Nandrombaka ny medaly volamena ho an'ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin'ny fifaninana eran-tany amin'ny famokarana cacao mifanaraka amin'ny kalitao takian'ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin'ny vondron'ny kaoperativa Lazan'i Sambirano any amin'iny Faritra Diana iny tamin'ny taona 2021. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo...
♦ Raha voamarina sy hanana porofo ny famezivezena kandia amin'ny fifidianana filoham-pirenena, amin'ny fikarakarana tartasy eny amin'ireo sampandraharaham-panjakàna isan-tsokajiny dia hisy ny fandraisana fepetra nifandraika amin'izany hoy ny filohan'ny HCC... ♦ Ny ahafahan'ny Malagasy mifampiresaka sy mifampihaino manoloana ny olana misy eto amin'ny firenena no isany tanjona amin'ilay fihaonambe karakarain'ny FFKM eny Mandrimena mandritra ny telo andro nanomboka omaly... ♦ Hampihemotra ny mpandraharaha vaventy maniry hampiasa vola eto amintsika ny tsy mbola firosoan'ny fitondram-panjakàna amin'ny fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena ankibon'ny tany, hoy ny FOM...
♦ Tsy maintsy handraisana fepetra ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny, voamarina fa sakana amin'ny tsy fahafenoan'ny antonta-taratasin'ireo kandidà, hoy ny Filohan'ny HCC... ♦ Tanjona amin'ny fihaonamben'ny FFKM, atao eny Mandrimena, ny hahafahan'ny samy Malagasy mifampihaino... ♦ Nivoaka androany ny lisitr'ireo afaka tamin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, farany teo...
9 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 21-23)
Ry kristianina havana,
taloha ianareo dia lavitra an’i Kristy sy fahavalony,
tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,
fa ankehitriny kosa nampihavanin’Andriamanitra amin’ny Tenan’i Kristy nofo tamin’ny nahafatesany,
mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin’ny finoana,
ary tsy azo tsoahina hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely,
izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly,
ho mpandraharaha.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 53, 3-4. 6 sy 8
Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho;
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko;
mampandria sofina amin’ny tenin’ny vavako.
Indro Andriamanitra manampy ahy;
ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko.
Koa avy misorona amin’ny hazavam-ponao aho!
Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan’ny Anaranao!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Indray Sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany,
ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:
“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”
Sady nampiany hoe:
“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 15-20)
I Kristy Jesoa no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita;
Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany,
dia ny hita sy ny tsy hita,
na fiandrianana,
na fiamboniana,
na fifehezana,
na fahefana;
taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Izy no talohan’ny zavatra rehetra,
ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy;
Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty,
mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;
satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray,
rahefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana,
dia tamin’ny tenany, na ny etý an-tany na ny any an-danitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
ka fo falifaly anompoana ny Tompo;
tongava eo aminy, mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina
no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”
Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:
“Tsy misy olona manampina lamba tonta
amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra,
ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra
ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao,
dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy
ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe:‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
8 septambra 2023 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 5, 1-4a)
Izao no nolazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betlehema Efratà,
kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy ho mpifehy amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy
mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy,
ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony,
ary handry fehizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay,
hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)
Ry Kristianina havana,
fantatsika koa fa ny zavatra rehetra
dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 12, 6ab. 7de
Matoky ny Hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa ataonao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)
Filazana ny razan’i Jesoa Kristy,
Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama:
I Abrahama niteraka an’i Isaaka;
i Isaaka niteraka an’i Jakôba;
i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;
i Faresa niteraka an’i Esrôna;
i Esrôna niteraka an’i Arama;
i Arama niteraka an’i Aminadaba;
i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;
i Naasôna niteraka an’i Salmôna;
i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba;
i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;
i Obeda niteraka an’i Jese;
i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka;
i Davida niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an’i Asà;
i Asà niteraka an’i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an’i Jôrama;
i Jôrama niteraka an’i Oziasa;
i Oziasa niteraka an’i Jôatama;
i Jôatama niteraka an’i Akaza;
i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an’i Manase;
i Manase niteraka an’i Amôna;
i Amôna niteraka an’i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna,
i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;
i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda;
i Abioda niteraka an’i Eliakima;
i Eliakima niteraka an’i Azôra;
i Azôra niteraka an’i Sadôka;
i Sadôka niteraka an’i Akima;
i Akima niteraka an’i Elioda;
i Elioda niteraka an’i Eleazara;
i Eleazara niteraka an’i Matàna;
i Matàna niteraka an’i Jakôba;
ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa
vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa,
ilay natao hoe i Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta-hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”
Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:
“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 18-23)
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta-hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”
Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:
“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 9-14)
Ry kristianina havana,
hatramin’ny andro nandrenesanay ny fitiavanareo,
dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay;
ary izao no angatahinay:
mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra,
amin’ny fahendrena amam-pahazavàn-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra;
mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo,
sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo,
ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
ary misaotra ny Ray,
izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olomasina any amin’ny mazava,
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina,
ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 2-3a. 3de-4. 5-6
Hitan’ny firenena rehetra
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra.
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Ndao, antsao am-baliha ny Tompo;
anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara
enti-midera ny fiandrianany!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Tamin’izany andro izany,
raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa,
dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy
(fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),
dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna
ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany,
vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rahefa nitsahatra niteny Izy,
dia nanao tamin’i Simôna hoe:
“Mandrosoa eny amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”
Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy:
“Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay,
fa tsy nahazo na inona na inona;
nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”
Nony nanao izany izy,
dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony.
Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo
mba ho avy hanampy azy:
dia tonga ireo,
nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo.
Nony nahita izany i Simôna Piera
dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe:
“Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.”
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy,
noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede
izay iray raharaha tamin’i Simôna.
Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna:
“Aza matahotra,
fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.”
Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo
ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Misy amin'ireo mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena no miahiahy sahady amin'ny tsy hisian'ny fifidianana madio sy mangaraharaha amin'ny 9 novambra. Kandidà iray no nametraka taratasy fitarainana teny amin'ny HCC... ♦ Namoaka fanambaràna manoloana ny zava-misy eny amin'ny Anjerimanontolo ny Ministeran'ny Fampianarana ambaratonga ambony. Fanambaràna miantso ny SECES, mba hamita sy hamarana ny taom-pianarana, araka ny tokony ho izy... ♦ Nihoatry ny 100 nanomboka omaly ny medaly azon'i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy tanterahina eto amintsika. Medaly volamena avokoa ny antsasak'ireo, raha ny antontan'isa ôfisialy nivoaka ny maraina...
♦ Vaky ambatolampy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy zanaky ny Amiraly Ratsiraka. Tsy mankatoa ny hampiasàna ny anaran'ny antoko AREMA amin'ny fifidianana amin'ny 9 novambra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hitombo 10% ny tahan'ny vahoaka hisitraka herinaratra eto Madagasikara, aorian'ny volana marsa 2024. Olona 2 tapitrisa no hisitraka tetik'asa roa lehibe izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola... ♦ Mitarika amin'ny fandrombahana medaly i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy andiany faha-11 tanterahina eto amintsika. Nahazoantsika medaly volamena maro ihany koa ny taranja Taekwondo...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco