♦ Sarotra ny miaina ny fanetren-tena, fa efantsika izany rehefa miaraka amin’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny fanokafana ny Jobily faha-800 taonan’ny fiainan’ny Fransiskanina… ♦ Tsy manery, fa manaja tanteraka ny fahafahan’ny olombelona Andriamanitra, hoy ny votoatin’ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus, omaly… ♦ Nanavao ny antso mba hisian’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olona ao Gaza, ny Papa François…

Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Mbola mitàna ny heviny ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fifampidinihana momba ny raharaham-pirenena fa tsy ny tontolom-pifidianana fotsiny ny antoko Otrik'afo, manoloana ny toe-java-misy any ankehitriny... ♦ Marihana androany 16 ôktôbra, ny andro eran-tany ho an'ny sakafo. Any Antsirabe Faritra Vakinakaratra no anamarihana izany amin'ny fomba ôfisialy ho antsika eto Madagasikara... ♦ Hanomboka rahampitsy ny andiany faha-efatra amin'ny Vaksiny faobe iadiana amin'ny lefa-kozatra. Manentana ny ray aman-dreny hanao vaksiny ny zanany ny tompon'andraikitry ny fahasalamana any amin'ny Faritra Anosy...

Ny loko dia misy heviny araka ny toetrany. Ny Malagasy dia efa ela no nahay namokatra loko ary akora toy ny tany sy zava-maniry no nampiasainy. Ny tany ravo na malandy na tany fotsy no hazoana loko "fotsy", eo koa ny zava-maniry nonoka ; ny zava-maniry "aika" no mamoaka ny loko manga ; ny tamotamo no manome ny loko "mavo" ary ny manome loko "mainty" dia zava-maniry toy ny ampongabendanitra, voahirana, tatamo, rotra, zamborizano ary ny tany dia ny fota-mainty ; ny nahazoana ny loko "mena" dia ny zava-maniry nato. Ny loko fotsy no misy heviny ratsy indrindra ary ny loko manga no tsara indrindra. Ny loko mena dia taratry ny tanjaka sy hery, midika ho vola. Misy tantara ny hoe "mena ambanin'ny mena" toy ny tretraka akoholahy...

21 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 13. 16-18)

Nanantena izy na dia tsy nisy tokony hanantenany aza.

Ry kristianina havana,
tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany
fampanantenana handova izao tontolo izao,
fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Koa ny finoana no handovana,
mba ho araka ny fahasoavana,
ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana,
dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna,
fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa,
satria raintsika rehetra izy
(araka ny voasoratra hoe: “Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao”)
eo anatrehan’izay ninoany,
dia Andriamanitra mpamelona ny maty,
sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.
Nino izy,
fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza,
ka tonga rain’ny firenena maro,
araka ny voalaza taminy hoe:

“Ho tahaka izany ny taranakao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 6-7. 8-9. 42-43

Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.

Tsaroany mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.

Eny, tsaroany ny teniny masina
tamin’i Abrahama mpanompony;
ka dia navoakany ny olony ka niravo;
sy ireo voafidiny, ka nihoby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)

Ny Fanahy Masina no hanoro anareo eo no ho eo izay tsy maintsy holazainareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy
ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany
izay holazainareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Marihana andronay ny andro eran-tany ho an'ny sakafo. Omen'ny firenena mikambana amin'ny alalan'ny FAO lanja manokana ny anjara toeran'ny rano... ♦ Nahazo filoha vaovao ny Federasiôna Malagasin'ny Baolina Kitra. Voafidy hisahana izany andraikitra izany Andriamatoa Alfred Andriamanampisoa... ♦ Nanokatra ny fampielezan-keviny teo Analamanga tamin'ny alalan'ny carnaval lehibe tao an-drenivohitra ny kandidà laharana fahatelo. Hitohy anio ny hetsiky ny vondron'ny kandidà. Eny Ambodimita indray no fotoanan'izy ireo... ♦ Efa miatrana am-bava-basy any Gaza ny tafika an-tanety israeliana. Miandry baiko hanao haza lambo ny Hamas ireo vata-miaramila an'aliny...

Ny "hernie abdominale" dia fipotsahan'ny taova izay amin'ny lavaka tsy tokony hivoahany na lava tsy nisy, ary tsapa ety ivelany. Ny hernia dia mamorona fivontosana lehibe kokoa na latsaka eo amin'ny rindrin'ny kibo, ao amin'ny faritra valahana; mety zara raha hita na mipoitra fotsiny amin'ny fotoana sasany. Mivoaka na mitombo ny hadiry rehefa mitombo ny tsindry amin'ny kibo (ezaka mikohaka). Misy karazany roa lehibe: hernia faritry ny foitra sy hernia amin'ny hazon-damosina...

♦Tsy azo ifamezivezena ny miditra ao Analakely, hentitra amin'ny sakana ireo mpitandro filaminana... ♦ Efa miala eny amin'ireo toeram-piaingana amin'ireo toerana voatondro ny hetsiky ny vondron'ireo kandidà ao an-drenivohitra ao, misy amin'ireny toerana ireny no nahitàna ireo mpanohana ny kandidà laharana fahatelo... ♦ Mbola tombanan'ny météo hitohy anio ny firotsahan'ny oram-baratra ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Mpanao gazety iray avy ao amin'ny Reuters no maty nandritra ny zera baomba nataon'Israely tao amin'ny sisin-tanin'i Liban...

♦ Tsy azo idirana ao amin'ny kianja 13 mey, ary misy ireo toerana tsy azo itangorongoronana hoy ny prefet an'Antananarivo. Manamafy ny fisian'ny hetsika ary hiainga amin'ny toerana fito (7) samy hafa ny hetsiky ny vondron'ireo kandidà h filoham-pirenena anio... ♦Tsy misy krizy eto Madagasikara  fa azo fehezina ny zav-misy hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Miantso ny mpisehatra mba handinika hamahana izao olana misy izao ny KMF/CNOE...

♦ Nolanian'ireo Loholona IRD, ho Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nilaza ho tsy miamboho adidy izy, raha omena ny fahefana hitantana vonjy maika ny firenena, saingy tsy hiady ny hahazoana izany... ♦ Voasoroko ny fifandonana teo amin'ireo samy mpomba ny kandidà andaniny sy ankilany, teny Ampasapito androany. Afaka nanao ny diabe am-pilaminana nihazo an'i Manjakaray sy Ambodivona, ireo kandidà 11 sy ireo mpomba azy...

♦ Nanao antso avo ny vahoaka Malagasy handala mandrakariva ny fiombonana sy hiaro ny aina ny Vaomieran’ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana… ♦ Hanatanteraka zaikabe ny FTK Arsidiosezy Atsimo Atsinanana ny 27 ka hatramin’ny 29 ôktôbra 2023… ♦ Natokana hivavahana sy hifadian-kanina ho an’ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ho an’ny Tany Masina ny 17 ôktôbra 2023…

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...