Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 24 — 2, 1-3)

Voatendry ho mpandraharahan’ny Fiangonana aho mba hitoriako ny tsiambaratelon’Andriamanitra tsy nambara taloha.

Ry kristianina havana,
ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho,
fa mameno ao amin’ny nofoko
izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Eglizy;
fa voatendry ho mpandraharaha azy aho
noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo,
mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,
dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby,
fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny jentily
ny voninahitr’izany hevi-miafina izany,
dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Izy no torìnay,
ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa
araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy,
araka ny heriny izay iasany fatratra ato amiko.
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo
sy ho an’ny any Laôdisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo,
sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana,
ary hananany fieken-tsaina mazava tsara,
ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,
izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 61, 6-7. 9

Andriamanitra no Famonjena ahy sy Voninahitro.

Eny manko! ao amin’Andriamanitra mianina, ry fanahiko:
fa Izy no tokiko!
Eny manko! Izy no Vatolampiko sy Famonjena ahy,
Fiarovana-avo ho ahy: tsy hihontsona aho!

Matokia Azy lalandava,
ry vahoaka!
Mamosaha fo
anoloan’Andriamanitra tokintsika!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)

Nitsikilo Azy izy ireo na hanasitrana andro Sabata Izy na tsia.

Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:

“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”

Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”

Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nifarana omaly ny lalaon'ny nosy andiany faha-11 nampihatranon'i Madagasikara. Laharana voalohany ny Malagasy, naharo medaly volamena miisa 121... ♦ Hiatrika ny lalao miverina amin'i Angola atsy Luanda ny Barean'i Madagasikara. Nanainga omaély ny delegasiona hiatrika ny andro fahaenina, lalao fifaninantsanana farany, handraisana anjara amin'ny CAN 2023... ♦ Hiatrika ny kôngresy nasiônaly atao etsy amin'ny CCI Ivato ny antoko TGV, antoko najoron'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Nampita hafatra ho an'ireo mpino katôlika any Chine ny Papa François nandritra ny Sorona Masina notarihany tany Mongoli omaly. Aoka ianareo hoy izy ho mendrika amin'ny maha-kristiana ary olom-pirenena fakan-tahaka...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 33, 7-9)

Raha tsy niteny hananatra ny ratsy fanahy ianao, dia hadiniko aminao ny rany.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Ianao, ry zanak’olona no efa notendreko ho mpitily,
ho an’ny taranak’i Israely,
ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao
dia hanaitra azy amin’ny Anarako.
Raha niteny Aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe:

‘Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy’,

ka tsy miteny ianao hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io,
noho izy ratsy fanahy,
nefa hadiniko aminao ny rany.
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao,
hialany amin’ny lalany,
fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany,
dia ho faty ao amin’ny helony izy,
fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 94, 1-2. 6-7

Raha mba mihaino ny feon’ny Tompo ianareo anio, aza manamafy ny fonareo.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin’antsa.

Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika; — isika kosa,
vahoakany, ondry eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!

Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra,
tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 13, 8-10)

Ny fitiavana no fahatanterahan’ny Lalàna.

Ry kristianina havana,
aoka tsy hisy hanan-trosa, aminareo,
afa-tsy ny fifankatiavana;
fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny Lalàna.
Satria ny hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza miampanga lainga,
aza mitsiriri-javatr’olona,
mbamin’ny didy hafa rehetra,
dia voalaza fohy amin’ny teny hoe:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana,
ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny namanao, dia manatòna azy;
ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny namanao;
fa raha tsy mihaino anao izy,
makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa,
dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.

Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny,
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

♦ Mangataka amin'ny HCC hamoaka ny zom-pirenen'ireo kandidà rehetra hirotsaka hofidina ho Filoham-pirenena ny KMF-Cnoe, amin'ny fotoana hivoahan'ny lisitra ôfisialy, ka ao anatin'ny latsa-bato ny Malagasy no hitsara azy ireo... ♦ Tsy ekena ny fandorana ny tranon'ireo olona tsy manan-tsiny, nataon'ny mpitandro ny filaminana, tany amin'ny Fokontany Miary, Soalala, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Betroka... ♦ Manahy ny fahapotehan'ny orinasa Sofitrans, izay hiteraka fahaverezan'asa ho an'ny mpiasa sy ireo mpiara-miombona antoka, ny Sendika Tolon'ny Mpiasa...

♦ Hotanterahana ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, amin'ny talata 5 septambra 2023, ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andiantsoavina... ♦ Homarihana ny sabotsy 2 septambra 2023 ny Taom-bolamenan'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... ♦ Hasandratra ho Olontsambara ny alahady 10 septambra 2023 any Pologne, i Joseph sy Victoria Ulma, miaraka amin'ny zanany fito mianadahy...

♦ Nisara-dàlana tanteraka tamin'ny IRD sy ny fitondrana ankehitriny, Andriamatoa Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Tafapetraka androany maraina teny Ambohidahy ny antonta-taratasy firotsahan-kofidiany amin'ny anaran'ny antoko APM... ♦ Tsy manova ny fanohanan'ireo momba ny Filoha ankehitriny eny ifotony ny fisintahan'ireo Solombavam-bahoaka IRD sasantsasany, hoy ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina... ♦ Velon-taraina ireo mponina ao Miary, vokatry ny ambarany ho fandoran'ny mpitandro ny filaminana ny tanànany...

♦ Tafakatra amin'ny dingana famaranana ny Barean'i Madagasikara, amin'izao Lalaon'ny Nosy faha-11 izao. Tafakatra hiatrika ny lalao famaranana ihany koa ny ekipa malagasy amin'ny taranja Volley Ball, na ny lehilahy na ny vehivavy... ♦ Maro ireo fepetra horaisina sy fandaminana vaovao hatao, hahafahana miatrika ny famaranana ny Lalaon'ny Nosy amim-pilaminana amin'ny alahady izao... ♦ Mbola misy vahaolana ho an'ny famatsian-drano any atsimon'ny nosy, araka ny voka-pikarohana momba ny tahirin-drano any an-toerana, izay navoaka androany...

Ny diabeta dia aretina mitaiza mitranga rehefa tsy mamokatra "insuline" ampy ny sarakaty na tsy mampiasa araka ny tokony ho izy ny "insuline" vokariny ny vatana. Ny "insuline" dia tsirim-panentana mandrindra ny fatra sy mampiditra siramamy ao amin'ny ra sy ny vatan'ny olona. Ny tahan'ny siramamy ara-pahasalamana dia 70mg/dl hatramin'ny 110mg/dl, kanefa ny fitiliana ihany no afaka mamaritra hoe mararin'ny diabeta ny olona iray. Fambara : mivalandrano matetika, mangetaheta lava, tia rano mamy, mazoto misakafo anefa noana lava, rera-dava, mangidihidy lava ny vatana...

♦ Tokony hararaotina hisian'ny diniky ny samy Malagasy handaminana firenena ny fihaonambe nasiônalin'ny FFKM izao hoy ny Vondrona Politika APOGENIE. Anisan'ireo nitondra soson-kevitra ho an'ny raharaham-pirenena tamin'ny FFKM izy ireo... ♦ Mbola nanome antoka ny Praiministra fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 3 novambra. Karazan'ny namaly ny ahiahin'ireo kandidà sasany, izay tsy mbola nandrotsaka ilay anto-bola 200 tapitrisa Ariary ny lehiben'ny Governemanta... ♦ NItondra fandaminana vaovao ny mpikarakara ho an'ny fidiran'ny mpijery amin'ny famaranana ny lalaon'ny nosy amin'ny alahady izao. Tsy maintsy manana tapak'ila ny mpijery, mba tsy hisian'ny fifanosehana toy ilay nahafaty olona 13 tamin'ny zoma teo...

♦ Kandidà miisa 8 amin'ireo hirotsan-ko fidiana no namoaka fanambaràna miaraka omaly. Tsy afaka hirotsaka intsony ny filoha ankehitriny, raha ny voalazan'ny lalàna mifehy ny fizakàna ny zom-pirenena malagasy hoy izy ireo... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka ny Tonia Mpampanoa Lalàna omaly hariva fa tsy nisy ny fampiantsoana ny filoham-pirenena teny amin'ny fitsaràna momba ny zom-pirenena... ♦ Tafakatra 194 ny medaly azon'i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy. Raha ny tarehimarika ôfisialy farany nivoaka omaly hariva dia nandrombaka medaly volamena miisa 83 i Madagasikara hatramin'ny omaly... ♦ Mivoatra ilay raharaha fanonganam-panjakàna tatsy Gabon, notendrena ho filohan'ny tetezamita ny Jeneraly Brice Oligui Ngema...

♦ Kandidà valo amin'ireo hirotsaka hofidiana no namoaka fanambarana miaraka androany. Tsy afaka hirotsaka intsony ny Filoha ankehitriny, raha ny voalazan'ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, hoy izy ireo... ♦ Namoaka fehin-kevitra ny SECES androany, tao aorian'ny fivoriana nandinihana ny raharaham-pirenena. Nandroso soson-kevitra hanavotana ny firenena izy ireo... ♦ Tafakatra ho 161 ny medaly azon'i Madagasikara hatramin'ny androany, amin'ny Lalaon'ny Nosy tanterahana eto amintsika...

♦ Andro faharoa amin'ny fihaonambe nasiônaly tanterahin'ny FFKM, miaraka amin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena ny anio. Samy manana ny fahitany izany sy ny andrasany amin'izany ireo mpanao pôlitika... ♦ Nidera ny ezaka vitan'ny Ministra Edgard Razafindravahy amin'ny fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara ny tompon'andraikitry ny IFC Madagasikara, izay sampan'ny Banky Iraisam-Pirenena... ♦ Fiforonana asa anarivony, fahazoana fotodrafitr'asa, fihatsaran'ny tontolo iainana, fandrosoana ara-tsôsialy no isan'ny tombontsoa azon'ireo mponina any amin'ny Kaominina ambanivohitra Mandoto tamin'ny fametrahana ny valan-java-boahary Madagasikarantsika...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...