♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

♦ Namaha olana amin'ny fahasarotana amin'ny famatsiana katsaka hatao sakafom-biby, ny fanafarana ity akora ity. Vahaolana vonjy maika manoloana ny tsy fahampian'ny katsaka anefa ny fanafarana, hoy ny IPA Madagascar... ♦ Vary maherin'ny 50 taonina no tsy maintsy nodorana ao Antsiranana noho ny fahasimbana. Natomboka omaly ny fandorana... ♦ Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity...

♦ Niakatra ho 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitirny, raha toa efa tafidina ho 35% izany telo taona lasa. Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nametraka fotodrafitr'asa fivarotana rano fisotro madio ao Analakely, ny ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny fandrafetana ny drafitra hitantanana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara, na ny PDSEM...

♦ Kandidà efatra no henjehina ara-pitsarana amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Ny roa amin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika... ♦ Niakatra 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitriny. Tsy misy afa-tsy 35% io taha io, noho ny fielezan'ny tsaho nandritra ny krizin'ny Covid-19, teto amintsika... ♦ Mpitsidika maherin'ny 22.000 no andrasana mandritra ny FEPA andiany faha-16, eny Nanisana. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany io hetsika momba ny famokarana io...

♦ Mbola olana goavana eto amin'ny firenena ny kolikoly eny amin'ny fitsarana hatreny amin'ny fonja. Tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana hoy ny transparency international initiative Madagascar... ♦ Nasaina manokana nanatrika ny filan-kevitry ny ministra omaly ny teknisiana eo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara eo amin'ny tetik'asa momba ny rano... ♦ Hahafantatra zava-baovao ankoatra ny voly fanondrana lavanila, ireo hanatrika ny andiany fahasivy amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra Sava, hoy ny governoran'ny Faritra Teddy Gervais Seramila... ♦ Maty nandritra ny tafika an'habakabaka nataon'ny Tsahal, ny antsasak'isa tamin'ireo mpitari-tafiky ny Hezbollah...

Ny mitaiza dia  fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy ho marin-toerana ny fahazoana ny maroanisa eny amin'ny antenimieram-pirenena amin'ny fe-potoam-piasan'ny solombavambahoaka manaraka eo hoy Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Notendrena ny governora mpisolo toerana ao amin'ny Faritra Atsinanana sy Ihorombe. Nesorina tamin'ny toerany koa ny governoran'ny Faritra Itasy sy Vatovavay... ♦ Omena lanja amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra 2024 ny Faritra Sava ny 7 jona hatramin'ny 9 jona ho avy izao. Nosokafan'ny Ministry ny raharaham-bahiny malagasy omaly teny Ansoy ity hetsika ity... ♦ Tafaverina amin'ny fianakaviany ny ankizy Ukreniana miisa 16 noho ny fifanarahana teo amin'ny Kiev sy Rosia...

♦ Mitaky ny famoahana tsy misy hataka andro ny kandidà Olga Ramalason, izay nampidirina am-ponja omaly eny Antanimora, ny RMDM... ♦ Notontosaina androany teny Anosy ny atrik'asa niarahan'ny FAO sy ny J.CIF ary ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandinihana ny paikady iatrehana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Niteraka fizarazarana ho an'ireo mpivarotra eny Ambodin'Isotry ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fanohizana na tsia ny asan'ny orinasa SMGD...

♦ Mananika ny 2.500 Ariary ny iray kapoaka ny vidim-bary amin'izao fotoana izao amin'ny kaominina sasatsasany mandritra ny distrikan'i Nosy-Varika raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mponina avy any an-toerana... ♦ Voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasiôn'ny FMI ny fandaharan'asa "Facilité Elargie de Crédit" sy ny "Facilité pour la Résilience et de Durabilité"... ♦ Tsy mankasitraka ny fitantanan'ny orinasa tsy miankina RANO AN'ALA B ny foto-drafitr'asa famatsiana rano fisotro madio ny mponina any amin'ny kaominina Belavabary, Distrika Moramanga... ♦ Enim-bolana aty aorian'ny nanombohan'ny ady teo amin'ny Israël sy ny Hamas, maherin'ny 130 ireo olona lasa takalon'aina...

♦ Hanimba ny fifantohan'ny mpianatra amin'ny fianarany ny fandalovan'ny zotra teleferika eo ambonin'ny Sekolintsika eny Analamahitsy, hoy ny tompon'andraikitra, ka tsy eken'izy ireo ny handalovan'izany ao aminy. Nandamoka ny dinika nifanaovana tamin'ny fitondrana... ♦ Nifarana ny tetikasa ho an'ny Fambolena Lovainjafy mikajy ny tontolo iainana voarindra na ny PADAP, nanomboka tamin'ny taona 2017. Manodidina ny 100% ny tanjona napetraka no tratra, araka ny tatitra natao androany... ♦ Hampahafantatra ny boky vaovao nampitondraina ny lohateny: "Ny hafatr'ireo tavoahangy plastika", ny Editions Tsipika rahampitso. Boky manabe ny olona hiaro ny tontolo iainana...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 16, 1-10)

Mità makatý Masedônia ka vonjeo izahay.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Derbe sy Listra i Paoly,
ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timôte,
zanaky ny vehivavy Jody sady mpino, fa ny rainy no Jentily.
Tsara laza tamin’ny rahalahy tao Listra sy Ikôniôma izy,
ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy;
dia nalainy izy ka noforàny,
noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany,
satria fantatr’izy rehetra fa jentily ny rainy.
Ary raha nitety tanàna izy ireo,
dia nasainy hotandreman’ny olona
ny didy navoakan’ny Apôstôly sy ny Pretra tany Jerosalema.
Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan’andro.
Nony avy nitety an’i Frijia sy i Galasia izy ireo,
dia noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra any Azia.
Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia,
nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa,
ka nandalo faingana an’i Mizia, dia lasa nankany Trôasy.
Nony alina, nahita tsindrimandry i Paoly:
indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany,
ka nihanta taminy nanao hoe:

“Mità mankatý Masedônia, ka vonjeo izahay.”

Ary rahefa nahita izany izy,
dia nitady hankany Masedônia haingana izahay,
satria nahalala marina fa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Evanjely amin’ny olona any.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 5

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria noarìny;
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)

Tsy olon’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha halan’izao tontolo izao ianareo,
dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo.
Raha olon’izao tontolo izao ianareo,
dia ho tian’izao tontolo izao izay azy;
fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao,
dia halan’izao tontolo izao ianareo.
Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony.
Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo;
ary raha nitandrina ny teniko izy,
dia hitandrina ny anareo koa.
Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako,
satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 22-31)

Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izay zavatra tsy maintsy tandremana.

Taorian’ny fiaraha-midinika tao amin’ilay fivoriana lehibe tao Jerosalema,
dia nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra
ny hevitry ny mpivory;
ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo,
mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy Barnabe:
dia i Jodà izay natao hoe Barsabasy,
sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny rahalahy, no laniny.
Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo:

“Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny rahalahy
avy miarahaba ny rahalahy any amin’ny Jentily,
izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia.
Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatý aminay,
izay tsy nahazo teny taminay velively,
nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo,
dia nivory izahay rehetra,
ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo,
hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay,
lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa indreny i Jodà sy i Silasy nirahinay
hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo.
Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo,
afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:
dia ny hifadianareo hena natolotra tamin’ny sampy sy ny ra
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana;
soa ho anareo ny mifady an’izany.
Veloma.”

Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiôkia;
ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin’izy ireo.
Nony namaky izany ny olona,
dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 56, 8-9. 10-12

Hidera Anao vory vahoaka aho, ry Tompo.

Mitombina ny foko, ry Andriamanitra!
ka mihira sy miantsa aho!
Foha, ry aiko! Foha, ry jejy sy valiha!
Izaho mifoha marainakoa,
fa hidera Anao vory vahoaka, ry Tompo,
hiantsa Anao anivom-pirenena.

Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao,
mahatakatra ny rahona ny Fahamarinanao!
Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)

Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo
izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...