30 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-52)
♦ Hanomboka anio ny Androm-Pirenena ho an'ny Ankizy, na ny JNE-3. Sorona Masina hotanterahana eny amin'ny tokontany malalaky ny ESCA Antanimena no hanehoana izany anio... ♦ Hivoaka mialoha ny fifidianana ny fitorian-dRamatoa Fanirisoa Herinaivo ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana omaly... ♦ Velon-taraina amin'ny zava-misy, ny zokiolona mikarakara taratasy ao amin'ny CNaPS Ampefiloha. Tsy rariny intsony ny zva-misy, hoy izy ireo...
♦ Nigadona androany teto Antananarivo, ireo mpivahiny hanatrika ny Androm-Pirenana ho an'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hivoaka alohan'ny fifidianana ny fitorian-dRamatoa Fanirisoa Herinaivo ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny HCC androany... ♦ Efa eo am-pamaranana, ny fanadihadiana momba ny fivoahan'ny laza adina tamin'ny fanadinana Bakalôrea, hoy ny SEG...
♦ Efa manomboka ho tonga tsikelikely eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ireo ankizy avy amin'ny Diôsezy hafa, hiatrika sy hanatanteraka ny JNE-3... ♦ Efa feno mpizaha tany any amin'ny Faritra Menabe amin'izao fotoana izao. Manodidina ny 30 isan'andro eo ny fiara tonga, raha ny any Bemaraha fotsiny... ♦ Hanamarika ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Afrikana, isika eto Madagasikara, rahampitso alakamisy sy amin'ny zoma izao...
♦ Nisantaran'ny Malagasy miatrika ny JMJ any Portugal omaly, ny fitsidihana sy ny fampahafantarana ny tantaran'ireo fiangonana sy ny tanàna ary ny fivahinianana masina... ♦ Hamory ny mpanao pôlitika sy ny kandidà Filoham-pirenena anio, ny RMDM... ♦ Tsy tokony hozimbazimbaina na hatao ho tsinontsinona ireo ray aman-dreny na ny mpitondra ara-drazana noho ny fankahalana ara-pôlitika, hoy ny Filohan'ny Federasiônn'ny Ampanjaka sy ny Ray aman-dreny ara-drazana eto Madagasikara...
♦ Nanentana ny mpiasam-panjakana ny Minisitry ny Asa, mba tsy ho voatariky ny mety ho fitiavana na fankahalana ny mpitondra izy ireo, ka hanimba ny mpiara-monina sy ny taranaka Malagasy... ♦ Hamory ireo mpanao pôlitika rehetra sy ireo kandidà ho Filoham-pirenena ny RMDM rahampitso, eny amin'ny Espace Dera Tsiadana... ♦ Tsy mankasitraka ny hiasan'ny orinasa BOVIMA any amin'ny Faritra Androy sy Anosy, hisehatra amin'ny fanondranana omby any ivelany, ny Solombavam-bahoaka Idealison...
♦ Hihaona amin'ny delegasiôn'ny SADC anio tolak'andro ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Fihaonana, tafiditra anatin'ny fakàn-kevitr'ity vondrona ity momba ny zava-misy ara-pôlitika sy ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara... ♦ Mbola tsy tokony hiakatra aloha ny saran-dalana ao an-drenivohitra fa mila dinika, mba tsy hisy ny fanararaotana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso fandraisan'andraikitra haingana dia haingana ity fikambanana ity, noho izay zava-misy atsy ho atsy izay... ♦ Nahazo famatsiam-bola 366 miliara Ariary ny Governemanta malagasy, tamin'ny alalan'ny AFD. Famatsiam-bola natokana ho an'ny famokarana angovo sy ny fambolena isan-karazany amina kaominina 25 isa eto...
♦ Mihaona sy maka ny hevitr'ireo Vondrona pôlitika eto amintsika ny iraky ny vondrona SADEC nanomboka omaly. Manombona ny tontolo pôlitika sy ny filaminana eto Madagasikara izy ireo, mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana... ♦ Nihemotra anio indray, raha tokony efa nanomboka omaly ny fitsarana ireo taratasim-panadinana Bakalôrea eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy ny fandaminana tsy maintsy niarahana tamin'ireo mpitsara omaly... ♦ Mikasa ny hampiakatra saran-dalan'ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra ny UCTU manomboka ny volana Aogositra ho avy izao. Tsy mbola voafaritra mazava aloha io saran-dalana hiakatra io hatramin'izao...
♦ Nihemotra ho rahampitso ny fitsarana ireo taratasim-panadinan'ireo mpiadina Bakalôrea... ♦ Hanamafy ny fampanginana ny Oniversite hatramin'ny alarobia izao, ny sendikà SECES sampana Antananarivo... ♦ Maminavina ny hampakatra saran-dàlana ny UCTU, manomboka ny volana aogositra ho avy izao...
♦ Nankatoavin'ny Papa François, ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabeony, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Arsidiôsezin'i Toliara noho ny fahafenoan'ny taona. Notendren'ny Ray masina handimby toerana azy i Mgr Gustavo Bombìn Espino, Evekan'i Maintirano... ♦ Nanainga omaly alina ireo Delegasôna Fahazavan'i Madagasikara, hiatrika ny JMJ hatao any Lisbonne, Portugal... ♦ Nigadona teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny sabotsy hariva lasa teo, i Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Boky Levitika (Lev. 25, 1. 8-17)
Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy
tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:
“Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao:
fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito
dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra;
amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo,
ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany.
Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy,
samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo:
tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany;
ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
fa Jobily izany, ka masina ho anareo.
Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.Amin’izany taona Jobily izany,
samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo,
na misy zavatra vidinareo aminy,
dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo
no hividiananao amin’ny namanao,
ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny,
ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny:
satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo,
fa matahora an’Andriamanitra,
satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 66, 2-3. 5. 7-8
Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!
Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
ka hoy izy tamin’ny mpanompony:
“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy,
ka izany no ahavitany fahagagana maro.”
Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady io ianao.”
Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:
“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”
Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Levitika (Lev. 23, 1. 4-11. 15-16. 27. 34b-37)
Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Ireto no fetin’ny Tompo,
ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:
Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana
amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’ny Tompo.
Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io,
dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana ny Tompo;
hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.
Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo,
ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.
Mandritra ny hafitoana,
hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahafito,
hisy fivoriana masina ho anareo,
tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.”
Ary niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe:
Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo,
ka mijinja ny vokatrareo ianareo,
dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.
Hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo io amboara io,
hahitanareo sitraka aminy;
ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.
Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata
amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva
dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.
Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandrapahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito,
dia hanatitra fanatitra vaovao amin’ny Tompo.
Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny Fanorenana:
Hanao fivoriana masina ianareo,
hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo.Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny Tabernakla,
mandritra ny hafitoana ho fankalazana ny Tompo.
Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina.
Tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo;
mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo,
ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo,
famaranam-pety izany:
tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo.
Ireo no fetin’ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina,
hanaterana amin’ny Tompo sorona atao amin’ny afo,
sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka,
samy amin’ny fotoany avy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 80, 3-4. 5-6b. 10-11ab
Hobio Andriamanitra herintsika!
Derao ny Andriamanitr’i Jakôba!
Venteso ny hira, velezo ny amponga;
tendreo ny lokanga soa omban’ny valiha!
Amin’ny tsinambolana sy fenomanana,
tsofy ny anjomara hilanosantsika.
Fa izany no didy, ry Israely,
fitsipiky ny Andriamanitr’i Jakôba,
nataony lalàna ho an’i Jôsefa,
fony izy niala tany Ejipta!
Drey! teny tsy fantatro
izany henoko izany.
Aza mitahiry andriamanitra vahiny!
Aza mitsaoka andriamani-kafa!
Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay nampiakatra anao avy tany Ejipta!
Aleloia. Aleloia.
Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)
Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa,
ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany;
dia gaga ny olona ka nanao hoe:
“Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany?
Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io?
Tsy i Maria va no anaran-dreniny,
ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va
no rahalahiny ary moa tsy ety amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra?
Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?”
Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy:
“Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany
no tsy mba voahaja ny mpaminany.”
Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco