Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...
♦ Tsy azo hihodivirana ny hisian'ireo hery pôlitika samihafa handrafitra ny birao maharitra eny anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka teo aloha Bébin Andriantsizehena... ♦ Mbola handray ny fakon'Antananarivo ao anatin'ny roa na telo taona ny eny Andralanitra... ♦ Nanomboka androany eny amin'ny kianjan'i Betongolo ny fitsarana miaramila taona 2024... ♦ Handefa iraka manokana any Doha i Israely hidinika ny fampitsaharana ny ady any Gaza...
♦Andrasana anio eny Alasora ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny Kaoperativa mpitatitra UCTU sy ny FMA amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Omena lanja amin'ilay hetsika tsenaben'ny tanora tanterahana eny Mahamasina ireo tanora mpandraharaha ; hetsika izay hifarana anio... ♦ Tsy afa-po amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira ny fikambanana miahy azy ireo... ♦ Nametra-pialana tsy hitondra intsony ny antokon'ny mpandala ny nentim-paharazana ny praiministra britanika Rishi Sunak...
♦ Hampitovy tadin-dokanga rahampitso, amin'ny fanapahan-kevitra horaisaina amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika, ny vondron'ny koperativa UCTU sy ny FMA... ♦ Nampahafantarin'ny MNP nanoloana ireo mpiara-miombona antoka androany, ny paikady ao anatin'ny 5 taona... ♦ Tsy afapo amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakana an-keriny ireo olona manana toe-tena varira, ny fikambanana miahy azy ireo...
♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...
♦ Niroso tamin'ny fametrahana tondrozotra hiatrehana ny fandotoana ao anatin'ny 10 taona ho avy, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Manantena ny mponina any avaratra fa tsy ho vonjy tavan'andro ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin'ny Reniranon'Ifasy sy Mahavavy. Manahy izy ireo fa ho tapaka indray ny lalana amin'ny fotoam-pahavaratra... ♦ Mikarakara fampianarana momba ny famokarana sary hosodoko sy ny sary sokitra, ny Tranom-boky Monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, amin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao...
♦ Misy mibodo ny tanin'ny Diôsezin'Antananarivo manana velarana 7 hatramin'ny 9 hekitara eny Ilafy Ambohimangakely, Distrikan'Antananarivo Avaradrano... ♦ Notokanana omaly ny sampana miandraikitra ny fandidiana ny fo misokatra, eny amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana. Nanome voninahitra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nifarana omaly ny fanadinana BEPC. Nisy olana noho ny ambara fa fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, ho an'ny taranja anglisy...
♦ Tanin'ny Diôsezin'Antananarivo, mirefy 7 hatramin'ny 9 hekitara no misy mibodo eny Ilafy Ambohimangakely... ♦ Nihemotra adiny roa ny fanombohan'ny adina taranja anglisy ho an'ny foibem-panadinana maro tao an-drenivohitra sy tany amin'ny faritra, androany maraina. Niparitaka ny filazana fa nivoaka mialoha ny laza adina... ♦ Namoaka fanambarana ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Nametraka fepetra izy ireo momba izay minisitra hotendrena hitantana io minisitera io...
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 2, 1-5)
Loza ho an’izay mieritreritra ny hanao ratsy
sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony!
Raha vao maraina koa tanterahiny izany,
raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Tsiriritiny ny saha, ka alainy;
ny trano koa, ka lasany;
anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Ka izao no lazain’ny Tompo:
“Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,
ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo;
ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.”
Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo
sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:
“Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika;
amidiny ho anjaran’ny vahoakako!
Ahoana no angalany izany amiko?
Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?”
Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina
hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9b, 1-2. 3-4. 7-8. 14
Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra?
no miafina amin’ny andro fahoriana?
Ny olon-dratsy mirehaka;
ny ory forehitra sy voagejan’ny tetika voakaly.
Ny olon-dratsy mirehareha amin’ny fanirian’ny fony;
ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo.
Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy:
ny ambentin-keviny: “Tsy misy Andriamanitra!”
Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka;
ambany lela, fampahoriana sy hasomparana.
Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka:
dia vonoina an-takona ny madio.
Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo,
izay karohinao mba hatao an-tanana.
Ianao Tokin’ny malahelo.
Ianao Mpitahy ny kamboty.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 38, 1-6. 21-22. 7-8)
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa.
Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe:
“Izao no lazain’ny Tompo:
Omeo ny fianakavianao izay didinao,
fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.”
Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa,
ka nivavaka tamin’ny Tompo; hoy izy:
“Tompo ô,
tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho,
ary nanao izay tsara eo imasonao.”
Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.
Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:
“Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe:
Izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Davida rainao:
Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao,
ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.
Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho;
ary hiaro ity tanàna ity.”
Hoy i Izaia:
“Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery,
ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.”
Ary hoy i Ezekiasa:
“Inona no famantarana hahalalako
fa hiakatra any amin’ny tranon’ny Tompo aho?”
Ary izao no famantarana omen’ny Tompo anao,
hahafantaranao fa hotanterahin’ny Tompo izany teny nolazainy izany:
“Indro Aho hampihemotra ny aloka hiverina
araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy;
eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.”
Dia nihemotra ambaratonga folo,
teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo ny masoandro.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Iz. 38, 10. 11. 12abde. 16
Vao misasaka ve ny fiainako,
dia ho faty sahady, hoy aho.
Ka ny androko sisa rehetra,
dia ho very sy hafoiko avokoa.
Tsy hahita ny Tompo intsony,
raha atý amin’ny tanin’ny velona.
Tsy hahita na iza na iza
amin’ny mponina ambonin’ny tany.
Ny fonenako no indro hiongotra
toy ny lain’ireo mpiandry ondry.
Fa ny fiainana mba notenomiko,
hotapahina ho afaka ny haraka.
Fa ny foko mitoky aminao,
ka sitrano aho, Tompo, velomy,
dia hiova ho soa ny anjarako
na mangidy aza izay efa nentiko.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe:
“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”
Ary hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 26, 7-9. 12. 16-19)
Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina;
mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Tompo,
ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina;
ary ny saiko ato anatiko, mikatsaka Anao.
Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsaranao,
dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ry Tompo ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao,
fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Nitady Anao izy nony azom-pahoriana, ry Tompo ô,
noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka,
miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany;
tahaka izany izahay, eo anatrehan’ny tavanao, ry Tompo.
Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay,
dia tsy niteraka afa-tsy rivotra.
Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay,
ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.
Ho velona indray ny olonao efa maty;
hitsangana indray ny fatin’ny oloko.
Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka,
fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana;
ary ny tany hamoaka indray ny maty.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 101, 13-14ab sy 15. 16-18. 19-21
Ianao, ry Tompo, mitoetra mandrakizay;
amin’ny taona rehetra ny lazanao.
Hitsangana hiantra an’i Siôna Ianao:
fa izao dia izao no fotoana fangorahana azy!
Fa mba sitraky ny mpanomponao ny vatony;
mba mahaseriny azy ny vovotaniny!
Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho hary!
Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco