Ny kabary dia antoko iray lehibe ao amin'ny karazan-dahabolana malagasy. Lahateny atao ampahibemaso, enti-mampitra vaovao sy ny tsara ho fantatra eo amin'ny tany ama-monina sy eo amin'ny tany sy fanjakàna. Ny kabary dia avy amin'ny voambolana arabo "kabar" izay midika zava-baovao na filazana, na koa voambolana Soahily "khabai" na "h'abari" na teny Malay "Kabar" izay samy midika ho zava-baovao, vaovao na filazana ny heviny. Ny Kabary dia zava-kanto vita amin'ny teny, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hainteny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenenana...

♦ Nandresy fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny kandidà Andry Rajoelina, raha ny vokatra feno vonjimaika navoakan'ny CENI ny Sabotsy teo. Nilaza ny fahavononany hampitambatra ny Malagasy rehetra izy ary tsy hanao fanilikilihana sy fanavahana... ♦ Nitsipaka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan'ny CENI ny sabotsy teo ny avy amin'ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko. Tonga nialoha nanontany fampitahàna an-tsoratra izy ireo, saika tsy nanatrika ny famoahan'ny ceni ny vokatra vonjimaika... ♦ Nomarihana y sabotsy teo ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fanafoanana ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy eny anivon'ny toeram-piasàna...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 2, 31-45)

Hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay Andriamanitra, ary hotorotoroiny ny fanjakana rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe:

“Nijery ianao, ry mpanjaka ô,
ka indro nisy sariolona lehibe.
Tena makadiry izany sariolona izany,
sady namirapiratra mahagaga;
nijoro teo anatrehanao izy io,
ary mahatsiravina ny fijery azy.
Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany;
volafotsy ny tratrany aman-tsandriny;
varahina ny kibo amam-peny;
vy ny ranjony,
ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.
Mbola mijery eo ianao no indro,
nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana,
namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga,
ka nahatorotoro azy.
Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena,
sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra,
ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany;
ary ilay vato namely ny sariolona kosa,
zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.
Izany no nofy;
ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka,
izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana,
ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra,
na aiza na aiza itoerany,
ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra,
dia ianao no loha volamena.
Manarakaraka anao,
hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao;
manaraka izany,
hisy fanjakana fahatelo, ho varahina,
izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy;
fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra,
toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra,
no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.
Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony,
ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany,
dia satria ho fanjakana mizarazara izy;
hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.
Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany,
dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy.
Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy;
nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga
no tsy hifampitambarany.

Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo,
ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray
tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany;
ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany,
fa izy kosa haharitra mandrakizay,
araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana,
tamin’ny tendrombohitra,
ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena!
Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka
izay ho avy rahatrizay;
marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61

Derao sy ankalazao mandrakizay Izy.

Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Tsy havela hisy vato mifanongoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara
sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:

“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”

Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra,
rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”

Ka hoy i Jesoa hoe:

“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:

‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,

fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”

Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:

“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana
ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa,
dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny Fisehon'ny Pesta : mafana hoditra, marary andoha, reraka tampoka ny marary. Misy karazany roa ny pesta : pesta atoditarimo sy pesta aretitratra. Fambara amin'ny pesta atoditarimo : mivonto ny helika, mivonto ny tenda, mivonto ny foto-pe. Fambara pesta aretitratra : rehoka misy piti-dra, mikohoka, marary ny tratra. Maimaimpoana ny fitsaboana ny pesta eny amin'ny tobim-pahasalamana ka raha vao misy tranga mampiahiahay dia tsara hatrany ny manatona ny toeram-pitsaboana. Ny pesta dia mamono ao anatin'ny andro vitsy raha vao tsy voatsabo ara-potoana. Amin'ny fotoanan'ny fisian'ny doro-tanety sy ny maitso ahitra ary ny fivangongon'ny fako no tena mampirongatra ny pesta noho ny voalavo miakatra an-tanety sy miditra an-trano... 

Ny fanaovana pôlitika dia firotsahana handrindra ny lafin-kery rehetra satria "maro sady tsy mitovy ny olona ka rariny raha samy manana ny heviny izy ireo". Samy mirona amin'ny saim-patany avy ny olona ka ilaina ny hisian'ny fahefana anankiray afaka hampirindra ny herin'ny daholo ho amin'ny soa iombonana mba tsy ho rava ny fanjakàna. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny fahefana politika dia miantoka izay hampirindra ary hampisy ny fiainan'ny ankohonana miara-belona ; tsy misolo vaika ny isam-batan'olona, nany vondron'olona, fa mandamina sy mitari-dàlana, ao anatin'ny fifanajana sy fiahiana ny fahefan'ny tsirairay sy ny vondron'olona, mba hahatomombana ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Natao hanasoa ny vahoaka mba ho afa-miaina tsara ny fanjakàna ; koa "na manahoana na manahoana dia mifanohitra amin'ny maha-olona mihitsy ny hahatonga ny fanjakana ho tsy refesi-mandidy na hanao didiko fe-lehibe ; voahitsakitsaka mafy amin'izany ny zon'ny olona sy ny mpiara-monina". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Mitodika manokana amin'ny kristiana ny konsily ka milaza fa "ohatra no tsy maintsy omeny amin'ny fandraisana adidy sy fahafoizan-tena ho an'ny soa iombonana, ka ny asany no entiny mampiseho fa azo arindra ny fahefana sy ny fahalalahana, ny hevitry ny tena samirery sy ny asa vadi-drano ary ny filàna ny fokonolona miara-monina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Mikasika ny fifandraisan'ny Fanjakana sy ny Eglizy, ambaran'ny Konsily fa miavaka tsara izy ireo ary tsindriny fa tsy voafehin'ny karazam-pitondram-panjakàna na inona na inona ny Eglizy. Na izany aza, asongadin'ny konsily fa "ny hanasoa ny olona tsirairay na ny olona mitambatra no samy kendren'izy ireo, na dia amin'ny fomba samihafa aza. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Lany ho flloham-pirenena tao anatin'ny fihodinana voalohany ny kandidà Andry Rajoelina araka ny vokatra vonjy maika navoakan'ny CENI androany. Andrasana ao anatin'ny 9 andro indray ny vokatra ôfisialy ho avoakan'ny HCC... ♦ Samy tsy tonga nanatrika ny famoahana ny vokatra ôfisialy ny fifidianana filoham-pirenena teny amin'ny CENI androany ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa 12... ♦ Mbola hiresaka manoloana ny feo mandeha amin'ny hisamborana azy ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa... ♦ Niisa 63 hatramin'izao ireo takalon'aina efa nahazo fahafahana ao anatin'ny ady eo amin'ny Israely sy ny Hamas...

Ny Kristiana, ny ankizy, tanora, lehibe dia manana adidy hiaro sy hanompo ny firenena, satria ny asa famokarana sy ny fampitomboana tahirin-karena faobe no hany lalana tokana hampandroso antsika sy ny fanjakan'Andriamanitra. Mila fitoniana ny firenena mba afahana mamokatra sy mifanampy anaty firaisan-kina. Ny tsy fandoavan-ketra sy ny kolikoly, ny fanararaotam-pahefana, ny fitiavan-tena, ny tsy fandriam-pahalemana, ny tsy fisian'ny fandoavana ny fiahiana ara-tsosialy hatramin'ny taona 1975, ny tsy firaharahiana ny soa iombonana sy ny fananana iombonana no fototra manimba ity firenena ity. 

♦ Ho ampahafantarin'ny CENI anio ny vokatra ôfisialy vonjy maika tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nilaza tsy hankatoa ny vokatra ny vondron'ireo kandidà... ♦ Tsy misy afa-tsy fitoriana roa avy amin'ny kandidà ihany no voarain'ny HCC hatramin'ny omaly... ♦ Eo ambany fanaraha-maso ny Fitsarana ireo mpitarika sendikaly roalahy taorian'ny fiakarany fampanoavana androany. Hotanterahana amin'ny 12 desambra ny fotoam-pitsarana... ♦ Feno ny hopitaly any Chine noho ny firongatry ny aretin'ny taovam-pisefoana, indrndra ny pneumonie mahazo ny ankizy, ka mangataka fanampim-baovao momba izany ny OMS...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...