Bokin’i Izaia Mpaminany 8, 23b — 9, 3
Toy ny nanotofan’ny andro taloha
fahafahambaraka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali
no hamenoan’ny andro farany voninahitra,
ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany,
ary ny faritanin’ny firenena.
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan’ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao ianao,
ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao,
toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin’ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao,
toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 1. 4. 13-14
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko aminao, ô ry Tompo:
ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.
Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo
ho hitako any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 10-13. 17
Ry kristianina havana,
mihanta aminareo
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho,
mba hiray teny daholo ianareo,
ka tsy hisy fisarahana eo aminareo,
fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina
sy hevitra avokoa ianareo.
Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e,
fa hoe misy fifandirana ao aminareo;
izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe:
“Izaho an’i Paoly”;
ny sasany kosa manao hoe:
“Izaho an’i Apôlô”,
na:
“Izaho an’i Sefasy”.
Voazarazara va i Kristy?
Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo?
Sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo?
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy,
fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa,
fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-23
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:
Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.
Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:
“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.
Ary raha nitsangantsangana
teny amoron’ny ranomasin’i Galilea i Jesoa,
dia nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny,
nanarato tao amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:
“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo”.
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo
ka nanaraka Azy.
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-17
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:
Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.
Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:
“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala sy ny fametrahana azy ho Mpinadry ondrin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nanatanteraka ny Andron'ny fiainam-panahin'ny Finakaviambe Salezianina, ny Salezianina eto Madagasikara, omaly... ♦ Rehefa avy nanao batemy an'i Jesoa teo Jordany i Joany Batsista, avy hatrany dia nanatanteraka ny iraka ho azy, tsy nila dera ary tsy niandry valisoa. Nanentana ny pretra rehetra sy ny relijiozy ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hoentanin'io fanahin'ny fanompoan'i Joany Batista io...
♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...
Ireo antony mahatsara ny fianakaviana : mahay mifampikarakara, mifampihaino, mifanakaiky am-po ary mahay mifampahery. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 9, 2-3. 11-14
Ry kristianina havana,
nisy tranolay natao,
ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina,
dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana,
sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.
Ary ny efitra lamba faharoa kosa,
dia atao hoe fitoerana masina indrindra.
Fa i Kristy kosa,
nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra,
tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny
niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy,
ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy,
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy
izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny
tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana!
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!
Antsao Andriamanitra! antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra;
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena;
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 20-21
Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany
dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:
“Efa very saina Izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 8, 6-13
Ry kristianina havana,
ankehitriny dia voatendry
hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
Eny tokoa,
satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany,
dia tsy misy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra
no miteny toy izao:
“Indro, hoy ny Tompo,
ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao
amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Joda;
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo,
tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy
nivoaka avy tany Ejipta,
izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”,
hoy ny Tompo;
“fa fanekena toy izao kosa no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany”,
hoy ny Tompo:
“Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko,
ary hosoratako ao am-pony;
ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo,
ary izy kosa ho vahoakako.
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy,
na hanao amin’ny rahalahiny hoe:
Mahalalà an’Andriamanitra.
Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,
hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Satria havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany.”
Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy,
amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao;
ary izay hoe tranainy sy efa antitra
dia efa madiva ho levona mihitsy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 8 sy 10. 11-12. 13-14
Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao!
Omeo anay ny famonjenao.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny,
ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana;
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana eo amin’ny soritry ny diany!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 13-19
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina
sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 25 — 8, 6
Ry kristianina havana,
i Jesoa no mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany,
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika:
masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota,
voasandratra avo noho ny lanitra;
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa
ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa;
fa indray mandeha monja Izy no nanao izany
tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe:
fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa
dia manendry ny Zanaka,
izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
Fa izao no tompon’ny zavatra lazaina amin’izao,
dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany,
izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra,
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina
sy tena tranolay tsy naorin’olona,
fa naorin’ny Tompo.
Satria ny mpisorombe rehetra,
dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona,
ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy.
Raha ety an-tany,
dia tsy mba ho mpisorona akory izy,
satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna;
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny
no fanompoana ataony araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy
ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe:
“Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao
tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.”
Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra,
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: “Inty aho tamy.”
“Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny Lalànao!”
Torìko ao am-piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo;
tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao
hivolan-dava hoe: “Lehibe ny Tompo!”
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo,
ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 7-12
Tamin’izany andro izany:
Lasa nankany amin’ny ranomasina
niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema,
sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany,
ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna
no nankeo aminy nony nandre ny nataony.
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy
mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo
noho ny habetsahan’ny vahoaka
fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy,
ka nifanesika hanendry azy
izay rehetra nanana aretina.
Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto,
dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe:
“Ianao no zanak’Andriamanitra”;
fa rarany sy rahonany mafy izy ireo
mba tsy hanao izay hahafantarana azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 1-3. 15-17
Ry kristianina havana,
io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema,
mpisoron’ny Avo indrindra,
nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra;
— “mpanjakan’ny fahamarinana” no hevitr’anarany voalohany,
vao “mpanjakan’i Salema” koa,
izany hoe “mpanjakan’ny fiadanana”;
tsy ray tsy reny izy,
tsy nanana tantaram-pirazanana izy,
tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana —
ka nampitoviana tamin’ny Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany,
rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho
tahaka an’i Melkisedeka:
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo,
fa araka ny herin’ny fiainany tsy manam-pahataperana,
fa toy izao no anambaràna azy:
“Ianao no Mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 109, 1. 2. 3. 4
Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”
Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
“Avy ao Siôna,
manjakà hatr’anivom-pahavalo!”
Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 1-6
Indray Sabata,
i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.
Ary nizaha taratra Azy ny sasany
na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia,
mba hiampangany Azy.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:
“Mitsangàna etsy afovoany.”
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona:
“Inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy,
sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony,
ary nilaza tamin-dralehilahy hoe:
“Ahinjiro ny tananao.”
Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Ary lasa nivoaka ny Farisianina:
ka niaraka tamin’izay
dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina
hanao izay hahavoazana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hotanterahana ny 15 janoary 2023, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendrin'ny Papa ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Tafiditra ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny Sinaody andiany fahafito izay iainanan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izy ireo ankehitriny, ifanentanana amin'izany ny hoe "Diôsezy maitso"... ♦ Ny 22 janoary 2023, no hankalazan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay natokana hitondrana am-bavaka sy hanohanana azy ireo...
Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.
Noho ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana sy ho fandraisana ny Taona Vaovao 2023, dia mirary soa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina
Noho ny fahatongavan'ny Taona Vaovao 2023, dia mitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka kristianina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, Filohan'ny Eklesia Episkôpaly Malagasy, sady Filohan'ny FFKM
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco