Ny toetsaina mifaninana mifampitaha dia efa nisy hatramin'izay ary nivoatra tsikelikaly. Ny fifaninana dia efa voajanahary mba hahafahana mandroso amin'ny dingam-piainana tsara kokoa. Amin'ny maha olombelona antsika dia nampiasa saina isika mba hafahantsika mandalina kokoa ny mikasika ny fifaninanana sy ny fifampitahana. Misy olona enefa tsy afaka ny hifaninana sy hifampitaha noho ny tsy fitovian'ny niaingana (ara-batana, fananana, fanabeazana, sehatra iainana...). Ny toe-tsaina mifaninana sy mifampitaha dia tsy azo hirobohana tsy ampy fiheverana fa mila fandanjalànjana fepetra maromaro, tokony olona mitovitovy no mifaninana amin'ny lafin-javatra maro.
♦ Tsy misy mahasakana ny hetsi-pitakiana ataon'ny sendikà SECES izay fitakiana voaaron'ny sata ary am-pilaminana hoy ny sendikà androany teny Ankatso... ♦ Ezahana hiakatra 10% isan-taona ireo mpianatra misitraka ny fampisakafoana an-tsekoly. Efa maherin'ny 1.000.000 isa izy ireo ankehitriny... ♦ Manao antso avo amin'ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena ny fianakavian'ireo roalahy voalaza fa maty notifirin'ny zandary tany amin'ny Kaominina Bebaboka, distrikan'i Maintirano...♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny fihaonana eo amin'ny filoha Russe sy ny filoha Koreana tavaratra ny Amerikana, manoloana ny ady any Ukraine...
Ny tontolo iainana dia izay iriariavan'ny olona : ny tany, ny ala, ny rano, ny tanàna, ny faritra honenana sy izay rehetra eo aminy. Ny tontolo iainana dia ilay tandrovina sy kajiana ary arovana. Ny tontolo iainan'ny olona dia misy sehatra roa lehibe dia ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra. Ho fikajiana ny tontolo iainana dia tandremanana ireo izay mety hiteraka vahavoazana mihatra amin'ny aina sy ny mihatra amin'ny saina. Ireo fahasimban'ny tontolo iainana mihatra amin'ny saina dia azo raisina ohatra ny mikasika ireo teny sy voambolana hampiasaina amin'ny dokam-barotra mampiasa teny diso na mampifangaro ny teny vahiny amin'ny teny malagasy...
♦ Manamafy ny antso amin'ny fandraisana andraikitry ny rehetra mba hisian'ny fitoniana eto amin'ny firenena ny FFKM. Nisy fihaonana teo amin'ny FFKM sy ny filohan'ny repoblika omaly... ♦ Misy ny mizàna tsindrina ila amin'ny fahafahana manao hetsika sy maneho hevitra pôlitika eto amin'ny firenena hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, taorian'ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana teny Mandriamena... ♦ Tsy misy fiovana goavana ny rafi-panabeazana amin'izao taom-pianarana nanomboka omaly izao, hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nampanantena ny hamerina ny fahefana amin'ny sivily amin'ny alalan'ny fifidianana madio sy mangarahara ny filohan'ny tetezamita any Gabon, nandritra ny fianianana nataony...
♦ Tsy tafiditra tao amin'ny efitrano saika hanaovany fikaonan-doha teny Andoharanofotsy androany, ireo mpanao pôlitika ivelan'ny fitondrana. Nizotra ara-dalàna kosa ny Kôngresy Nasiônalin'ny antoko TGV, tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Manao antso avo ho an'ny olom-pirenena Malagasy rehetra, hifanome tanana aminy, hanavotra ny firenena sy ny tanin-janaka iombonana ny kandidà Andrianainarivelo Hajo... ♦ Tsy misy fiovana goavana ny rafi-panabeazana amin'izao taom-pianarana nanomboka androany izao, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena...
♦ Raiso ho antson'Andriamanitra ny fikatrohana ao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo, hoy i P. Pierre Marcial Rakotomahefa, tamin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Ankalazao ny Tompo... ♦ Nanentana ny tanora hihazakazaka hitondra an'i Jesoa tsy amin-tahotra eo amin'ny fiainana, i Mgr Alfredo de Nobrega, tamin'ny famaranana ny JMJ Diôsezy faha-7, tao Mananjary... ♦ Nifarana androany ny famangiana apôstôlika nataon'ny Papa François tao Mongolie...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 15-17)
Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao:
Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota,
ary izaho no lohany indrindra aminy;
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po,
dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha,
mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie,
dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana,
ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 112, 1-2. 3-4. 5a sy 6-7
Derao, ry mpanompon’ny Tompo.
Derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva:
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ka miondrika Izy mijery,
na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory,
esoriny avy eo ny mahantra.
Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy,
na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo,
na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara
avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa
mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko,
nefa tsy manao izay lazaiko?
Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy
ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:
tahaka ny olona anankiray manao trano izy,
izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy,
ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany,
nefa tsy nampihontsona azy akory izany,
satria tsara orina tambony vatolampy izy.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka,
dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony
eo ambonin’ny tany tsy àry fototra,
ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay,
ary loza ny faharavan’izany trano izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fiantombohan’ny taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 1-2. 12-14)
I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy,
araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,
mamangy an’i Timôte, tena zanako amin’ny finoana:
ho aminao anie ny fahasoavana, sy famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho,
fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny,
sady mpanenjika sy mpanao an-keriny;
kanefa nahazo famindram-po aho,
satria tsy fahalalana no nanaovako izany,
noho izaho tsy mbola nanam-pinoana,
fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana
izay ao amin’i Kristy Jesoa,
dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 15, 1-2a sy 15. 7-5. 11
Andriamanitra Tompo ô, ambeno
fa Ianao re no hany hifefeko.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Ka isaorako, Tompo, Ianao
fa nanolotra saina, fanahy.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy.
E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany.
Ho finaritra mandrakizay,
izay mitoetra eo ankavananao.
Aleloia. Aleloia.
Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany:
“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana
no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:‘Ry rahalahy,
aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao;
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka
amin’ny mason’ny rahalahinao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 12-17)
Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny Salamo aman-kira fiderana,
mbamin’ny tononkira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6
Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!
Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin-jejy sy sodina!
Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo
ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao,
aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao,
dia aza mitaky izany aminy intsony.Izay tianareo hataon’ny olona aminareo,
no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo,
fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany,
mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo,
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra,
sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy handrotsaka kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 9 novambra izao ny antoko Fiombonana. Izay no tapaka nandritra ny kôngresy nataon'ny antoko teny Ambatomirahavavy, Distrika Arivonimamo. Tsy mbola lavorary ny fepetra hisian'ny fifidianana hoy ireo mpikambana nandray anjara.... ♦ Very vokatry ny halata herinaratra ny 30% amin'ny vola tokony miditra amin'ny orinasa JIRAMA. Mampitandrina an'ireo izay mbola manao izany ny orinasa fa hiroso amin'ny famaizana mafimafy ho an'izay tratra manao izany... ♦ Mbola nametrahan'ny mpisolo vava ny fitokisany hitarika ny holafitra misy azy ireo ny Maître Raondry Alain. Tontosa ny sabotsy teo ny fifidianana....
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 1-11)
Ry kristianina havana,
raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony,
amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo,
ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika,
vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo,
dia ny an’ny etý an-tany, izany hoe:
ny fijangajangana,
ny fahalotoana,
ny fahavetavetana,
ny fanirian-dratsy,
ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra
amin’ny zanaky ny tsy finoana;
niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha
fony ianareo nanaraka izany fiainana izany.
Fa ankehitriny kosa,
ario koa izao zavatra izao:
dia fahatezerana,
fahavinirana,
fahasomparana,
fitenenan-dratsy,
teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
aza mifandainga ianareo,
fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin’ny asany,
ary efa notafianareo ny olom-baovao,
izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary
araka ny endrik’ilay Nahary azy,
ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody,
voafora na tsy voafora,
baribarianina na Sita,
andevo na olona afaka,
fa izao ihany:
i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 2-3. 10-11. 12-13ab
Misaotra Anao, isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra,
tsy azo takarina ny halehibeny.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Ho fantatry ny olombelona anie ny Asanao mahery,
sy ny voninahitra ary ny harevaky ny Fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao,
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:
“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona,
horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena,
fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 2, 6-15)
Ry kristianina havana,
araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo,
no aoka handehananareo ao aminy koa,
ka hamaka tsara sy hiorina ao aminy ary hohamafisin’ny finoana
sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany,
amin’izany hoe fahaizan-dalina,
izay famitahana foana avy amin’ny hevitr’olombelona
sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao,
fa tsy araka an’i Kristy.
Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany;
ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra,
fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fifehezana sy fahefana;
tao aminy no namoràna anareo tamin’ny famoràna tsy nataon-tanana,
izay manala ny tena nofo, dia tamin’ny famoràn’i Kristy;
fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny Batemy,
ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa,
noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona.
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo,
dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray,
nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.
Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika,
sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany,
tamin’ny nanomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana,
sady nasehony miharihary ho fizahan’ny olona
ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 1-2. 8-9. 10-11
Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka,
sy misaotra ny Anaranao, ry Ilay mandrakizay.
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo,
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera,
sy i Andre rahalahiny,
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Jodà rahalahin’i Jakôba,
sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka,
izay tonga teo mba hihaino Azy,
sy mba hositraniny amin’ny aretiny:
dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto,
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra,
satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco