Ny fisolona tena ny tanàna na ny faritra na ny firenena dia faneohoana fitiavana tanindrazana. Miombona alahelo ho an'ireo izay nanana havana namoy aina tamin'ny loza nitranga nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy, ary mirary fahasalamana ho an'ireo naratra. Ny lalao dia mitaky fitsipika sy lalàna. Ny zava-maneno dia zava-dehibe ary mila fitandremana ny fifehezana azy, indrindra ny mikasika ny feo sy ny zava-maneno. Ireo olomalaza tamin'ny famoronan-kira sy fihirana dia saika olona niaina ny finoana avokoa...
♦ Nisokatra omaly ny fametrahana ny taratasy firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana. Tsy mbola nisy kandidà nanatitra ny antontan-taratasiny omaly... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny sata fitsipi-pitondrantenan'ny mpanao pôlitika. Nanao sonia izany ny antoko miisa 35... ♦ Manomboka mirongatra indray ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara amin'izao ankatoky ny fifidianana izao hoy ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny harena voajanahary. Maro ny tranga nanomboka ny volana jona teo...
♦ Mbola tsy nisy kandidà nanatitra ny taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC, hatramin'ny androany. Misy amin'ireo kandidà no mitaraina amin'ny fomba famenoana ireo antotan-taratasy ilaina... ♦ Manomboka mirongatra indray ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara, amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy ny Alliance Voahary Gasy. Maro ireo tranga tsikaritr'ity Firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity... ♦ Nitso-drano ireo atleta malagasy 485 mianadahy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara amin'ny Lalaon'ny Nosy, ny Filoham-pirenena...
26 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Bokin’i Rota (Rota 2, 1-3. 8-11 ; 4, 13-17)
Nanana havam-bady anankiray i Nôemi,
lehilahy manan-jo sy manan-karena,
avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io,
ary Bôôza no anarany.
Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin’i Nôemi:
“Mba te-handeha ho any an-tsaha aho
hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.”
Ka hoy izy namaly azy:
“Andeha, anaka.”
Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary
tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja,
ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Bôôza,
fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.
Dia hoy i Bôôza tamin’i Rota:
“Izao no izy, anaka:
Aza mandeha mitsimpona any amin’ny tanimbary hafa,
aza miala eto,
fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizivaviko.
Jereo izay tanimbary hojinjaina dia manaraha eo aorian’ireo.
Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao.
Ary raha mangetaheta ianao,
mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.”
Tamin’izay,
dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany,
ka nanao taminy hoe:
“Inona no mba nahitako fitia teo imasonao
ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?”
Dia hoy ny navalin’i Bôôza azy:
“Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho;
sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao,
ka nankanesanao atý amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.”
Dia nampakarin’i Bôôza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Bôôza.
Ary nampanana anaka an’i Rota ny Tompo ka niteraka zazalahy izy.
Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemi:
“Hisaorana anie ny Tompo
fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny.
Hankalazaina anie ny Anarany eo amin’i Israely!
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao,
fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao
ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.”
Dia noraisin’i Nôemi ny zaza ka nataony teny antrotroany,
ary izy no nitaiza azy.
Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy, ary nanao hoe:
“Nahazo zazalahy i Nôemi”,
ka nataony hoe Obeda ny anarany.
Izy no rain’i Izaia, rain’i Davida.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany.
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao.
Ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo.
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Tamin’izany andro izany i Jesoa,
niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany hoe:
“Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
ka atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe mpampianatra;
fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
25 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
♦ Horaisina anio eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny afo ho an'ny lalaon'ny nosy rehefa avy nitety ny renivohi-paritany 5... ♦ Mizarazara ny hevitry ny mpanao pôlitika manoloana ilay fitsipika hifehy ny fitondrantenan'ireo antoko pôlitika, izy nampahafantarina androany... ♦ Efa madiva hifarana ny fikirakirana ireo taratasim-panadinana tamin'ny fifaninanana handraisana mpandraharaha ny fonja farany teo... ♦ Lohalaharana amin'ny famonoana kristiana aty amin'ny Kaontinanta Afrikana ny any Nigéria...
Fiantombohan’ny Bokin’i Rota (Rota 1, 1. 3-6. 14b-16. 22)
Tamin’ny andron’ny Mpitsara, dia nisy mosary teo amin’ny tany.
Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà,
nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Môaba,
niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemi,
ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.
Naka vady tamin’ny vehivavy Môabita izy ireo,
ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota,
dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo.
Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna,
ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.
Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Môaba,
satria reny tany amin’ny tanin’i Môaba
fa efa novangian’ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina.
Fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Ka hoy i Nôemi:
“Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andrianianiny iry ny zaobavinao,
ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.”
Fa hoy i Rota:
“Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao,
fa izay halehanao no halehako,
izay honenanao no honenako,
ny firenenao no ho fireneko,
ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”
Toy izany no nodian’i Nôemi,
ary niaraka taminy i Rota, Môabita, vinantovaviny
izay avy any amin’ny tanin’i Môaba.
Tonga tao Betleema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana ny ôrja.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 5-6. 7. 8-9a. 9bd-10
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny.
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo tia ny olo-marina,
Tompo mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena;
fa mampiviona kosa ny olon-dratsy.
Tompo manjaka mandrakizay;
dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby!
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
ary amin’ny sainao rehetra.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hisokatra anio eny amin'ny HCC Ambohidahy ary haharitra 15 andro ny fametrahana ny antontataratasy ho an'ireo maniry ny ho kandinà filoham-pirenena... ♦ Velontaraina tamin'ny herisetra ara-nofo nataon'ny lehilahy iray 30 taona tamin'ireo ankizivavikely 8 sy 6 ary 4 taona teny Ambolokandrina, ny ray aman-drenin'izy ireo.... ♦ Mbola vonona ny handresy kosa ny Elgeco Plus amin'ny lalao miverina hifanandrinany amin'ny Gaborone United, izay hatao eny Mahamasina amin'ny alahady izao... ♦ Mangataka ny hanafahan'ireo miaramila nandrombaka fahefana any Niger an'i Mohamed Bazoum, ny zanany vavy...
♦ Mipetrapetraka ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11, hotanterahana eto Madagasikara. Mpitandro ny filaminana 4000 isa no hahetsiky ny EMMOFAR, hisahana izany... ♦ Nampahafantarina teny Anosy ny votoatin'ny paikadim-pirenena momba ny haitao ara-kajy mirindra ho an'ny famokarana ara-pambolena eto Madagasikara... ♦ Notanterahana teny amin'ny Motel Anosy, ny atrik'asa nampahafantarana ny pôlitikam-pirenena momba ny kalitao. Nisongadina nandritra izany fa manana ny lalàna momba ny kalitao, isika Malagasy, saingy tsy voahaja...
♦ Kandidà ho filoham-pirenena 13 no efa fantatra fa hirotsaka amin'izao iray andro mialohan'ny hisokafan'ni fandraisana ny taratasy firotsahan-ko fidiana izao. Tokony havaozina ny lalàm-pifidianana mba tsy hahabetsaka loatra ireo kandidà, hoy ny antoko Teza... ♦ Efa vonona amin'ny fandraisana mpivarotra ny tsenan'ny COUM eny amin'ny 67HA, taorian'ny fanavaozana natao. Afaka handray mpivarotra 2.000 isa ny eny an-toerana, aorian'ny fotoana hisokafany, izay mbola tsy voafaritra... ♦ Olona miisa 9 indray no namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andohamanjongy Fianaratsoa. Nandray fepetra hentitra ny Ministeran'ny Fitanterana, manoloana ny loza nisesisesy nahafatesan'olona am-polony maro, tato ho ato...
♦ Hiverina eto Madagasikara ka hiantsona mandritra ny 2 taona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina indray ilay sambo hôpitaly lehibe MERCY SHIPS. Hahazo fitsaboana avy amin'ny mpitsabo entin'izany sambo izany avokoa ny mponina mila izany manerana ny nosy... ♦ Saron'ny mpitandro filaminana tao Moramanga ireo ireo andian-jiolahy saika hanafika tranombarotra iray... ♦ Hanatsara ny fanabeazana ny zazavary sy ny tovovavy ny Skoto katôlika Fanilon'i Madagasikara. Manofana ireo tompon'andraikitra avy amin'ny Diôsezy miisa 9 ny skoto 5 mirahavavy avy any Angletera...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco