Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 15-17)
Tamin’izany andro izany,
dia nitsangana teo afovoan’ireo havana iray finoana i Piera
(tokony ho roapolo amby zato no isan’izay nivory teo) ka nanao hoe:
“Ry kristianina havana,
tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida
momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
fa anisantsika koa izy,
sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.
Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:
‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany’.
Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika
tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,
hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra,
dia aoka hisy anankiray ho namantsika,
mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona”.
Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy
dia i Jôsefa atao hoe Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina,
ary i Matiasy,
ka nivavaka nanao hoe:
“Tompo ô,
Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra,
ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao,
izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany”.
Dia nanaovany loka izy roa lahy,
ary i Matiasy no nahazo ny loka,
ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 102, 1-2. 11-12. 19-20
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Tahaka ny lanitra mambomba ny tany
ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Naoriny any an-danitra ny fiketrahany,
mifehy ny tontolo ny Fanjakany.
Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny
izay feno hery hankatò ny didiny.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 11-16)
Ry hava-malala,
efa notiavin’Andriamanitra fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika
fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra
ary Andriamanitra ao aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe:
“Ray masina ô,
tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy,
mba ho iray tahaka Antsika izy.
Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao.
Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho,
ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana,
mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
Ankehitriny mankany aminao Aho,
ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao,
mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo,
satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy
no tsy mahaolon’izao tontolo izao azy koa.
Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko,
fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy.
Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy
no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.
Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo.
Ny teninao no fahamarinana.
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao
no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa.
Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho,
mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Misokatra manomboka anio amin'ny distrika 120 manerana ny Nosy ary aharitra 20 andro ny fampielezan-kevitra ho an'ireo kandidà mirotsaka ho fidiana ho amin'ny fifidianana solombavambahoaka tanterahina ny 29 mey izao... ♦ Miato hatramin'ny faran'ny volana mey ny fivoriana eny amin'ny antenimieram-pirenena ho fanomanana sy ho fiatrehan'ireo solombavambahoaka amperinasa mbola mirotsaka ho fidiana amin'ny fifidianana ny 29 mey, hiverina hivory kosa ny birao maharitra ny volana jona... ♦ Olona am-polony no nahiditra am-ponja vonjy maika any Maroantsetra noho ny tsy fandoavana tamberim-bidy nataona mpandraharaha iray misehatra amin'ny La Vanille...
♦ Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Ilana vahaolana maharitra ny olana misy eny amin'ny anjerimanontolo, hoy ny Filohan'ny SECES... ♦ Mitaky fidinana ifotony, iarahan'ny rehetra, hanamarinana ny maha tsy tanimboly nohajarian'ny mponina aman-taonany ao amin'ny Kaominina Antaniditra sy Analasoa, Distrikan'i Moramanga, ny Fiangonana ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...
♦ Nosokafana nanomboka ny antoandro teo ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimieram-pirenena. Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha mpisolo toeran'ny Antenimieram-pirenena nilaza ireo tsy fetezam-pitantanana misy amin'izao... ♦ Misy fahataràna mihoatry ny voalazan'ny lalàna ny fomba fiasan'ny CENI amin'ny fikarakaràna ny fifidianana hoy ny Vovonana Firaisan-kina. Nanao fanambarà)na namaky bantsilana izany izy ireo, omaly... ♦ Nahatrarana fanondranana harem-pirenena indray tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Teran-tany vahiny iray no saika hanondrana biby arovana 31, toy ny tanalahy 20, sokatra ary zanaka bibilava...
♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona ity ireo parlemanta mpanao lalàna manomboka anio. Hifanindry amin'ny fampielzan-kevitra izany ho an'ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitondra fanazavàna omaly ireo Sefo Fokontany 14 noesorina teny amin'ny boriborin-tany faha-IV ao an-drenivohitra. Misy kandidà solombavambahoaka hoy izy ireo no ao ambadik'izao, ka nahatonga azy ireo nitory teny amin'ny fitsaràna... ♦ Nanaiky handray vatsim-pianarana indray ireo mpianatra nitokona eny amin'ny Université Antananarivo. Niova hevitra indray fa tsy nitàna ny teny nomeny amin'ny fitakiana izay efa natombony ireo mpianatry ny faculté de sciences ...
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-95 taonany, i Mompera Giovanni Follese... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ireo teritery sy ny tsy fanarahan-dalàna ny vovonana Firaisankina... ♦ Niova hevitra ka nanaiky ny handray ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana avy amin'ny Minisitra Mpiahy azy ireo androany, ny mpianatra teny Ankatso...
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
♦ Manodidina ny 80% izao ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara raha ny fanadihadiana nataon'ny Baky Iraisam-pirenena ny volana avrily 2024, teo... ♦ Nizara ny traik'efany tamin'ny fampijoroana sy ny asa sahanin'ny filan-kevitra ara-toe-karena sy sôsialy ary ny tontolo iainana tany Maroc ny tompon'andraikitra misahana izany rafitra izany... ♦ Mihamitombo hatrany ireo Malagasy manana olana amin'ny resaka tosi-drà sy ireo tratry ny homamiadana isan-karazany hoy ny tale jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Nisaotra sy nankasitraka ny fikambanana METER izay miady amin'ny fitsiriritana zaza na ny "pédophilie" sy ny fampiasàna ankizy amin'ny horonan-tsary mamoafady i Papa François tamin'ny vavaka Regina Tcheli omaly...
♦ Manavao ilay toro-lalana efa novolavolaina tamin'ny taona 2019 ampahafantarana ny ady sy fifanolanana rehetra mety hitranga amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny SAFIDY... ♦ Tsy misy fiantraikany amin'ny vola mivoaka eo anivon'ny orinasa JIRAMA ny fanaramàna an'i RON WEISS, ho tale jeneralin'ity orinasa ity... ♦ Nahazo ny amboara FAIR-PLAY teo amin'ny taranja baolina kitra ny Radio Don Bosco tamin'nyy tournoi Inter-Média 2024... ♦ Nifarana ny dinika hikatsaham-bahaolana eo amin'ny adin'i Israely sy ny Hamas izay natao tany Egypte, notarihan'i Egypte sy Qatar. Mitaky ny hialan'ny tafika Israeliana any Gaza ny Hamas...
Alahady fahaenina fankalazana ny Paka : Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Miresaka ny "fitiavana" ny vaki-teny telo amin'ity alahady ity : fitiavana Andriamanitra, fitiavana no iainan'ny rehetra (ray, zanaka, mpianatra, samy olombelona). Ny fitiavana ny namana dia mifototra amin'ny fitiavan'i Jesoa antsika olombelona. Andriamanitra no fototry ny fitiavana...
♦ Nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety androany, isika teto Madagasikara. Teny amin'ny Havoria Anosy no nanaovana ny lanonana ôfisialy... ♦ Misy mamingana sahady amin'izao herinandro mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny kandidà Solombavam-bahoaka laharaha faharoa, Augustin Rakotonirina, any amin'ny Distrikan'i Moramanga... ♦ Efa vonona ny kianjan'ny Makis Andohatapenaka, handray ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy, manomboka rahampitso...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco