitasy". Ny manafaka ny fahotana amin'ny penitasy dia famotsorana omen'ny Pretra. Ny famotsorana dia famelan-keloka homen'ny Pretra. Misy dingana tokony hajaina rehefa handray ny sakramentan'ny penitasy : fandinihan-tena, manao fiampangan-tena, manantona ny pretra mamboraka ny fahotana, manatanteraka ny asa fanonerana...

♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ireo kandidà 119 avy amin'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nandiso ireo vaovao miparitaka amin'ny Facebook Andriamatoa Marc Ravalomanana, omaly... ♦ Lehilahy iray, 63 taona, indray no tra-tehaka tamin'ny resaka fanolànana, omaly. Voalaza fa efa telo taona izao no nanolany ny zanany vavy vao 18 taona, ity raim-pianakaviana ity... ♦ Mbola maro ireo akon'ireo hetsika fanamarihana ny 8 marsa, nataon'ireo fikambanana samihafa eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra no hifampizarana amin'ny alalan'ny fampahalalana vaovao... ♦ Naneho ny fahavononany handamina ny ady eo amin'ny Rosia sy Ukraine ny filoha Turc, Recep Tayip Erdogan...

Alahady fahaefatra amin'ny karemy : tia antsika mpanota ny Ray ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Ny farisianina dia olona tsy nifankahazo tamin'i Kristy anefa niantso azy hoe Mpampianatra, ho an'ny olona misokatra amin'i Jesoa dia hambarany aminy ny tsiambaratelon'ny famonjena sy ny batemy, ny misterin'ny fijaliana sy ny fitsangana-ko velona ary ny fitsarana farany. I Jesoa no fanomezana lehibe indrindra avy amin'ny Ray, mba hitondra famonjena ho an'ny olombelona sy hananana ny fiainana mandrakizay.

♦ Nanetriketrika ny fankalazana ny 8 marsa nanerana ny nosy omaly. Samy nanana ny endriky ny fanamarihana ny toerana samihafa, ankoatra ny hetsika ôfisialy tany Toamasina, notarihin'ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Mbola vitsy ireo vehivavy sahy misehatra eo amin'ny resaka pôlitika eto Madagasikara. Vehivavy mpanao pôlitika iray no hitondra ny heviny momba ireo sakana ho azy ireo, amin'ny sehatry ny pôlitika... ♦ Nampiakarin'ireo any ifotony ny vidin'ny volamena. Nitaraina ireo mpandraharaha 6 nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa maty antoka izy ireo, vokatr'izany fanararaotana izany... ♦ Mpianatra hatrany amin'ny 300 isa no nisy naka an-keriny tany avaratra-andrefan'i Nigéria...

Misy dingana samihafa ny fiforonan'ny zaza ao am-bohoka ara-tsiansa manomboka eo amin'ny fihaonan'ny tsirinain'ny lehilahy sy ny vehivavy ka hatramin'ny fahatelovolan'ny kibo dia antsoina hoe "embryon" ilay zaza. Mbola ao am-bohoka ny zaza dia efa fantatr'Andriamanitra, rehefa mihaona ny tsirinaina lahy sy tsirinaina vavy dia olombelona no miforona ao amin'iny fotoana iny. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

Ny fanomezana tsara indindra amin'ny fanambadiana dia ny zanaka, tsy zo takina ny zanaka fa fanomezana. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin'izany no hitarika fanamarinam-piamboana fa zo ny hanan-janaka. Ny hanambadiana hiterahana, nataon'Andriamanitra lahy sy vavy ny olombelona hameno ny tany, mba ho maro fara ary hiha betsaka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

♦ Ny ady ho amin'ny fitovian-jo sy fampanajana ny zon'ny vehivavy, no mbola takiana ho antsika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina, tany Toamasina... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha enina nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa nampakarin'ireo mpitrandraka any ifotony ny vidin'ny volamena... ♦ Nanjaka ny asan-dahalo tao amin'ny Fokontany Rangaina, Kaominina Fiaferana, Distrikan'Avaradrano. Nahazo “Poste fixe” ho an'ny zandary ity Fokontany ity...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...